Fanehoan-kevitra iray ao amin'ny A Fistful of Euros‘ mikasika ny fifidianana Serba: “Tsy nisy nanampo ny valim-pifidianana saingy hoy aho hoe misy hafatra tian-kampitain'ireo mpifidy araka ny fijery serba milaza fa tsy voatery hanaiky ny fahaleovantenan'i Kosovo vao tafiditra ao amin'ny Vondrona Eoropeana.” I Mark Mardell ao amin'ny BBC moa manaraka ny fifidianana ao amin'ny Euroblog - eto, eto ary eto. I Eric Gordy indray manaraka ny fifidianana ao amin'ny East Ethnia - eto, eto, eto ary eto. Manoratra i Gray Falcon fa “ny lala-tokana hahazoan'ny Demôkiraty fandresena amin'ny fifidianana dia ny fahfaha-mandingana ilay kajikajy milaza fa tsy ho azony ny maro an'isa ahafahana manangana governemanta.” Hoy ny mpamaham-bolongana Greater Surbiton ao amin'ny ny antoko radikaly Serba - sy ao amin'ny voka-pifidianana santatra hoe: “[…] Nametraka fanavahana tsara ity fifidianana ity satria na dia banga aza ny fanekena an'i Kosovo, dia voailika ihany koa ny fikororosi-fahana mankany amin'ny fitiavan-tanindrazana mihoa-pefy. […]”
- Firenena:
- Serbia, Kosovo
- Lohahevitra:
- Elections, Governance, History, Law, International Relations, Politics












Mpiblaogy Malagasy vavolombelona nanatri-maso ireo trozona niantsona k...
-
Atao akory fa "Traduttore, Traditore" hoy ny hain-teny Italiana n...
-
adinoko fa ny TROZONA amin'ny teny Malagasy dia BALEINE kosa amin...
-
Miala tsiny fa angamba amin'ny anglisy dia fianakaviana iray ny D...
Tohiny »