Raha miezaka ianao manaraka vaovao momba an'i Madagasikara, dia angamba mamaky matetika ny Madagascar Tribune. Ary raha manana abonnement ianao, dia namaky angamba vaovao nosoratan'i Herimanda R momba ny fandidiana tsy dia fanao ary vita soa amantsara nataon'ny departmantan'ny neorochirurgie teo amin'ny hopitaly Ravoahangy tamin'ny fahafolon'ny volana Jiona. Erintaona i Tombotsara AMbinindrazana, fantatra mandrakizay ho “Baby Kamba” ho an'ny mpitoraka blaogy eran-tany, ary teraka izy dia nisy ny “frontal-nasal meningoencephalitis“, izay nahatonga bontsina lehibe nivoaka teo amin'ny handriny, araky ny hita eto amin'ity sary ity :

Nisy lahatsoratra nivoaka tao amin'ny Midi Madagasikara nilaza fa hatramin'izay dia vao 37 fotsiny ny olona nisy meningoencephalitis hita tao amin'ny hopitaly Ravoahangy. Fa ny tsy voalazan'ireo lahatsoratra roa ireo kosa dia ny tantara niantombohan'ny fanavotana an'i Kamba : ny ezak'i Diana Chamia, mpitoraka blaogy vao 18 taona fotsiny, izay nikiry nitady fanampiana ho an'i Kamba tamin'ny alalan'ny lahatsoratra iray niseho tao amin'ny blaoginy ary nitondra ny lohateny hoe “Ampio aho hanampy azy“.

Diana Chamia hita sary miaraka amin'ny Kamba talohan'ny fandidiana, izay vita vokatry ny asa mafy nataon'i Diana.
Diana, mpianatra fanaovana gazety any Mahajanga, Madagasikara, dia nianatra fitorahana blaogy tamin'ny Foko Madagascar, nahazo vatsy tamin'i Rising Voices. Olona hafa mpitoraka blaogy tany Mahajanga dia isan'izany ry Cylnice, Jombilo, Lomelle, Mielmanja, Rondro, Tonkataly, Ysiastella, and Zouboon.

Mpitoraka blaogy avy amin'ny Foko Blog Club any Mahajanga, io i Diana miakanjo mainty eo afovoany.
Fa i Diana no nanapaka hevitra hampiasa ny blaoginy ho fitaovana fanaovana asa soa sosialy. Araka ny tantarainy ao amin'ny toraka blaogy amin'ny April 19, dia hitany voalohany i Kamba sy ny reniny izay mpitondra tena, Philomène Georgine, raha variana loatra izy ka nilaozan'ny fitanterana bisy.
“Naka ny bisy faha 5 avy any an-trano aho ho any amin'ny Bazar Mahabibo, fa very saina, sa koa angaha efa lahatry ny zaza, ka adinoko ny nidina teo amin'ny fidinako mahazatra. Efa tery amin'ny tranobe an-tanana aho vao tonga saina. Teo am-piverenana ho any an-tsena, dia nahita aho ity ramatoa ity, mibaby zaza kely iray, mitrotro iray eo aloha, ary kitapo mena lehibe iray eo an-tsaviliny. Ilay zaza trotroany dia notakonany lamba maitso. Nanontany tena aho hoe maninona no rakofana kanefa mafana be i Mahakanga. Nisy rivotra be, dia hitako ny tarehin'ilay zazakely.”
Dia manohy i Diana mitantara ny fifaneraserany tamin'i Philomène izay miezaka mafy kanefa tsy mahita fika hanaovana ilay fandidiana hanesorana ilay vonto lehibe eo amin'ny handrin'ny zanany. Io andro io i Diana dia nivoady fa hitady izay hanampiana an'i Kamba mba ho zaza toa ny rehetra izy, tsy hojeren'ny mpandalo hafahafa intsony, fijery izay efa lasa nahazatra ny reniny.
Nandritry ny volana vitsy taty aoriana dia nantsoin'i Diana ny mpitoraka blaogy Malagasy maro hanampy azy. FOKO iray manontolo nanampy an'i Diana namorona ny “Zaza sy Vavy Gasy” (”Ho an'ny vehivavy sy zaza Malagasy”), pejy Internet miteny anglisy sy frantsay natao hanaovana fanampiana sy fitadiavana vatsy hanaovana ilay fandidiana lavo be hanesorana ny vonto eo amin'ny handrin'i Kamba. Nisy koa pejy Facebook nakarina tamin'izany.
Ny ezak'i Diana dia voatantara tsara ao amin'i blaogin'i Joan Razafimaharo, miasa ao amin'i Foko, ary koa ao amin'ny fitorahana blaogy hiombonana, Malagasy Miray.
Tany Canada, i Jean Razafimandambo, Malagasy mpitady ravinahitra, ary mifanerasera matetika amin'i Mahajanga, dia nijery Internet ny andro nahaterahan'ny zafikeliny, ary nahita ny blaogin'i Diana. Araka ny nolazain-dRazafindambo ny Ottawa Citizen, “Nahatsiaro ny zafikeliko aho, izay salama tokoa, ary raha i Kamba moa no zafikeliko, dia inona no ho ataoko?” Nampian'ny namana, mpiara miasa ary koa olon-tsy fantatra malala tanana sy fo i Jean sy i Bako vadiny ary nahazo efa ho $1500 ho an'ny fandidiana an'i Kamba, raha nanao ny hazakazaka lavitra ezaka tao Ottawa tamin'ny volana May.

Araka ny hitanao ao amin'io sary io, dia miverina tsara ny fahasalaman'i Kamba, indrindra moa fa tena fandidiana henjana (mihoatry ny adiny valo). Ilay fandidiana dia tsy ho nisy mihitsy raha tsy nisy ny fitiavana be sy fikirizan'i Diana. Impiry moa isika no nandalo olona iray mila fanampiana, ary kosa fotsiny nanome tsiny ny fitondrana hoe tsy ampy ny fitsaboana na koa ny trano omeny ipertahana? Dia avy eo isika anefa manohy ny lalantsika. Fa i Diana tsy nandalo fotsiny. Blaogy iray fotsiny sy fikirizana no azy, fa kosa nanovany mandrakizay ny fiainan'ny ankizy lahy kely izay fantatr'izao tontolo izao ho Baby Kamba amin'izao fotoana izao. Afaka mihaino mivantana an'i Philomene, renin'i Kamba sy i Diana ianao ao amin'ity video ity.
















salut,azafady raha manoratra ity mail ity izaho,lazao hoanahy izay mety azoko hanampiana ianao fa zaho vonona hanome tanana anao @ io zavatra io.Misaotra anao nampita hafatra,ciao buonanotte.MAXIMIN!