The Global Voices Lingua project hopes to bring GV content to new linguistic audiences - Details

Also in:

Zimbaboe : Miaramila Shinoa any Mutare ?

momba ny mpandika teny

2008-04-23 @ 0:30 UTC · Mpanoratra Ndesanjo Macha

Mpandika Tomavana


Firenena:
China, Zimbabwe
Lohahevitra:
War & Conflict, International Relations, Politics
Teny:
Malagasy, English

 

Curly no manontany tena izay antom-pisian'ireo miaramila Shinoa any Zimbaboe :

These blue suited marathon running highly trained policemen probably know the identities of the Chinese troops who have been reported as being seen on the streets of Mutare in Zimbabwe, after checking into a hotel resplendent with nice shining pistols. So why are the Chinese there? Have they been sent to protect and supervise the shipment of 77 tonnes of arms that is sitting off the coast of South Africa, waiting for someone to be brave enough to unload it? Are they the vanguard of a larger force that will help keep Harare’s streets quiet while Mugabe and the Zimbabwean electoral commission “officially” fiddle the result of the recent parliamentary and presidential elections?

“Angamba ry zalahy miankanjo “survête” manga mpihazakazaka sady mpitandro ny filaminana tena manana ny traikefany ireny dia mahafantatra tsara ny anaran'ireo [namany] miaramila Shinoa izay nisy nahatazana teny an'araben'ny Mutare any Zimbaboe, rehefa avy naka efitrano tany amin'ny hotely tsara endrika, no sady mirongo poleta mamiratra. Inona ary no ataon'ireo Shinoa ireo aty ? Moa ve nalefa mba hiaro sy handrindra ny fahatongavan'ireo fitaovam-piadiana 77 taonina izay eny amorontsiraky Afrika Atsimo izy ireo, eo am-piandrasana izay olona maherifò sy sahy mba hamoaka ireo avy tao anaty sambo ? Sa ve lohalaharana tafika maro an'isa izay mbola hanaraka avy ato aoriana, izay hampandry ny araben' i Harare raha i Mugabe sy ny ZEC [izay Sampandraharaha fanaraha-maso ny fifidianana any Zimbaboe | Zimbabwe Electoral Commission] mbola sahirana mangalatra “amin'ny fomba ofisialy” ny valim-pifidianana solombavam-bahoaka sy filoham-pirenena izay vao notanterahina vao tsy ela akory teo ?”

Mpanoratra Ndesanjo Macha

1 hevitra

  1. Global Voices amin´ny teny malagasy » Shina : Tohanan’ireo mponin’ny Aterineto Shinoa ny varotra fitaovam-piadiana hoan’i Zimbaboe Miteny hoe:

    [...] ireo fiadiana farany nafarana avy any Shina. Nahavelom-panontaniana ohatra ny fahatazanana ireo miaramila Shinoa any Mutare : hafiriana no hijanonany eto ary inona marina no andraikitr'izy ireo [...]

Hamela valiny