Brezila: Ho amin'ny hetsika hanoherana ny fandemen-tsaina ataon'ny fampahalalam-baovao

Eduardo Guimarães [pt] mpikambana mpanorina ny  Movimento dos Sem Mídia [Fiaraha-mientan'ny adinon'ny Media (fampitam-baovao)] no miantso ny olom-pirenena handray anjara amin'ny hetsika hanoherana ny familiviliana sy fanodikodinana ny marina ataon'ny fampahalalam-baovao any Brezila. “Mbola manolo-kevitra indray aho ny hanaovana ity bolongana ity ho fitaovana entina amim-pilaminana, handraisan'ny olom-pirenena anjara hiampangana ny heloka bevava vitan'ny gazety, gazety-boky, haino aman-jery isan-karazany ary ny vohikala amin'ny aterineto (amin'izany fanodikodinana ny marina izany). Fa miankina aminareo manontolo ihany ny fanaovana izany raha tsapanareo fa izao no fotoana anatanterahana  izany.”

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.