The Global Voices Lingua project hopes to bring GV content to new linguistic audiences - Details

Also in:

Firenena:
Mozambique
Lohahevitra:
Language
Teny:
Portuguese, Malagasy

 

Jorge Saiete no manapariaka ao amin'ny Debate e reflexão [Adihevitra sy fieritreretana] ny fahakavian-keviny manoloana ny fiheveran'ny sasany ireo fitenim-paritra ho toy ny fitenin'ny Satana ka tokony horarana mafy ny fampiasana azy dia ireo fiteny Xangana, Xitswa, Ndau, Nhugwe, Macua, ary Chuabo any Mozambika :

Considero as línguas nacionais, nosso património que merece a perservação de todos e a forma de o fazermos é transmitindo-as (línguas) aos nossos filhos.

“Heveriko fa vakoka nolovaintsika tamin'ireo razantsika ireo fitenim-pirenena [fitenim-paritra sy fampiasa talohan'ny nahatongavan'ny mpanjanaka Portiogey] ka mendriky ny hotandrovana, ary ny fomba ahafahantsika manantanterakaizany dia ny fampitana azy (ny fiteny) amin'ireo zanatsika.”

Hamela valiny