Ezypta : Miarahaba tonga soa ny volana masin’ny Ramadany

Ny volana masin’ny Ramadany, nanomboka ny Alatsinainy teo, dia manana ny tsirony manokana any Azypta, ka noravàhana hifanaraka amin’izany ny lalàm-be rehetra.Mpitoraka blaogy iray no maneho ny lokony sy mitondra antsika eo anivon’izany fankalazàna izany
Vehivavy ezyptiana iray mpitoraka blaogy SaSa no mitanisa ao amin’ny blaoginy Stories from the Past (Ny tantaran’ny Lasa) [amin’ny teny Arabo] , nivoaka tamin’ny tranonkalan’ny aterineto ezyptiana Masrawy, izay nitatitra fanadihadiana iray natao tsy ela akory izay tany Irana mikasika ny fomba niomànan’i Ezypta handraisana ity volana masina ity.

القاهرة- ذكر تقرير لوكالة الانباء الايرانية أن لرمضان في مصر طعم خاص نظرا لعادات متوراثة حافظت عليه الاسر المصرية لمئات السنين ويعود بعضها الي ايام الدولة الفاطيمة
فلايوجد شارع واحد في مصر حاليا يخلو من الزينات باستقبال الشهر الكريم ويقول
التقريرمع بداية شهر رمضان ينقلب حال الشارع المصري تماما..اطفال صغار يتسابقون
لوضع الزينات والاعلام بشوراعه في مسابقة سنوية بين الاطفال للوصول الي الشكل
الاجمل لشارعه ليكونوا حديث المارة

LE CAIRE – Tatitra iray nalefa ho an’ny Masoivohom-baovao Iraniana no milaza fa hafa tsiro mihitsy ny Ramadany ho an’i Ezypta, fahasamihàfana voatefy indrindra avy amin’ireo fomban-dràzana nifandovàna izay voatahirin’ireo fianakaviana ezyptiana nandritry ny taonjato maro, ny sasany aza dia efa hatrany amin’ny andron’ny Fatimides. Tsy dia fahita izany hoe tsy voaràvaka izany ny làlam-be eran’i Ezypta, na dia iray aza, ho fiarahabàna ny fahatongàvan’ ny volana masina. Vantany vao miandoha ny volana, dia mitsimbadika ambony ambany ny làlam-ben’i Ezypta rehetra anaovan’ireo tanora azy mba hahazoana ny laharana voalohany amin’ny làlana tsara ravaka indrindra eo amin’ny faritra.

Hoy izy manohy:

كذلك لا يخلو شارع مصري من تجمع لبيع “الفوانيس ” وآخر لبيع مستلزمات الشهر الكريم الغذائية خاصة ما يعرف حاليا ب”شنطة رمضان ” وهي عبارة عن حقيبة تحوي مستلزمات غذائية ويشتريه الميسورون لتوزيعه علي الفقراء واصحاب الدخل المحدود في ظاهرة تتزايد سنويا لتكون مع موائد الرحمن خير تعبير عن التضامن بين ابناء الشعب المصري في ظل ظروف اقتصادية صعبة تمر بها الطبقات الفقيرة بمصر
وفي جولة بعدد من الشوارع لرصد مظاهر الاحتفال كانت البداية في منطقة “الجيزة” التجارية حيث انتشرت محلات بيع الفوانيس بكثرة وسط اقبال جماهيري

Ankavitsiana koa no hahitàna mpivarotra eny amin’ireny làlana ireny ka hoe tsy misy Fawanees eo aminy [karazana arendrina nentim-paharazana], sy karazana sakafo hafa fahita rehefa Ramadany, na ilay antsoina amin’ny fiteny mahazatra ankehitriny hoe “ Ny haron’ny Ramadany ”. Harona izay ahitàna sakafo fototra, hovidian’ireo mpanankarena ary zarainy amin’ireo mahantra kosa, nanjary efa lasa fomba fanao nandritry ny taona nifandimby, mifanindran-dàlana amin’ny Latabatry ny fiantràna [Tables of Mercy] [fihinanam-be ho an’ny mahantra] izay itaràfana ny firaisankinan’ny samy Ezyptiana, na eo aza ny olana ara-toekarena sedrain’ireo saranga marisarisa eo amin’ny firenena.
Ny fitsidihana ireo làlana ezyptiana maromaro dia afaka haneho io tranga io; miainga avy eo amin’ny tanànan’i Gizeh, izay ahitàna mpivarotra feno fawanees ary tena mandeha be tokoa izany varotra izany.

Farany dia maka ohatra avy amin’ny fironana vaovaon’ireo mpivady ezyptiana koa izy:

والجديد هذه الايام ان الفوانيس لم تعد قاصرة علي لهو الصغار بل امتدت الي الكبار ايضا حيث اصبحت عادة لدي الشباب الخطوبين، فكل خطيب يحرص علي شراء فانوس لخطيبته
كهدية لها وكنوع من انواع التفائل لاتمام زواجهم السعيد

Tamin’ity taona ity, samy nankafy ny fawanees daholo na kely na lehibe. Ho an’ireo mpivady vao, ireo mpifamofo, dia tena nankafiziny tokoa ny manolotra fawani iray ho an’ilay tokan’ny fony; fambara sahady ho an’ny tokantrano feno fahasambarana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.