St Vincent sy ireo Grenadina : Aza izay efa tra-boina indray no mbola omen-tsiny

Abeni no mitatitra ao amin'ny And Still I Rise [Raha mbola mijoro foana aho] mikasiky ny firongatry ny fanolanana sy izay adihevitra aterak'izany any amin'ny vondro-nosy St Vincent sy ireo Grenadina :

Judging from the reports in the newspapers and the talk shows it appears as if incidents of rape are on the increase. However, I want to tell those women who come on the airwaves and attempt to lay the blame on scantily dressed women how wrong they are. Ladies, rape is an act of violence and a power trip. It has little to do with the desirability of the women or the need for sex […]

I won't deny that at times some women mode of dress cause me to raise my eyebrows but I have never, ever thought that they were begging to get raped. Do I need to remind my Vincentian sisters of the rapes perpetrated on the elderly women and on the children of our land? Were they dressing provocatively as well and flaunting their stuff to these poor helpless men? I think not[…]

Put the blame squarely where it lies and quit with the excuses. Ladies, secure your homes properly especially if you live alone, avoid being in unsafe places and try as much as possible to go out in groups. These are some of the common sense things you can do to protect yourselves in this climate of heightened violence. Clothing is the least of it.

Raha heverina amin'ny fitombon'ireo tatitra ara-gazety sy ireo fandaharana mandeha amin'ny haino aman-jery dia toa mirongatra ny fanolanana. Tiako anefa ny milaza amin'ireo vehivavy izay mandray fitenenana amin'ny haino aman-jery sy miezaky ny manameloka ireo vehivavy izay tsy “ampy fitafiana” [miakanjo fohy sy jefijefy] fa diso fihevitra tanteraka ry zareo. Ry Andriambavilanitra isany, herisetra sy fanaovana izay be sandry no atao hoe fanolanana. Ka ampahany kely monja raha misy no mifototra avy amin'ny fitsiriritana sy izay filan'ny nofo.
Tsy haiko ny handa tsy hilaza fa tsindraindray koa aho dia mba tafintohina ihany noho izay fomba fianjaikan'ireo vehivavy sasany, anefa sanatria dia sanatria aho raha nihevitra na dia indray mandeha monja hoe antso miangavy ataon'izy ireny ny mba hanolanana azy izany. Ilaiko koa ve ny mampahatsiaro ireo rahavaviko Vinsentiana [mponin'i St. Vincent] fa misy ireo anti-bavy sy zazavavy no iharan'irena fanolanana ireny aty amin'ny tanintsika aty ? Dia hambara koa ve fa jefijefy mihantsy lehilahy sy mampisehoseho izay tokony hafeniny koa amin'ireto lehilahy kanosa koa izy ireny ? Tsy heveriko velively raha izaho.
Apetraho amin'ny toerany mazava ny fanamelohana ary aoka hatreo ny fialana. Ry Andriambavilanitra isany amafiso ny hidin'ny trano fonenanareo, indrindra indrindra raha monina irery ianareo, ialao ireo toerana izay tsy atokisana ary miezaha arak'izay azo atao ny mivoaka hatrany miaraka amin'ny namana. Heveriko fa ireo dia fepetra mahasoa azonareo ampiharina mba hiarovantena avy hatrany amin'izao vanim-potoana izay itomboan'ny herisetra izao. Laharana farany amin'izany izay resaka fomba fitafy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.