The Global Voices Lingua project hopes to bring GV content to new linguistic audiences - Details

Also in:

This is a Video post
Firenena:
Mexico
Lohahevitra:
Cyber-Activism, Environment, Governance, Protest
Teny:
Malagasy

 

Any Copala [en], tanana atsimon'i Acapulco ao amin'ny faritanin'i Guerrero any Mexico no nakana ity horonan-tsary ity, miampanga ny nangalan'ny ben'ny tanana [President of Municipal] Gonzalo Gallardo Garcia, mpikambana ao amin'ny antoko Green Ecological [es] ny tanin'i Isabel Pisa sy Fabiola Abarca. Valan-java-boaary natao hiompiana voay moa no nolazaina hoe hampiasana ny tany, saingy hita amin'ny sary nasehon'i Isabel Pisa, izay ramatoa manano-tena ary manan-janaka efatra, fa trano fisakafoanana sy toeram-pilomanosana no naorina ao an-toerana. Io ambany io ny horonan-tsary napetraky Denuncia Copala ao amin'ny Youtube, ary nampaina ny fanazavana an-tsoratra tao amin'ny Overstream. Nanahirana ahy ny nahazo ny lazain-dRamatoa Isabel eo amin'ny minitra voalohany : raha misy manana soso-kevitra dia mametra hevitra mba hahafahako manitsy azy.

Mpanoratra Juliana Rincón Parra

Hamela valiny