Herinandron'ny moana marenina: Mangetaheta fanabeazana mamirapiratra

Amin'ny fizarana faharoa amin'ity lahatsoratra mikasika ny herinandron'ny moana marenina ity (eto ny fizarana voalohany), dia entinay any amin'ny tontolon'ny fanabeazana ny moana marenina ianareo, sy ny fanamby isan-karazany tsy maintsy atrehiny. Voalohany ny any amin'ny Repobilika afovoan'ny Afrika misy sekoly iray misokatra noho ny fitiavana madiodio rehefa nitsahatra ny fanampiana. Ny faharoa dia avy any Philippines, namorona sy namokatra lahatsary maneho ny tolona iainan'ny maro amin'izy ireo ny moana marenina rehefa vita ny fianarany. Any Venezoelà indray ahitana ny fanazavan'ny mpampianatra ny hasarobidin'ny fananana fiteny roa sy fomba fanabeazana ara-kolontsaina roa. Ary ny farany dia avandravandran'ny lahatsary ny fahasamihafan'ny tenin-tanana avy amin'ny firenena roa.

Ny lahatsary voalohany dia avy any amin'ny repobilikan'ny Afrika afovoany, izay mamboraka ny fahasahiranana atrehin'ny sekoly tokana ho an'ny marenina ao: Eo ambany fifehezan'ny mpampianatra roa monja miasa ampitiavana manokana ryzareo hatramin'ny nahatapahan'ny karaman'izy ireo efa efa-taona izay, ary tena mila boky sy fanampiana (sakafo?) tokoa. Amin'ny tenin-tanana sy arahina soratra teny anglisy moa io lahatsary io (jereo hatrany ny lahatsoratra nadika rehefa toy itony ka tsy eto ilay lahatsary).


Fikambanana tsy mitady tombotsoa ny ekipan'ny “Fiaraha-miasam-pampandrosoana sy mitsinjo ny mahaolona eto amin'ny Repobilikan'ny Afrika afovoany”
namokatra sy namoaka ity lahatsary ity. Avoitran'ny ao amin'ny bolongany moa fa ny ilainy araka ny tenin'ny lehibeny dia: karama, fitaovana, fiofanan'ny mpampianatra, fanalan'andro, fanorenana sekoly hafa ho an'ny marenina sy fianarana arakasa ho an'ny mpianatra efa lehibe. Azonao jerena eto moa ny ahafahanao mifandray amin'ny fikambanana raha te-hanampy ny sekoly ianao.

Avy any Philippines kosa dia manazatra ny mpianany hampiasa ny solosaina ny Sekoly Kristiana eto Manila manofana ny moana hampiasa solosaina mba hiomanan'izy ireo amin'ny tsenan'ny asa araka izay azo atao, na dia hita amin’ity lahatsary ity aza fa mety ho kivy noho ny tsy fisian'ny asa ry zareo raha vaomahavita fianarana. Amin'ny tenin-tanana Filipiana miaraka amin'ny soratra teny anglisy moa ny lahatsary:

Manana fandaharam-pianarana manokana ho an'ny moana marenina kosa i Venezoelà, ary amin'ny alalan'ny lahatsary no hanazavan'ny mpandraharahan'ny sekoly ny fanatonany ireo ankizy marenina manana olana eo amin'ny fahazoan-kevitra ao anatin'ny lazainy ho tontolon'ny fiteny roa. Eo dia ampianarina amin'ny hetsiky ny tanana, fiteny voalohany, ny mpianatra sy amin'ny fiteny Esipaniolona no fiteniny faharoa izay ahafahan'izy ireo miditra tsaratsara kokoa anatin'ny fiaraha-monina amin'ny ankapobeny. Manazava moa ny mpampianatra iray fa tsy heveriny ho fahadisoana loatra raha toa misy manao diso teny enti-milaza rehefa manao entimody, fa araraotina kosa ireny hanazavana amin'ny mpianatra fa mampiasa enti-milaza hafa ny olona mandre ka tokony ianarana ny fampitan-dresaka rehefa mifanerasera amin'ny hafa. Amin'ny tenin-tanana Venezoelana sy esipaniolona moa ny lahatsary.

Ary farany, lahatsary fohy avy amin'ny gruposenaslibres any Meksika: Miaraka etoana sipa Meksikana sy dandy Aotirisiana samy manao ny alifabetany, ny fanisana ary ny volanamandritra ny taona amin'nyalalan'ny hetsiky ny tanana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.