Vakiboky: “La Chinafrique”

Théophile Kouamouo [amin'ny teny Frantsay] no mamitimpintina (tsindrio eto) lavalava ao amin'ny bolongany  ny boky mitondra ny lohateny hoe La Chinafrique: Pékin à la conquête du continent noir (na Shinafrika : Beinjing te-hambambo ny kaontinanta Mainty) nosoratan'i Serge Michel sy Michel Beuret, Boky miresaka ny  ataon'ny Shinoa eto Afrika. Hoy izy: “Tsy anjely nirahin'ny Andriamanitry ny fiaraha-miasa Atsimo-Atsimo ny Shinoa sady mpanavakavaka ihany koa izy ireo, na dia tsy tahaka ny Tandrefana miaiina aty Afrika aza[…] fa tsy devoly ihany koa ry zareo na izany aza”. [naotin'ny mpandika teny malagasy: Mahaliana dia mahaliana tokoa ny mamaky azy io na dia ao amin'ny bolongana aza satria ahitanjavatra sahady toy ny “tsaho” miely ireny Shinoa miasa amin'ny toerana fananganan-javatra ireny dia gadra ampiasaina aty afrika… Toa mandà izany ireo mpanoratra ireo… efa henoko manko ny amin'ity tranga iray ity miaraka amin'ny hoe raha mandositra ka tratra dia tifirina ary “facturer”-na amin'ny fianakaviana ny bala nitifirana azy]

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.