.”[ mba tsy hitan'ny gazety malagasy indray ny hevitra tahaka ity an!]
- Firenena:
- Cape Verde
- Lohahevitra:
- Media
- Teny:
- Portuguese
The Global Voices Lingua project hopes to bring GV content to new linguistic audiences - Details
João Branco [pt] no miresaka momba ny fanapahan-kevitry ny gazety iray milaza fa hikatona iray volana mba hanao vakansy. “Taloha moa notadiavina hatrany ny fialantsiny tahaka ny hoe fahatapahan'ny herinanratra na tsy fahampian'ny taratasy. Fa izao kosa ry zareo dia nilaza mazava tsy misy hambahamba: Hiala sasatra avokoa ny rehetra, mahandry ny mpamaky.”[ mba tsy hitan'ny gazety malagasy indray ny hevitra tahaka ity an!]
Tahina, mamaham-bolongana ao amin'ny Madagasikara tsy ilay sarimihetsika, no mamoaka sary vitsivitsy ny “bibliobus”, famakiam-boky iray anaty fiarakodia mandehandeha, tetikasa iray entina hampiroboroboana ny famakianteny eto Antananarivo (en). Nohazavainy ary fa nahitana fahombiazana tanteraka ity tetikasa ity ho an'ny manodidina azy. ” Raha toa tsy afaka mankany amin'ny famakiam-boky ny ankizy, dia ny famakiam-boky indray no hanatona ny ankizy”, hoy ny nambarany.
Manome voninahitra ilay Miozolmana Magomayev ny bolongan'ny fikambanana politikan'ny raharaham-bahiny Russia, “ilay sovietika tsy misy fangarony malaza sy mamirapiratra” izay “manana taleta sy nahavita zavatra maro: olona mendri-piderana tokoa nefa artista anisambahoakan'ny Firaisana Sovietika; Mpampianatra opera mahay ny tendrin'i Sinatra; taranaka fianakaviana artista sy mpitsoka mozika avy amin'ny sarangan'ireo tsy noheverina loatra; mpivezivezy any amin'ny toerana maro ary efa nisoho sehatra tao amin'ny La Scala ary nahalany tapakila sy nahafeno an'i Paris Olympia nefa tsy nivena tamin'ny fizakany ny zom-pirenena Sovietika ary niverina nody mandrakariva; ; ‘Harem-pirenena’ niakatra tsikelikely anivon'ny fiaraha-monina any Moskoa, nefa tsy nanapaka mihitsy ny fifamatorany akaiky amin'ny Bakò niaviany.”
Lavitra dia lavitry ny fahatalanjonana mahita ny fanohanan'i Colin Powell an'i Barack Obama, The Haitian Blogger no miteny: “Eto Haiti, Powell no ‘Mpitarika Mainty niandraikitra ny' fandravana ny demôkrasia teto Haiti sy nametraka ny saribakolin'ny fitondran'i Bush, Gerard Latortue.”
Isiraely: vaovao farany momba ireo takal...
Madagasikara: Tsiahy an'i Rado, ilay poe...
Madagasikara: Manova olona ny mipetraka ...
Bolivia: resaka fitsaram-bahoaka


Madagasikara: Nanakorotantsaina ny fifan...
- Le gouvernement malgache donne la moitié de la surface cultivable aux...
- Doing business is good, but that means an equilibrate profit for all w...
- We are in 2008 therefore we cannot be selling the land of our ancester...
Tohiny »