Haïti, Kôngô (R.D.K.), sy ny pôlitikan'ny kere

Ny fidangan'ny fisondrotry ny vidin-tsakafo dia efa nipoiran'ny pitik'afo izay nandrehitra rotaka tany Haïti, sy Egypta ary Mozambika, tamin'ity volana ity toy ny fihasarotan'ny raharaha dia tsy hamela fotsiny ny kere hianjady amin'ireo osa indrindra amam-tapitrisany fa hisedra koa ny fahosana sy tsy fahampian'ny traikefan'ireo fitondram-panjakana any amin'ireo tany mahantra menrana izao tontolo izao.

Manoina izany tranga izany ny mpiblaogy roa, ny iray Haïtiana ary ny iray kosa Kôngôley, tsy ny fanampiana ara-bola ararak'ireo firenena matanjaka amin'ny fitrandrahana ireo solika nosintonina avy amin'ny zava-maniry anefa no tsikerain-dry zareo voalohany – fa natombony tamin'ny tsikera an'ireo pôlitika sy ireo mpanao pôlitika izay namela ny fireneny tsirairay tsy misy fiarovana toy izao. Namabaran'izy ireo ary fa ireo rotaka izay efa niseho sy ireo izay mbola ho avy, toy ny lozan'ny kere, dia taratr'ireo olana rehetra izay lalim-paka ka tsy ho vitavitan'ny fanafan'ireo fanampiana avy any ivelany monja.

Natifnatal izay mpiblaogy vehivavy Haïtiana dia nanapariaka ny hatezerany, tamin'ny lahatsoratra izay mahavaky fo tokoa, raha nijery ireo tranga avy any amin'ny arivony kilometatra, avy any Abu Dhabi izay onenany izy, ny fiheverany ny tenany dia toy ny sesitany antsitram-pò. “Rehefa mitrandraka ny hanoanana ho fitaovam-pandresena ireo mpanao pôlitika” [quand les politiciens se servent la faim pour marquer des points].

Ces dernières semaines, Haïti est revenu à la une de l’actualité. Quelque loin que vous soyez, les nouvelles vous rattrapent, les imagent vous bousculent, le gêne vous serre la gorge, et la colère vous embrase. Vous êtes, en effet, en colère contre la manière dont votre pays est réduite dans la presse : à des laissés pour compte semant la pagaille, détruisant les rares magasins qui opèrent dans un pays qui ne fonctionnent plus depuis longtemps, posant des barricades enflammées, et lançant des pierres sur le Palais National. Vous êtes en colère parce les réponses qui vous sont posées par les étrangers qui regardent comme vous et qui n’en comprennent rien, sont impossibles à répondre. Faut-il commencer par 1492, parler de la découverte, de l’esclavage, de la prospérité de l’ex Perle des Antilles, de la lutte pour l’Independence, de Toussaint Louverture ? Ou faut-il conter la déchéance qui ponctue notre quotidien depuis 1804, l’occupation, la dictature, les massacres, la démagogie qui a revêtu des allures de démocratie avec Aristide, puis s’arrêter sur les kidnappings, les coups d’état, la pauvreté, l’indigence, et le désespoir qui nous hantent de façon quotidienne. Car ceux qui n’y connaissent rien le plus simplement du monde peuvent poser l’équation faim + pauvreté + hausse des prix = manifestations + démission du Premier Ministre + violence, et argumenter qu’une augmentation de l’aide alimentaire devait suffire à réduire la faim.

“Nandritra ny herinandro vitsy lasa izay dia niverina ho amin'ny matoam-pejy indray i Haïti. Na manao akory elanelan-tany manasaraka anao aminy dia tratr'ireo vaovao izay manenjika anao ihany ianao, ozokozonin'ireo sary, manakenda anao ny fahasahiranan-tsaina, ary farany dia mirehitra noho ny fahatezerana ianao. Misafoaka tokoa mantsy ianao, raha mamaky ny hakelezan'izay firenenao rehefa taterin'ireo gazety : andian'olo-mahantra tsy misy mpiahy izay mandroba, sy mamaky ireo tranombarotra vitsy izay mbola misokatra anivon'ny firenena izay efa nitsahatra ela tsy nihodina intsony, mandoro toha-dàlana, mitora-bato ny tranon'ny filoham-pirenena. Misafoaka ianao satria sarotra ny mamoka ny valinteny izay takian'ny fanontanian'ireo vahiny izay mifanena aminao, sady mba very hevitra koa manoloana izao raharaha izao. Moa ve mila atomboka amin'ny taona 1492 ny fanazavana, ny nahitana io nosy io “voalohany” indrindra, ny fanandevozana, ny famirapiratana ara-toekarenan'ity perla fahinin'ny vondronosy Antilles ity, ny tolona hoan'ny fahaleovantena, ny momba an'i Toussaint Louverture [maherifò sady ngezalahin'ny tolom-panafahana ireo andevo Haïtiana] ? Sa ve mila tanisaina ny fitontogan'ny andavan'androntsika hatramin'ny taona 1804, ny fanjanahantany, ny fitondrana jadona, ny fanaovana vono-moka, ny kobak'am-bava izay notafiana demôkrasia nanditra ny fitondran'ny filoha Aristide, dia avy eo mitanisa ireo fakana an-keriny, ireo fanonganam-panjakana, ny fahantrana, ny maha-fadiranòvana, sy ny famoizam-pò izay sedraintsika isan'andro vaky izao. Satria ireo izay tsy mahalala dia afaka mametraka fotsiny ny kajikajy tsotsotra kere + fahantrana + fisondrotry ny vidin'entana = rotaka + fionganan'ny Praiministra + herisetra, sy mihevitra fa ny fampitomboana ny fanampiana ara-tsakafo dia tokony ho ampy hampihenana ny kere.”

Mais vous qui connaissez Haïti, qui respirez encore son air en dépit de la distance, qui pleurez encore en silence quand vous avez un parent au bout du fil, vous savez que la situation est loin d’être aussi simple. Vous savez que ces manifestations ne sont pas innocentes, qu’il y a des mains derrière ces actes de violence, que ces soit disant revendications ne sont pas dues au hasard, que le renvoi du Premier Ministre ou l’octroi de l’argent n’arrangerait pas grand chose, et que ces manifestants ne sont que des pions entre les mains habiles des malades du pouvoir.

“Fa ianareo izay mahafantatra tsara an'i Haïti kosa, ianareo izay mbola mifoka ny rivotra ao aminy na dia elanelanin'ny halavirana aza, mbola mitomany an-tsokosoko rehefa miresaka amim-kavana an-telefaonina, ianareo mahalala fa tsy tsotra ny raharaha. Fantatrareo tsara fa tsy tongatonga ho azy ireny rotaka ireny, fa misy tànana miafina ambadik'ireny herisetra ireny, fa tsy kisendrasendra ireny fitakiana ireny, ka na ny fionganana'ny Praiministra na ireo tolo-bola fanampiana dia tsy hampiova zavatra firy, satria vatom-panorona ampelatanan'ireo fetsy izay tsy mihevitra afatsy ny handrombaka ny fitondrana ireny mpikomy ireny.”

Parce que vous la connaissez la froide vérité, vous en avez marre. Vous avez beau fuir ces manœuvres politiques, vous avez beau rompre avec Haïti, vous avez beau vous résigner à votre condition de « sans pays », il suffit de ces moments pour que votre pouls s’accélère, que votre cœur se met a palpiter, que vous avez envie de vous arracher les cheveux, de maudire le destin, et de vous rendre a l’évidence, pour la énième fois, que vous avez bien fait de vous en aller.

“Satria ianareo mahafantatra ny marina, no sady efa leon'izany. Na dia miezaka ny handositra ireny hafetsifetsena ara-pôlitika ireny aza ianareo, miezaky ny hanapaka fifandraisana amin'i Haïti, miezaky ny mitampify amin'ny maha- « tsy manana firenena fihaviana », indray mipi-maso amin'ireny fotoana ireny monja dia ampy hampiverina indray halakin'ny fitempon'ny fonareo, ny fonareo miha-mihazakazaka, ianareo zary te-hanongotra ireo voamasonareo roa, ka te hiantso tody, ary mamerina manamafy indray fa fanapahan-kevitra tandrify sady nety ny nandaozanareo an'i Haïti.”

Any amin'ny Repoblika Demôkratikan'i Kôngô, Musengeshi Katata no manapariaka ao amin'ny Forum Realisance, ny lahatsoratra nampitondrainy ny lohateny hoe “Tany Haïti androany. Fa hanerana an'izao tontolo izao rahampitso” [Aujourd´hui Haïti, demain toute la périphérie], raha mandinika ny toe-draharaha izay niseho tany Haïti sy Egypta.

Fakafakain'i Katata ny fifandrohizan'ny hasarotana ara-tsakafo ankehitriny, sy ny fahasimban'ny tontolo iainana manerana izao tontolo izao, ny fitombon'ny filàna angovo, solika notrandrahana avy tamin'ny zava-maniry, sy izay fomba ataon'i India sy i Shinaizay, izay fatra-pandroso fatratra saingy tsy mampiasa ireo teknolojia raitra farany mikasika ny fitsitsiana angovo, ary mandeha any Afrika hikaroka harena voajanahary.

Dia velom-panontaniana izy hoe “Nahoana i Afrika no dia ela vao tonga saina fa vao mainka aza hihasarotra izany [fampandrosoana] any aoriana any ?” sady maminany fa “ireo taona izay ho avy dia ho sarotra tokoa, sarotra loatra ka hampanontany tena antsika raha tsy any Afrika no misy ny helo” satria “toy ny efa fanaony, ireo firenena efa manankarena dia vao mainka hitambesatra amin'ireo firenena mahanatra ka hampitombo ny fahasarotana izay efa eny an-tsorony …”

Amin'ny faran'ny lahatsorany anefa, dia amin'ireo olomangan'ny Afrikana ohany no ametrahan'i Katata ny andraikitra lehibe indrindra, satria heveriny fa amin'ny taona izay ho avy dia “hipoaka avy ao anatiny ka ho rava ny ankamaroan'ireo fitondrana tsy mahavòa raha sy saribakoly” raha tsy mety tonga saina ry zareo fa miankindoha amin'ny tombotsoan'ny vahoaka ireo tombotsoany.

…le Tsunami, comme l´écrit un de nos confrères de l´Internet, va bientôt atteindre l´Afrique avec, comme le prédit la Banque Mondiale, de chaudes révoltes et des famines sans issues. Comment pouvons-nous présenter les choses pour que les élites noires et africaines comprennent qu´elles sont en train de dormir, et que leurs vues des choses est désastreuse et préjudiciable au bien être et à l´avenir des leurs ? Faut-il que les africains, les afrodescendants continuent toujours à se faire rouler par l´occident, et à négliger de voir les choses telles qu´elles sont au risque de subir, de décennies en décennies les graves vicissitudes chroniques du manque et de la pauvreté ? C´est à se demander : les noirs se refusaient-ils à réfléchir et tirer des conclusions utiles ou n´en étaient-ils pas capables ?

“… araky ny nosoratan'ny namana teto amin'ny Aterineto dia tsy ho ela intsony dia hihazo an'i Afrika ny “Tsunami,” manamarina izay noheverin'ny Banky Iraisampirenena [Banque Mondiale], manambara rotaka mavaivay sy kere tsy misy fanafany. Akory re no fomba hanambarantsika izany mba hamoha ireo olomanga Afrikana izay mbola sodrian-tory, sy hanazavana fa ny fomba fijerin'izy ireo dia sady lolomorina no hitari-doza hoan'ny mpiray monina aminy ? Moa ve efa anjaran'ny Afrikana, sy ireo taranaky ny Afrikana ny mbola hotsetsefin'ny Tandrefana, sy mikipy amin'ny zava-misy ka hisedra amam-polon-taonany maharitra ireo vokadratsin'ny tsy fisiana sy ny fahantrana ? Mampanontany tena hoe : moa ve mandà ny hieritreritra sy hamoaka tsoakevitra mahasoa ny mainty hoditra sa tsy afaka manao izany tsotra izao ?”

Tous les pays qui vivent de l´aide internationale, tous ceux qui n´ont pas développé à domicile leur propre agriculture sous l´aide et les promesses fallacieuses des pays industrialisés, vont connaître, dans les années qui suivent, de dures années de vache enragée. La crise économique que nous connaissons depuis bientôt 30 ans va s´accentuer et effriter les maigres moyens de tous les pays pauvres. Et ceux qui espèrent ou croient que l´aide internationale pourrait les aider à adoucir les choses se trompent encore une fois: cette aide, quoique soulageante, est un véritable poison si parallèlement, et cela malgré la misère et la pauvreté, un effort accru n´est fait pour pallier à ce genre de pénurie dans l´avenir. Parce que, avouons-le, l´aide corrompt et trompe bien les apparences ; ce qui empêche souvent, comme on le sait, de voir « l´arbre », le mal tel qu´il se présente et d´y remédier le plus judicieusement que possible. Par ailleurs, l´endettement des pays industrialisés actuellement est effrayante, et cela va provoquer prochainement, accumule au chômage, des crises sociales remarquables.

“Ireo firenen-drehetra izay miankidoha amin'ny fanampiana iraisam-pirenena, sy ireo rehetra izay tsy nitrandraka ao aminy ny fambolena fa nanatena ny fitapitaky ny toky nomen'ireo firenena mandroso dia hisedra fijaliana fatratra amin'ny taona maro ho avy. Ny krizy ekônômika izay sedraintsika efa ho 30 taona izao dia hihahenjana ka hikiky ny ambibava kely sisa am-pelatanan'ireo firenena mahantra. Ary ho diso fanantenana indray ireo rehetra izay manantena na mametraka ny fitokisany amin'ny fanampiana iraisam-pirenena mba hanamaivana ny vesatry ny hanoanany : ireo fanampaiana ireo, na dia atao aza hoe manamaivana izay mahararin'ny tsy fisiana sy ny maha-fadiranovana, dia tena poizina mihitsy raha tsy ampiarahina amin'ny fanarenana ny toe-draharaha mba hialana amin'ny fiverimberenan'ny voina toy izany amin'ny ho avy. Aoka isika samy hiaiky fa miteraka voka-dratsy sady mifono fitaka ny fanampiana; izay matetika manafina ilay « hazo » dia ilay faharatsiana arak'izay tena fitrangany ka manakana koa ny fitadiavana izay fanafana tandrify. Miampy izany koa, ny trosan'ireo firenena mandroso ankehitriny dia efa mihoa-pampana mihitsy, ka hanaampy ny lozan'ny tsy fisian'ny asa [efa hita ankehitriny] dia hiteraka krizim-piaraha-monina goavana hafa koa izany.”

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.