Malawi : Fisamborana olo maro noho ny “fanomana fanonganana” ny filoham-pirenena

Araky ny tatitra voaray dia manamboninahitry ny tafika sy mpitarika ny antoko mpanohitra maromaro no nosamborina tany Malawi noho ny fiheverana azy ireo ho “nanomana fanonganam-panjakana.” Kondwani Munthali izay sady mpanao gazety no mpiblaogy Malawiana dia mihevitra fa mandalo vanim-potoana mahaliana ary madiva hangotraka ny rano [ilomanozan'ny] pôlitika any Malawi. Avy any Lilongwe izay itoerany no anambarany :

Finally arresting people like Retired General Joseph Chimbayo, Joseph Aironi, John Chikakwiya, Humphrey's Mvula and Kennedy Makwangwala will not solve the current political impasse. I am hesistant to add the military officials also in the cooler for Treason. Some of us saw the signs of times, long time ago, but we chose to ignore it.

Political temperatures have reached boiling point, but it is the man in Karonga who has no food. I was in Lilongwe Kumachenga, when the MCP legislator was screaming that he cannot go to Parliament. I was happy when Bingu called for the talks only to be dejected later when he went on a political rally to reveal what was going on secretly.

I don't know where Malawi is going to as of today, arrests and intimidation seem to be much more like Kamuzu era not a democratic regime people opted for 15 years ago. I hope my country will wake up to realisation that leadership is more of a gift from God. Restraint and patience develop good leaders and not tempers. I hope in the next few years, posterity will prove many of us right in our decisions and be remembered as “great leaders” who brought impact on our people than sheer politicking.

“Tsy hamaha ireo olana mipetraka anivon'ny toe-draharaha pôlitika ankehitriny ny fisamborana ireo olona toa ny manamboninahitra misotro ronono Joseph Chimbayo, Joseph Aironi, John Chikakwiya, Humphrey Mvula ary Kennedy Makwangwala. Ary miahotra aza aho ny hanampy ireo rafi-pahefana miadidy ny tafika ao anaty ny lisitr'ireo mpamadika. Satria ny sasantsasany tamintsika dia efa nahatsikaritra zavatra ela saingy nisafidy ny hikipy.”
Efa madiva hangotraka [hihoatra ny vilany] ny rano pôlitika ankehitriny, mandritra izany fotoana izany tsy mahita hohanina ity lehilahy any Karonga. Tany Lilongwe Kumachenga aho, raha nihiaka ireo mpifidy nony nandre fa tsy hamonjy ny Antenimieram-Pirenena ny solotenan'ny antoko mpanohitra MCP [Malawi Congress Party]. [Isan'ireo] faly aho raha niantso fikaonan-doha i Bingu izay notsipahina taty aoriana rehefa nanala sarona izay zava-miafina nokobonin'ny sasany tao izy.”
Tsy fantatro mihitsy izay alehan'ny Malawi manomboka izao, ireo fisamborana sy ireo fampihorohoroana dia tsy misy hafa amin'ny fotoan'andro nitondran'i Kamuzu fa tsy mba izay rafi-pitondrana demôkratika izay nofidian'ny vahoaka efa 15 taona lasa izao. Faniriako ny hifohazan'ny fireneko ka hitsaharany ny hihevitra fa fanomezan'Andriamanitra ny fitondrana. Ny fahatoniam-po sy ny faharetana no mitaiza mpitondra tsara fa tsy izay fananana fasahisahiana. Fanantenako fa amin'ireo taona manaraka ho avy ireo, ny tarantsika dia hanome rariny ireo fanapahan-kevitry ny sasany tamintsika ary hahatsiaro azy ireny ho toy ny “mpitarika maherifo” izay nitondra fiovana teo amin'ny vahoaka tokoa fa tsy “adilahy” pôlitika fotsiny ihany.”

Mandritra ny lahatsoratra lava nosoratany ary nampitondrainy ny lohateny hoe “fitomaniana ny tany mamiko” [Cry the Beloved Country] no itsikerany ny fivoatry ny rivotra pôlitika izay heveriny fa tsy hanampy ireo tambanivohitra mahantra any Malawi. Vao herinandro vitsy izay no nisamboran'ny Pôlisy an'i Munthali noho ny fiheverana azy ho fototr'ireo fitenenan-dratsy ny filoham-pirenena nipoitra teto amin'ny Aterineto.
 

1 hevitra

Hiresaka koa

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.