Fampielezan-kevitra anaty tranonkala ho an’i Obama mampizarazara ny mpitoraka blaogy Etiopiana

Nanambatra ny hery ara-politikany ny Diaspora Etiopiana any Etazonia, manomana tranonkala, fihaonana sy fampielezan-kevitra amin’ny mailaka mba handresena lahatra ireo mpiray fiaviana aminy hanohana ny fihazakazahan’i Barack Obama ho filoham-pirenena.
Etiopiana maro mpitoraka blaogy no tonga namaly ny antso, nampanantena vola sy vato ho an’ny mpilatsaka Demokraty izay avy any Kenya no fiavian’ny rainy, firenena iray mpifanolo-bodi-rindrina amin’i Etiopia.
Nefa velom-panontaniana momba ny fampielazan-kevitra ihany ny sasany, hoe azo andrandraina ve ny hirohotan’ny Etiopiana-Amerikana hifidy ilay mpilatsaka.
Mitarika amin’ity resaka Obama ity ny blaogy vaovao iray Etiopiana ho an’i Obama izay milaza ao anatin’ny Ethiopians Journey for Hope hoe :

Ny ankabeazan’ny Etiopiana niondrana aty Amerika dia ny hitady ilay nofinofy Amerikanina—nofinofy hanana fiainana tsara kokoa sy lalana iray vaovao. Betsaka no tonga aty Amerika miaraka amin’ny finoana lalim-paka fa hahatanteraka ny fampanantenana asehon’i Amerika hita vatana; voaozona tsy maintsy hahatanteraka ity nofinofy ity ka ny fanantenana no mba fitaovana enti-miady. Ny Etiopiana—toy ny Amerikanina rehetra—dia miombona amin’ny hafatr’i Barack Obama, hafatra milaza fa ny fiainantsika dia mifamatotra amin’ny fikambanambentsika tsy hita fetra.

Ethiounited manondro sarimihetsika ao amin’ny YouTube-n’ireo Etiopiana_Amerikanina miresaka mandritry ny fanokafana ny fampielezan-kevitr’i Obama.

Vola be no nomeko ho an’ny fampielezan-kevitra [Obama] noho izaho tsy manana fotoana hidifiana amin’ny asa mba hirotsaka antsitra-po any amin’ny foiben’ny fampielezan-kevitra any Chicago, na dia efa nandefa antso an-telefaona maro aza aho tamin’ny fampielezan-kevitra isaky ny ‘primaire’.

hoy Bernos ao amin’ny Iray minitran’i Obama. Bernos koa dia seriny nandika ny tenin’i Obama hoe ‘Eny azontsika atao’ ho amin’ny teny Amharic, iray amin’ireo teny fampiasa ao Etiopia, ho an’ireo sokajy kinendry manokana amin’ny fampielezan-kevitra.
Ethioblog niresaka manodidina ny fahadisoam-panantenany miavosa niaraka tamin’ny ankolafy Clinton ao anatin’ny ‘Fidarabohana ho an’i Clinton’ sy ‘Ny fiboredik’i Clinton’. Ethiopian Politics Blog dia manondro sarimihetsika YouTube iray mamaritra an’i Obama ho toy ny ‘sary velon’ny nofinofy Amerikanina”
Fa i Abesha Bunna Bet dia mandefa feo fampitandremana mafy amin’ny hoe Samy Etiopiana adala amin’i Obama:

Ry Etiopiana. Tsy andiana biby fiompy mila tari-dalana akory isika. Tsy misy vondrona afaka mibaiko antsika (Etiopiana na tsia) hoe iza no hofidiana sy ny nahoana. Ary ny hoe ‘nahoana ‘ dia isika tsirairay no tokony hitady ny valiny, fa tsy ny olona izay mitady hanararaotra antsika amin’ny resaka lovan-drazana.

Ny famelan-kafatry ny mailak’i Tobian ThinkTank dia fenon’ny ‘Obamaganda’ nalefan’ireo namana sy ny fianakaviana. Rehefa namaly azy ireo ny mpitoraka blaogy, ka nilaza fa manohana an’i Hilary Clinton izy, dia valinkafatra masiaka no setriny azony.. Ao anatin’ny Izany indrindra, tsy maintsy io sekolin’ny vehivavy mifanambady io… dia hoy izy:

Zavatra iray manaitra tiana hotsipihana momba ny hoe iza no nandefa tamiko ireny mailaka ireny dia izao, avy amin-na olo-mainty daholo izy rehetra. Ny namako vehivavy ary mainty rehetra dia samy manohana an’i Clinton daholo … Mieritreritra aho fa i Hilary & Obama dia mety manan-javatra ikambanana ihany. Nosamahan’izy ireo avy eo afovoany midina hatrany ambany indrindra ny antoko Demokraty, ary eo an-tanan-dry zareo ny ho avin’ny antoko, ary ny firenena manontolo manaraka eo koa. Noho ity firenena ity efa eo ampototry ny fitambotsorana, hoy ny hevitra navoakan’ny mpiara-miasa amiko iray, saino hoe i Hilary no filoha, Obama no filoha lefitra ary Bill Clinton no ‘lohany’ ( ?). Fanjakana matanjaka ve izany, sa fanjakana matanjaka?

Lazain’i The Mongrel hoe nahoana izy no miahiahy an’i Obama, na dia eo aza ny haavon’ny fanohanan’ny vahoaka ity mpilatsaka avy amin’ny Afrikana-Amerikanina ity
.
Ao amin’ny Conspiracy Brother dia hoy izy:

Rehefa dinihana lalina dia mba misia ianareo mametraka ny tananareo eto amiko azafady ary milaza amiko fa hoe OK ny maha-mainty ary tsy hifidy an’i Obama…Eritreretiko fa izany no nimatimatesako mafy tao anatiko. Tsy ho izany na ny trangan’ny OCD intsony: -0

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.