Maraoka: Mpitoraka blaogy nosamborina, avy hatrany dia voasazy

Androany maraina (Alatsinainy 8 septambra 2008), navoakan'ny tranonkala mpampahalàla vaovao Hespress [amin'ny teny Arabo] fa nosamborina tany an-trano fonenany tao Agadir ilay mpitoraka blaogy Mohammed Erraji.Lahatsoratra iray momba ny Hespress nosoratan'i Mohammed Erraji [amin'ny teny Arabo]no toa niaingan'ny fisamborana, nefa samy tsy nisy nanamarina, na ilay fisamborana, na ny fifandraisana misy amin'ilay lahatsoratra sy ity fisamborana ity, ivelan'ny tontolon'ny blaogy.

Ny lalàna marokàna momba ny asa fanaovàn-gazety, izay voakiana matetika [amin'ny teny anglisy] dia mandràra izay rehetra mety ho endrika fanakiànana atao amin'ny fitondran'ny mpanjaka. Tao anatin'ny lahatsorany, nadikan'i Amira al Hussaini avy amin'ny teny Arabo ho amin'ny teny Anglisy eto, no nilazàny fa ny asa fiantràna ataon'ny mpanjaka amin'ny vahoakany no vao mainka mamporisika ity farany hiankin-doha hatrany, raha tokony hiasa kosa. Hoy izy mamintina:

وعندما يرى ولي العهد الصغير الذي سيتولى الحكم في يوم من الأيام كيف أن والده يوزع الهبات والاكراميات والكريمات على الناس بمجرد سماع كلمة إطراء أو مدح ، فلا شك أنه سيتصرف بنفس “المنطق” عندما يحكم ، لذلك فما علينا سوى أن نؤجل أحلامنا بمغرب المساواة وتكافؤ الفرص لغاية حكم الملك محمد السابع الذي سيأتي بعد الحسن الثالث اللي هو ولي العهد حاليا!

Raha hitan'ny printsy, izay hitondra indray andro any, ny fomba fanaon-drainy mizara voninahitra, fahalalàhana sy fanomezana maro samihafa ho an'ny vahoakany mba ho fankasitrahana azy na dia amin'izay kely indrindra vitany aza tamin'ny asa fiantràna nataony ,dia tsy isalasalàna fa hanao toy izany koa izy rehefa tafakatra eo amin'ny seza fiandriànana. Izany no antony tsy maintsy hamoizantsika ny nofinofintsika hahita Maraoka anjakàn'ny fitoviana sy ny fiaraha-mientana mandritry ny fotoana hanjakàn'i Mohamed VII, hanaraka ny dian'i Hassan III, izay laharana voalohany amin'ny fandovàna fanjakàna.

Ilay mpitoraka blaogy miteny anglisy A Moroccan About the World Around Him dia dia manazava ny zava-nisy antom-pisian'ilay lahatsoratra ary manoratra toy izao [amin'ny teny anglisy] :

Ny lahatsoratr'i Mohamed, voasoratra amin'y teny arabo ary mitondra ny lohateny hoe “Amporisihan'ny mpanjaka mba hiankin-doha ny vahoaka” dia mamely ilay antsoin'ny Marokàna, amin'ny fomba mahazatra hoe, “GRIMA”, izay teraka avy amin'ny teny frantsay hoe “agrément”, amin'ny lalan-kevitra hoe “fanomezana alalala amin'ny raharaham-pitantanana”. Ny fizaràna “fanomezana alàlana amin'ny raharaham-pitantanana” dia fahefana manokana efa an'ny mpanjaka hatry ny ela teto Maraoka. Tsy dia ilaina intsony ny milaza fa ny fanomezana alàlana toy izany dia ahafahana mandingana ny fizotr'ireo asa fitantanana sasany: manao zinona ny lalàna sy ny fepetra samihafa napetraka handaminan-draharaha izy ireny. Nefa latsa-paka lalina loatra ao anatin'ny toe-tsaina Marokana ity fomba ity, hany ka matetika, eto, dia be ireo Marokana avy amin'ny saranga samihafa no manao voady toy izao manaraka izao: “Enga anie i Allah ka hanome anay “GRIMA” de Sidna”.

Ny mpitoraka blaogy sasany toa an'i A Moroccan in Washington, D.C.,[amin'ny teny anglisy], zalamite [amin'ny teny frantsay] sy Larbi [amin'ny teny frantsay] dia samy niventy azy ity daholo.

Nambaran'ny Hespress.com fa nadalo fitsarana maika i Erraji ary nosaziana tao anatin'ny hazakazaka narahin-tosika higàdra roa taona an-tranomaizina sy handoa onitra 5 000 MAD($625). Hoy Larbi no manazava :

Tamin'ny alàlan'ny fitsaràna tselatra mendrika ireo firenena tsy refesi-mandidy indrindra eto ambonin'ny tany, no nanasazian'ny Tribonalin'i Agadir, io Alatsinainy io ilay mpitoraka blaogy marokàna higàdra roa taona an-tranomaizina sazy mihàtra sy handoa onitra 5000 Dhs noho ny ” tsy fanajàna tokony hatao amin'ny mpanjaka”.

Misy sahady ny fanangonan-tsonia firaisankina natsangana eto sy vondrona ao amin'ny Facebook mba ho fangatahana ny hamotsorana an'i Mohammed Raji [amin'ny teny arabo].

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.