Nanjaka ny herisetra tao Afrika Atsimo

Nanetsiketsika fatratra ny haino aman-jery ary mazava loatra ny… bolongana ihany koa ny ny herisetra faratampony mianjady amin’ny vahiny any Afrika atsimo. Mpibolongana vitsivitsy ary no lasa saina raha marina tokoa ny filazan’ny governemanta ireny herisetra ireny ho « fankahalana vahiny » (xenophobe, ary misy ny mitsikera ny haino fampahalalam-baovao ho mampirona loatra ity toe-draharaha ity any amin’izay antony nahatonga ny herisetra.

Indreto ary misy angontsoratra avy amin’izay lazain’ny mpamaham-bolongana afrikana tatsimo:
Hoy i Don Edwards, mamaham-bolongana avy ao Johannesburg ao amin’ny Insights and Rants (fahiratantsaina sy ngerongerona):

Political correctness has now gone too far: it's all very well talking about Xenophobia and anarchy, but why is the government so scared of calling the rioting what it is: racism!?
These people are being killed because they are “foreigners”, and therefore we call it Xenophobia, only because it is politically incorrect to call it racism. Normally Mr Mbeki is quick to use the race card, but I suppose because there are no whites involved he can't see it for what it is. What an idiot! People are suffering and dying while the leadership dithers and keeps silent.
If they do nothing for much longer then we can refer to the process as “ethnic cleansing”, another traditional SA sport.

Lasa lavitra ankehitriny ny fahaiza-miteny ara-politika : mety tokoa ny firesahanamomba ny fankahalana vahiny sy ny fikorontanana, saingy maninona moa ny governemanta no matahotra fatratra milaza ity rotaka ity amin’ny anarany : Rasisma ?(fanavakavahana ara-poko na volonkoditra)
Novonoina ireo olona ireo satria « vahiny », ka antsointsika hoe « fankahalana vahiny », satria tsy mety am-pitenenana ny milaza azy hoe fanavakavahana ara-poko. Amin’ny ankapobeny dia mailaka tokoa Atoa Mbeki amin’ny resaka volonkoditra (na foko), saingy heveriko fa noho ny tsy fisiana fotsy tafiditra amin’ity raharaha ity dia tsy hitantsika hoe inona tokoa moa izy ity. Andrekaky ô! Eh ! mijaly sy maty ny olona nefa feno fisalasalana sy mangina ny mpitondra.
Raha mbola tsy manao na inona na inona ireo dia azontsika lazaina fa anivona « fanadiovana ara-poko » (” nettoyage ethnique “)isika amin’izao fotoana izao, izay fanatanjahantena nenti-paharazan’i Afrika Atsimo hafa koa.

Miady hevitra amin’izay ho fiantraikan’ny fanantenan’i Afrika Atsimo amin’ny 2010 ny In The News ao Afrika Atsimo:

Has anyone given much thought about how the current xenophobia attacks in townships in South Africa could affect South Africa’s preparations for the FIFA World Cup in 2010? The whole world is seeing pictures and videos of the attacks and it can not paint a pretty picture at all. Crime has always been a huge issue about South Africa hosting the world cup but the world was assured that everything possible would be done so that crime does not affect this world event in 2010. Now with the scenes being beamed across the world from townships in Johannesburg, one wonders why South Africa can not stop this current crime sweeping across them.

Efa nisy ve ny nieritreritra lalina amin’izay ho fiantraikan’izao herisetra amin’ny vahiny any an-tanan-dehibe maro any Afrika Atsimo amin’izao fanomanany ny fiadiana ny amboaran’ny FIFA amin’ny 2010? Hitan’izao tontolo izao ny sary sy lahatsarin’ny herisetra ary tsy maneho endrika mahafatifaty velively izany. Ny vono olona indrindra no niteraka ny adihevitra amin’ny handraisan’i Afrika Atsimo azy saingy efa nomena toky izao tontolo izao fa atao avokoa izay fomba rehetra hamehezana ny herisetra tsy hipaka amin’ity lanonan-dehibe manerantany amin’ny 2010 ity. Ankehitriny hita manerantany ny zava-nitranga tany amin’ny faritra manodidina an’i Johannesburg, Manontany tena ihany ny maro hoe nahoana moa no tsy voasakan’i Afrika Atsimo mihitsy ny herisetra manjaka manerana ny fireneny io.

Fine, the xenophobia attacks are happening in the townships where the poor are so that should not affect 2010 right? Wrong. Any form of crime in South Africa is a negative to how the world portrays South Africa be it crime in the townships or crime in the leafy suburbs. Crime is a national issue in South Africa and just because it is happening in the townships does not mean it should be ignored.

Eny ary, any amin’ny faritry ny mahantra no itrangan’ny fanafihana vahiny ka tsy tokony hisy fiantraikany amin’ny 2010 izany ; OK ? Tsia. Endrika ratsy asehon’i Afrika Atsimo amin’izao tontolo izao foana io na any amin’ny faritry ny mahantra no itrangany na any amin’ny manodidina rakofan’ny zava-maitso (mahafinaritra). Adihevitra mafana eo amin’ny firenena ny rezaka filaminana ka tsy hoe mitranga any amin’ny faritra « mafana » ny tantara dia tsy tokony ho tsy raharahiana.

The government has to act and act quickly to find a solution to these xenophobia attacks. There have been calls for there to be more police deployed to stop these attacks but the police say they do not have enough resources to deploy more people than they already have. There have been calls for the South Africa army to step in and help or take over from the police. South Africa is not at war with anyone so the army is available to assist in times like this. The fear is that these attacks could escalate and get out of control. The government has an opportunity to act now and try stop these attacks. Or do they want to wait until it really gets out of hand before they act? This reminds me of the electricity situation. The government had time to act and resolve the crisis long ago, but did nothing about it. Instead they are now fighting against something they could have prevented. Don’t they just learn from past mistakes?

Mila mihetsika ny governemanta ary mihetsika haingana hahita vahaolana amin’ity manafitafika vahiny ity. Efa nisy ihany ny antso natao tamin’ny polisy hanakanana ireny herisetra ireny saingy namaly moa ny polisy fa tsy afa-manetsika olona mihoatra noho izay ananany. Efa nisy ny antso natao tamin’ny tafika Afrikana tatsimo hiditra an-tsehatra sy hanampy ny polisy na handray ny andraikiny hitarika ny polisy. Tsy misy ady na amin’iza na iza atrehin’ny tafika manko ka ireo no eo ampelatanana vonona amin’ny fotoana sahala amin’izao. Ahiana hihitatra manko ny toe-draharaha ka tsy ho voafehy intsony. Tonga ankehitriny ny fotoana hidiran’ny fanjakana an-tsehatra hanakana izao heristra izao. Sa hiandry ny toe-draharaha tsy ho voafehy intsony ve ? mampahatsiahy ahy ny tamin’ny raharaha herinaratra ity. Nanam-potoana malalaka ny fanjakana hamahana olana saingy tsy nanao na inona na inona. Ankehitriny anefa dia miady amin-javatra azo nosorohina izy. Mbola tsy mandray lesona tamin’ny fahadisoana taloha ihany ve ?

“Tsy misy olombelona mendrika ny ampijaliana tahaka izao,” hoy i Charmed at My Digital Life (matimaty amin’ny fiainako nomerika) nanoratra :

I admit I'm not one to get all worked up about political issues or how incompetent our government is, but I certainly think the xenophobic attacks are uncalled for. No human being deserves to be treated that way.
I agree with OS – it all comes down to those who lack mentality. With that kind of behaviour its no surprise that the Zimbabweans or Mozambicans or whoever are getting employed here.
My sister employs a Zimbabwean girl as her domestic worker and she's so well spoken, friendly, civilized.. unlike some South Africans I've come across with loads of attitude and think the world still owes them since apartheid.

If everyone cared and nobody cried
If everyone loved and nobody lied
If everyone shared and swallowed their pride
We'd see the day when nobody died

Chorus from If Everyone Cared by Nickelback

Ekeko fa tsy mpiady hevitra politika aho na hoe mpiresaka momba ny tsy fahaizan’ny mpitondra, saingy heveriko fa tsy hoe fanafihana vahiny izany kosa izao. Tsy misy ny olombelona mendrika ny atao tahaka izao.
Mitovy hevitra amin’i OS aho – avy amin’ny olona tsy ampy fisainana izao zava-mitranga rehetra izao. Raha amin’ny fihetsika tahaka izao aloha dia tsy mahagaga raha voaray miasa aty ny Zimbaboena na Mozambikana na hafa ihany koa.
Ny anabaviko ohatra mampiasa zazavavy Zimbaboena ho mpanampy an-trano ary mahalala fomba sy mahay miaina sy mora ifandraisna izany zazavavy izany. Tsy tahaka izany kosa ny Afrikana tatsimo sasantsasany izay manao zavatra tsy ampiheverana sy mihevitra ny fiainana ho toy ny tamin’ny andron’ny fanavakavaham-bolo-koditra ihany.

Raha niahy ny rehetra ka tsy nisy nitomany
Raha nitia ny rehetra ka tsy nisy ny nandainga
Raha nizara ny rehetra ka nampandefitra hambom-po
Dia efa hitantsika izany andro ka tsy nisy, hono, maty

Isan’andinin-kiran’i Nickelback mitondra ny lohateny hoe raha niahy ny rehetra

Herman, mpamaham-bolongana ao amin’ny Contraflow, indray mijery amin’ny sary mivelatra kokoa:

The media's reporting of these events has as usual been largely event-driven, with little attempt yet to understand them as part of larger socio-economic circumstances and policies (although there has been some good analyses, for instance here and here). While front pages such as the one posted here (the Cape Town-based newspaper Cape Times, owned by the Independent group) raise familiar questions regarding the ethics of the representation of violent acts, there is also an imperative for the media to analyse these events holistically, as part of the precarious living conditions of the poor in the country and political response they demand. Journalism should be at its best when it defends human dignity and respect for life. This is such a time.

Tarihin’ireny zava-mitranga ireny araka ny mahazatra moa ny tati-baovaon’ny haino aman-jery, ary misy fiezahana hahazo azy ireny amin’ny lafiny ara-piarahamonina sy toe-karena ary politika (na dia misy aza ny famahavahana mahafinaritra sasantsasany tahaka izay hita amin’ny lahatsoratra adika etsy ambony). Raha hita amin’ny pejy voalohany izay hita (sary) ao amin’ny lahatsoratra nadika (gazety miorina ao Le Cap antsoina hoe Cape Times,vondrona tsy miankina) ny fanontaniana mahazatra izay mahatonga ny fanaovana herisetra, dia tena zava-dehibe ihany koa raha mba fakafakain’ny fampahalalam-baovao ny mihatra amin’ny tsirairay izay tafiditra amin’ity raharaha ity, dia ny fiainana tsizarizary manjò ny mahantra ao amin’ny firenena sy ny vahaolana politika tadiaviny. Tokony haneho ny fahatsarany manontolo ny fanaovan-gazety eo amin’ny sehatry ny fiarovana ny mahaolombelona sy fitandroana ny aina. Ity indrindra ny fotoana mety.

Asehon’i Sokari fa izao herisetra izao no manambara ny fahalemen’i Afrika Atsimo

The media and the government are naming the violence as xenophobia but the reality is that people have reached boiling point after 14 years of dashed hopes and have now turned on the most vulnerable in their communities, refugees, and foreigners to vent their frustration. This in no way justifies the violence but does go some way to explain the fragility of the country.

Lazain’ny fanjakana sy ny haino aman-jery fa fankahalana vahiny no anaran’ny herisetra teo saingy ny marina dia tonga amin’ny fetran’ny fitroarana ny olona rehefa very fanantenana tao anatin’ny 14 taona ka manala vonkona any amin’ny mpiara-monina aminy, mpifindra monina ary ny vahiny. Tsy izany no anamarinana ny herisetra fa fomba entina hanazavana ny fahalemen’ny firenena amin’ny lafiny hafa.

Tsy mino i Nicole fa ny ny mpiray firenena aminy no nahavita izao herisetra izao fa tokony ho ny manam-pahaizana manokana ubuntu :

Over the past few weeks, xenophobic attacks on Zimbabweans, Malawians, Zambians, Ugandans, Rwandans, Burundians, Mozambicans, and many other African illegal (and legal!) migrants who are living near Johannesburg on the East Rand, have been on the increase.
It blows me away that my fellow countrymen and women can with one breath decry the atrocities in Zimbabwe, and with the next perpetrate their own. It blows me away that people who should be experts at ubuntu can demonstrate anything but. It blows me away that a problem I considered to be purely a first-world problem exists on my own doorstep (as it were…. Jo'burg is a good 1400kms or 870 miles). It blows me away that in this rainbow nation of ours, where thousands have fought, shed blood and died for the right for us to treat each other with the respect due another human being, for the right to express our equality, my fellow countrymen and women would perpetrate such hate crimes.

Nandritra ny herinandro vitsivitsy izay dia nitombo ny fanaovana herisetra tamin’ny Zimbamboaena, Malaoita, Zambiana, Ongadey, Borondey, Mozambikana ary ireo mpifindra monina tsy ara-dalàna (sy ara-dalàna) mipetraka akaikin’i Johannesbourg amin’ny faritany Atsinanana. Mahalasam-borona ahy izany hoe rehefa niray feo hanohitra ny habibiana mitranga any Zimbaboe ny mpiray firenena amiko, dia avy koa nanao ny azy. Mahalasam-boroana ahy izany tokony ho kinga amin’ny ubuntu dia afa-mampiseho hakingana amin-javatra hafa ankoatra. Mahalasam-borona ahy ny fahalalana fa mandodona eo an-tokonam-baravarako ny heveriko olana voalohany indrindra an’izao tontolo izao (1400 kms na 870 maily miala ny misy ahy i Jo’bourg). Mahalasam-borona ahy izany hoe ity firenena avana misy anay ity izay nitoloman’ny maro sy nandatsahany ny rany ny hanananay ny zo sy hisian’ny fanajana mahaolona, tolona hisian’ny fitoviana, dia lasa mahavita habibiana miharo fankahalana tahaka izao ny mpiray tanindrazana amiko na ny lahy na ny vavy.

Ary indro misy lahatsoratra nosoratan’i ZimStallion tanaty fahatezerana :

Alright, jokes aside. This is something that REALLY pisses me off.
Xenophobia, for those that have lived under a rock their entire life, is the jealous hatred of foreigners living in one's country…
Q: Why have so many Zimbabweans desperately flooded into South Africa?
A: Because there is a shithead President in Zimbabwe who beats the living daylights out of them for no good reason.
Q: Why is there a shithead President in Zimbabwe?
A: Because there is also a shithead President in South Africa, who stops the rest of the world from putting a bullet through his head.
Q: Why do shithead South African citizens take it out on poor innocent Zimbabwean refugees?
A: Because shithead South Africans are lazy, and are used to having things handed to them on a plate, whereas a Zimbabwean will actually work for something. This is the reason a Zimbabwean is chosen for a job over Joe South African.
Christ, South Africa, I'll explain this as simply as possible so that you get it into your thick skulls: Get your shithead President to stop shielding the shithead Zimbabwean President, and we will ALL fuck off back home in a split-second. Then you can have your shitty jobs and shitty country back. Because if we had a choice, we wouldn't be here.

Eny ary, avela any ny vazivazy. Fa misy ny zavatra TENA mandrangitra ahy tanteraka. Xenophobia (fankahalana vahiny), no fankahalana avy amin’ny fialonana ny vahiny monina ao amin’ny firenena misy azy, ho an’ireo miaina ambanin’ny vatolampy nandritra ny fiainany manontolo…
F : Nahoana no maro dia maro ny Zimbaboeana nirohotra nankany Afrika Atsimo ?
V : Satria misy filoha maharikoriko manamaloka ny isaky ny masoandro mihiratra izay any Zimbaboe.
F : Fa nahoana no misy filoha maharikoriko any Zimbaboe ?
V : Satria misy filoha maharikoriko izay koa any Afrika Atsimo, izay manajanona ny ambin’izao tontolo izao tamin’ny fitifirany ny lohany.
F : Koa maninona no ireo mpialokaloka Zimbaboeana no anamparan’ny mpizaka zom-pirenena Afrikana tatsimo maharikoriko ny fony ?
V : Satria kamo ny Afrikana Tatsimo, ary manantena ny hanateran-kanina fotsiny, raha tena miasa manao zavatra kosa ny Zimbaboeana. Izany no antony mahatonga ny safidy ho any amina Zimbaboeana kokoa toy izay hirona any amin’i Joe Afrikana tatsimo.
Christ(ivander),Afrika Atsimo, hanazava azy amin’ny fomba mora araka izay azo atao aho mba ho tafiditra ao amin’ny karandohanao matevina io : Sakano io filohanao maharikoriko io tsy hanohana ilay filoha Zimbaboena maharikoriko, dia hiverina any amin’ny misy anay ao anatin’ny indray mipi-paso izahay REHETRA. Dia hiverina aminareo ny asanareo sy ny firenenareo samy mankaloiloy. Satria raha nanam-pidiny izahay dia tsy nakany velively izahay.

Avy amin’ny bolongana Jacaranda FM:

Foreign nationals in Alexandra, North of Jo’burg, are begging police to deport them back to their home countries following the recent outbreak of Xenophobia. According to Alexandra police, about a thousand refugees are being housed in tents at the police station whilst several organizations have donated blankets, food and other necessities.

Miangavy ny polisy hamerina azy any amin’ny tany nihaviany ireo vahiny mipetraka any Alexandra, avaratry Jo’bourg noho ny fipariahan’ny fankahalana vahiny farany teo. Araka ny filazan’ny polisy ao Alexandra dia arivo eo ho eo no mialokaloka anaty tranolay naorina ao amin’ny tobin’ny polisy ary maro ny fikambanana manome bodofotsy, sakafo ary zavatra ilaina andavanandro.

Ary ny farany… Dispatch Now

DispatchOnline has set up a dedicated blog for readers to share their experiences of xenophobia, racism and other forms of intolerance. Share your views and stories at http://blogs.dispatch.co.za/surviving
Across all media and social media channels, the xenophobic attacks have been condemned, unfortunately the government seems to be dragging it's feet again and mumbling about semantics instead of doing something concrete about the situation.

Nanokana bolongana hizaran’ny mpamaky izay niharan’ny fankahalana vahiny, na fanavakavaham-bolokoditra na endrika tsy fifampizakana hafa ny DispatchOnline. Zarao ihany koa ny tantaranao ao amin’ny http://blogs.dispatch.co.za/surviving
Voaheloka hatraiza hatraiza ny herisetram-pankahalana vahiny manerana ny fampahalalam-baovao rehetra, saingy mbola tsy nirotsaka an-tsehatra ihany ny governemanta fa variana amin’ny resaka voambolana na dia efa tokony handray nyandraikiny ihany aza.

1 hevitra

Hiresaka koa

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.