SIDA – Zava-pady sy mahamenatra ho an’i Arabo

Ny SIDA, syndrome immunodéficitaire acquis mahafaty, dia tsy firesaka any amin'ny tontolo Arabo. Saika ity teny mampivarahontsana ity anefa no novoizin'ireo blaogy maro tamin'ity herinandro ity – avy any Jordana, Iraka, Palestina, Bahran sy Yemena.
Hareega, jordaniana mpitoraka blaogy, izay mpitsabo no anton'asany, dia mitatitra ‘resaka manafintohina nifanaovany tamin'olom-pantany iray momba ny asany ao amin'ny toeram-pitsaboana miady amin'ny VIH:

Nanontany ny namana iray, ” Nanao ahoana ny asanao tamin'ity volana ity “
” Tsara, in-telo isan-kerinandro aho no nisahana ny VIH “
” VIH? SIDA izany?”
“Eny”
“Tandremo”
“Tandremo amin'ny ahoana?”
Toy ny adala no fijeriny ahy, ” Mitandrema amin'ity VIH ity”
” Nahoana aho no tokony hitandrina?”
“ie, tandremo, VIH anie io e, SIDA”
“Ka maninona aho no tsy maintsy mitandrina e? Tsy niara-nandry tamin'ireo marariko aho tao amin'ny toeram-pitsaboana “
” Fantatro izany ry ilay adalabe ity a, nefa tandremo ihany, Sida anie io e “
“Tsy hoe niara-nitsindrona zava-mahadomelina tamin'ny iray tamin'izy ireo aho “
” Fantatro fantatro, nefa tandremo ihany e”
” Amin'ny inona e?”
“Henoy, tsy lalim-pahaizana amin'ny resaka siansa aho (mazava be izany), nefa tokony mba hitandrina ihany ianao , na izaho no tsy maintsy hitandrina noho ny aminao “

Hareega no manohy:

Hatramin'ny 1 janoary 2008, tranga VIH vaovao miisa 22 no tsikaritra teto Jordana. Ny fahalalàn’ny olona momba ny VIH eo amin’ny Jordaniana, indrindra fa ireo “nahazo fahaizana”: Aotra, miiba aza.

Ilay irakiana Layla Anwar koa dia tezitra mafy tamin'ny fomba nentina namboraka ity lohahevitra ity teo amin'ny tontolo Arabo – na dia hita aza ny fihombon'ny aretina ao anatin'ny faritra. Teo ampijerena fandaharana iray momba izany tao amin'ny fahitalavitra, dia izao no tsapan'ny mpitoraka blaogy:

Volana maro lasa, izay nijery fandaharana tao amin'ny Al-Jazeerah momba ny VIH sy aretina hafa azo avy amin'ny firaisana aty amin'ny tontolo Arabo. Tamim-pahamalinana tokoa no niezahan'ny mpamokatra ilay fandaharana nitondràna ity resaka ‘saro-pady sy mahamenatra’ ity, ka nanolorany azy ho toy ny fandaharana ara-pinoana sy nanasàny mpanolotra ivelany izay manampahaizana manokana amin'ny resaka fahasalamana sy ny fandalinam-pinoana, dia ny théologie islamique.

Manazava i Layla:

Mitombo ireo mitondra ny otrik'aretina VIH aty amin'ny tontolo Arabo. Tsy misy mino izany ny olona nefa izany no zava-misy. Haintsika rehetra ny fomba fifindran'ny VIH sady fantatsika fa ny firaisana azo antoka sy ny sivana amin'ny toby fitehirizana ra dia adidy.
Tsy dia izay loatra no tena nanintona ny fifantohan-tsaiko tao amin'ilay fandaharana. Ny tena nahasarika ny saiko dia hoe ny VIH sy ny areti-mifindra azo avy amin'ny firaisana dia mirongatra koa eny anivon'ireo fanambadiana lahy sy vavy (hétérosexuels) aty amin'ny tany Arabo fa tsy mijanona fotsiny eny anivon'ireo mitovy nefa mifanambady (homosexuals).
Manampahaizana manokana momba ny aretin-koditra sy ny aretina mirongatra ilay nasaina. Ary ao anatin'ny sehatry ny asany dia mahita tranga maro be izy (izay tsy voalaza any anatin'ny antontan'isa ho an'ny daholobe) mahakasika olon-droa izay ny ankamaroany dia mpivady ara-dalàna, voan'ny aretina azo avy amin'ny firaisana ary indrindra fa ny VIH. Amin'ny 99%- ny tranga dia avy amin-dralehilahy vadiny no nahavoa an'ilay ramatoa. Vady izay tsy niaro tena nandritry ny firaisana ara-nofo ivelan'ny tokantrano, tamin'ny vehivavy hafa ary indraindray aza dia tamin'ny lehilahy hafa. Amin'ny 99%-ny tranga, ny lehilahy izay mihevitra azy ho matanjaka no mandà ny hevitra fiarovan-tena, izany hoe ny fampiasàna fimailo (préservatifs).
Noho izany , rehefa nody Ing.Lavatongotra, tonga avy nanao raharaham-barotra, na avy any amin'ny fitsangatsanganany nandritry ny alina dia nanolotra oroka mahafaty ho am-badiny/na izay olona miaraka aminy.

Hoy i Layla momba ilay zava-pady mahamenatra:

Mazava ho azy fa fantatrao hoe tena zava-pady mahamenatra tokoa ho an'ny tontolo Arabo ny amin'io resaka iray io. Betsaka ny finiavana mody tsy hijery azy ity ary maro ny ezaka ho fanamarinana azy, ka manjary toy ny hoe ” ny fiaraha-monintsika silamo dia tsy itrangan-javatra toy izany”,” fafao dia asitriho any ambany tsihy any, ary aza avela ho fantatry ny mpifanolo-bodi-rindrina akory” – no mety hosainin'ny olona.. etc. Matevina loatra ny rindrin'ny fomban-drazana sy ny kolontsaina ka mampanano-sarotra ny firesahana ity zavatra iray ity eny imasom-bahoaka izay lazaina mihitsy fa “resaky ny mitongilana, vetaveta sy tsy ara-moraly”…
Mandritra izay fotoana izay, maty an-katakonana sy mangingiana any ireo voan'ny SIDA, ahiboka anaty efitra feno henatra sy fahatsiarovan-tena ho olon-doza.

Amal A., avy any Palestina, dia manindry mafy ny resaka SIDA, raha milaza ny loniloniny amin'ny nataon'ny fitsarana tamin'ny tranga iray tany Egypta, raha hoy ity procureur iray nilaza tamin'ny olona iray isan'ny tafiditra amin'ny raharaha, raha nilaza taminy ilehio fa mitondra ny otrikaretina VIH : ” Mendrika hodoroana velona ny olona tahaka anareo. Tsy mendrika ny hiaina ianareo.”

Mila manana fonja maro i Egypta raha handefa any am-ponja ireo lehilahy Egyptiana manambady lehilahy rehetra,. (…) Ny fanaovana ny SIDA ho toy heloka bevava mira fahapotehana!!! Ny fanaovana zanak'Ikalahafa sy fijerena ireo mitondra ny otrikaretina VIH sy voan'ny SIDA ho toy ny demony dia tsy hanampy ny fiarovana ny Egyptiana. Saingy eto tsy resaka hoe fiarovana ny Egyptiana tsy ankanavaka, fa momba ny mpisolo vaika ny fitondrana malemy hanamafy ny fahefany amin’izao rehetra .

Saingy efa manomboka miova miandàlana ny zava-drehetra ary efa mba tsara aloha izay. Hankany Le Caire i Butterfly avy any Barhain atsy ho atsy hanatrika ny “Mpanakanto mahaleotena/Mpitoraka blaogy mandinika ny SIDA any amin'ny faritra Arabo” (Independent Artists/Bloggers Responding to AIDS in the Arab Region).

وستضم الورشة مجموعة من المدونين والمبدعين العرب في مجال التصوير وصناعة الافلام السينمائية وغيرها من الفنون الإعلامية.
هذه هي المرة الأولى التي سيتسنى لي فيها حضور فعالية تخص برنامج الامم المتحدة الانمائي في البحرين، كما ستكون المرة الأولى ايضا التي ستتاح لي فيها فرصة اللقاء بالمدونين والمبدعين العرب من مختلف الاقطار العربية. وسأشارككم بالطبع بما سأكتشفه من اسرار ودهاليز تتعلق بهذا المرض المخيف الذي لايزال الحديث عنه محظورا في معظم دولنا العربية.

Ny atrikasa dia hitarihana ny mpitoraka blaogy sy ireo Arabo mpamorona amin'ny tontolon'ny sary, fanatontosana sarimihetsika sy fomba fampitam-baovao hafa manana endrika ara-taokanto.. Voalohany izao no mba hanatrehako hetsika karakarain'ny UNDP Sampan'asan'ny Firenena Mikambana momba ny Fampandrosoana any Bahrain sy hihaonana amin'ireo mpitoraka blaogy ary mpanakanto maro avy amin'ny tany Arabo. Ho zaraiko aminareo izay zava-miafina azoko any momba ity aretina mampivarahontsana ity na dia voarara aza ny miresaka momba azy ity amin'ny ankamaroan'ny firenena Arabo.

Ary farany nefa tsy izay maivan-danja indrindra, Armies of Liberation, manome rohy mankany amin'ny loharanom-baovao momba ny zava-tsy mampino hitsaboana ny Sida amin'ny zava-maniry, hita tany Yemena izay ambara fa manana ny fanàfana amin'ity virus mahafaty ity.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.