The Global Voices Lingua project hopes to bring GV content to new linguistic audiences - Details

Also in:

Firenena:
South Africa
Lohahevitra:
Human Rights
Teny:
Malagasy

 

Vonona hiatrika ny 2010 ve i Afrika Atsimo, izay mankahala mpiavy ?“, hoy i Bomseh, mpitoraka blaogy avy any Kenya - monina ao Afrika Atsimo. “Manaitra ary toa tsy mampino ny mahita ny fivoaran'ny fanafihana ireo vahiny ao Johannesburg sy ny faritra manodidina ao amin'ny faritanin'i Gauteng. Mihanaka tahaka ny doro tanety ny habibiana vokatry ny fankahalana, tahaka ny nitranga tao Kenya tsy ela akory izay ; amin'izao fotoana izao dia mananika ny 100 ireo mpiavy maty noho io korontana io, anjatony hafa no naratra ary maro no nifindra toerana.”

Mpanoratra Ndesanjo Macha

3 hevitra

  1. Tomavana Miteny hoe:

    Tany aminao no isan’ny nalehan’ny saiko raha vao naharay ireo vaovao avy any Afrika Atsimo ireo. Mirary soa hatrany

  2. Yuji Miteny hoe:

    Tsy i Afrika Atsimo irery no mankahala mpihavy.
    I Japana koa dia tena mankahala mpihavy.

    Raha ny zava-niseho tany Etazonia sy ny any Eoropa no jerena, dia samy miaro ny tenany mba tsy hidiran’ ny “mpihavy” be loatra izy ireo, saingy kosa manaiky ny hanome alalana an’ireo manampahaizana ambony avy any amin’ ny tany hafa mba hiasa eo amin’ ny taniny. Ny antony dia satria manome tombom-barotra ho an’ireo tany ireo ny manampahaizana avy any amin’ ny tany hafa raha miditra manao mpihavy.

    Ny any Japana kosa dia hafa lavitra noho izany no zava-misy.

    Lahatsoratra tao amin’ ny Daily Yomiuri :
    http://www.yomiuri.co.jp/iryou/news/iryou_news/20071126-OYT8T00178.htm
    (Ho avy amin’ ny manaraka ny dikany amin’ ny teny Malagasy)

  3. Pissoa Miteny hoe:

    Mankasitraka tomavana !

    Yuji : miandry ny dikan-teny :)

Hamela valiny