Bahrain:Fahafatesana polisy nampizara mpitoraka blaogy

Vao niandoha ny herinandro dia polisy Barhaini iray, Majid Asghar Ali, 27 taona, no maty raha nisy nanafika ny fiara mpanao fisafoana iray ary nirefotra ny basy tao amin’ny tanana iray antsoina hoe Karzakan. Haingana tokoa ny mpitoraka blaogy avy ao Barhain nitondra fanamarihana.

Tohina mafy i SoulSearch:

Fa inona no nitranga halina? Fa inona no nanosika ireo andiana gaigy teo amin’ny 30 na 40 teo ireto hanao ny nataony iny alina iny? Fa inona no mitranga eto Barhain? Rahoviana ny olona maniry mba hatory tsara no ho afaka handeha hiasa ny ampitso ary hahazo fivelomana mendrika? Mamaha olana ve ny herisetra? Maty i Majid Asghar Ali avy amin’ny polisy. Noho ny inona? Manampy an’i Barhain ve izany? Mitondra zava-tsoa ve iny herisetra iny? Hatairana tanteraka no namakiana ny gazety androany maraina. Saiky kendan’ny kafe sy ny sandwich nohaniko mihitsy aho! Andriamanitra anie hanampy antsika. Fa hoa aiza isika ity e? Ry Vahoaka tony. Tsy tianao ny hitsimbadika ho Libanona hafa. Matokia ahy. Fiadanana ho an’i Barhain.

Toy izany koa i Naz:

>Sorena aho. Sorena, tohina, fanina misaina fa misy vondron’olona mahita ny fihetsika toy izao ho azo ekena, na ny ratsy kokoa, azo hamarinina! Fa inona no tsy mety ao amin’ny olona ao e? Ankehitriny na izaho aza dia toa zazabodo amin’ny ara-politika (tsy mahay ny fitsipi-dalao), ary mahafaly ahy ny mahatsapa izany, nefa inoana fa misy lalana hafa tsaratsara kokoa azo itondrana fanakianana noho ny famahana olana toy ny zaza 6 taona? Lalana hafa noho ny fandoroana, fandratrana, famingampinganana ? tsara lavitra noho ny herisetra ? Izaho irery ve no maniry ny ho an-trano? Ho afaka hibanjina ho avy mamiratra ho an’ny fireneko sy ny mpiray tanindrazana?

_i Butterfly dia mahatsiaro ny nahafaty ilay mpanao fanehoan-kery iray, Ali Jassim Makki,tamin’ny desambra, ary mametraka ireo fahafatesana roa ho eo an-damosin’ny sectarianism:

اليوم ماجد أصغر علي وبالأمس علي جاسم مكي.
وكل ما يعني البعض هو اختلاق الذرائع وتوزيع الاتهامات .. اما بالنسبة لهم فلم يعد مهما من يدين من ومن يلصق التهمة بمن .. لم يعد مهما ان يشحذ بعضهم الهمم لإثبات ان كان الضحية خائن أم شهيد آخر من شهداء الوطن.
فهؤلاء من فقدوا ابنائهم بين ليلة وضحاها بسبب ذنب لم يقترفوه ولم يقترفه صغارهم هم من أصبحوا ثكلى وأرامل ويتامى .. هؤلاء من سيحتفظون بسرادق العزاء في ذاكرتهم لا لثلاثة أيام ولا لأسبوع بل الدهر كله .. هؤلاء هم من يدفعون ثمن جرائمكم .. طائفيتكم واحقادكم .. طائفية عنصرية تفرق حتى في الموت بين نفس ونفس وفقا لجنسيتها وعقيدتها!

Androany i Majed Asghar Ali ary omaly i Ali Jassim Maki. Ary ireo izay rehetra voakasika dia mamorona fialan-tsiny na fiampangana. Ho an’ireny olona ireny, tsy zava-dehibe ny miampanga ny hafa sy ny manilika andraikitra… Ho azy ireny dia tsy zava-dehibe ny fanaporofoana hoe mpamadika ve ilay olona maty sa maherifon’ny firenena. Ireo namoy ny iray tamin’ny zanakalahiny, tanelanelan’ny firotsahan’ny alina sy ny mangiran-dratsy, noho ny hadisoana tsy nisy nidiran’izy ireo na ny zanany akory, no nifoha tanaty fisavoritahana, lasa mananontena sy kamboty. Izy ireo no hibaby fisaonana, tsy ho telo andro na iray herinandro monja – fa ho mandrakizay. Izy ireo no handoa ny vidin’ny helokareo, ny sectarisme-nareo sy ny fialonanareo. Sectarisme mpanavakavaka izay manavaka hatramin’ny fanahy aorian’ny fahafatesana, manasokajy ny olona araka ny zom-pireneny sy ny sekta misy azy.

Manama Republic dia mampitaha ny fiainan’ireo mpampiseho hery any Karzakan amin’ny an’ny polisy, izay saiky avy ao Balochistan:

أولئك الفتية ولدوا في مثل السنة التي ولد ماجد فيها، وذهبوا إلى مثل المدرسة الثانوية التي ذهب إليها. ولكنهم لم يسمح لهم يوما، حتى في أحلام يقظتهم، بأن يجدوا في الخدمة العسكرية والبزة العسكرية وحمل السلاح، إشباعا كافيا، ماديا أو معنويا. كان لماجد الذي ولد في بلوشستان شرف إرتداء زي القوة الخاصة. ولم يكن لأي من الذين ولدوا في كرزكان إلا إرتداء الصدر العاري والمولوتوف. ولم يكن زيهم هذا مختارا.

Ireo tanora ireo dia samy teraka tamin’ny taona nahaterahan’i Majid ary nandeha tany amin’ny sekoly ambaratonga faharoa, mitovy amin’izay nalehany ihany. Saingy tsy navela izy ireo, na dia tanatin’ny andro nampanonofy aza, mba hanao raharaha miaramila, hisalotra fitafy miaramila na hilanja fiadiana, ara-bakiteny sy ara-moraly. Ny voninahitra hijolotra ny fitafin’ny Hery Manokana dia ho an’I Majid, ilay teraka tany Balochistan. Ho an’ireo teraka tany Karzakan, tsy maintsy ny tratra beny sy ny Molotovs no miasa – tsy hoe safidy akory.

Na izany aza, tsy ny rehetra no resy lahatry ny tantara ofisialy momba ny nahafaty an’i Majid Asgar Ali. Ebtihal Salman niahiahy fa:

…لا أحد يمكن أن يشهد على هذا القتل ويؤكد وجود الجثة بل ويؤكد انها لجندي كان متواجداً في مكان الحادث، لا أحد يشهد للعروسة غير أمها (وزارة الداخلية). قبل أن نندفع لمناقشة الأسباب والنتائج والمواقف.. من يؤكد حصول هذا القتل أصلاً؟

Tsy nisy olona vavolombelon’iny famonoana iny ka afaka manamarina ny fisiany ary hoe an-na miaramila, teo amin’ny toerana nisehoan’ny tantara. Tsy misy afaka milaza na inona na inona momba ny fofombady, afa-tsy ny reniny (Ny Ministeran’ny Atitany). Alohan’ny hiadiantsika hevitra momba izay antony, ny ho fiantraikany ary ny toerany … iza no afaka manaporofo fa nisy ity famonoana ity mba ho fanombohana?

Haythoo, mpikatroka amin’ny politika, dia naneho koa ny tsy finoany ny tantara naroson’ny governemanta

مـسرحية جديدة من وزارة الـداخلية, لـجر الساحة البحرينية لـحرب أهلية, و إعتقال المزيد من الناشطين! … ما معنى أن تكون السيارة تحترق لوحدها و فردين من المخابرات واقفان و يطلقان الـنار؟ لماذا لم يصابا بأذى, و كيف لما يقومان بإنقاذ صديقهما؟

Tantara an-tsehatra vaovao noforonin’ny Ministeran’ny Atitany mba hisarihana ny Barhaini ho amin’ny ady an-trano ity no sady koa ho enti-manamarina ny fisamborana ireo mpikatroka! Inona no ilazana fiara mirehitra ho azy fotsiny eo ka eo akaikiny eo misy mpanome vaovao mitsangana, sady mitifitifitra? Ary nahoana izy ireo no tsy naratra sy koa ahoana no tsy nanomjy ny namany?

Hoy koa izy anaty hafatra iray hafa:

…لا أعتقد إن الشاب قد قتل في موقع الحادثة! لـيس هدفنا الـقتل, و لـيس من عاداتنا الـقتل, و لا نـريد لـدم أن يـسفك.. نريد حقوقنا لا أكثر.

Tsy mino aho hoe teo amin’ny toerana nisian’ity tranga ity no nahafaty ilay zalahy io! Tsy tanjontsika ny famonoana sady tsy isan’ny fanaontsika. Tsy tiantsika ny mampandriaka ra… ny hany tadiavintsika dia ny zon-tsika.. tsy misy afa-tsy izay.

Mahmood kosa dia leon’ireo mpitari-kevitry ny fiokoana:

Iza no hahita tombontsoa amin’ny fampiasan-kery? … Ary ny finoan’ny mpangataka dia isika mba hahita olona hahay hanadino ity fihetsika ity na handa mafy hatramin’ny farany. ‘Ny azy’ apetraka eo amin’ny toeram-boninahitra ho toy ny tsy nanao hadisoana velively, raha ny mifanohitra amin’izay kosa, azeran’izy ireo amin’ny governemanta daholo ny tsiny rehetra ary iniany tsy jerena izay hany tsara mba vitan’ity farany. Eny, manana olana isika, saingy tsy maintsy apetraka ao anaty an-tsaintsika ny lala-mahitsy mba hahay hanavaka ny diso tokoa isika rehefa mahita izany, tsy ijerena hoe iza no nanao azy. Tokony hariantsika koa ireny vongan-kevitra raiki-tampisakin’ny fiokoana izay ampiasain’ny sasany entina manamarina zava-diso ireny. Anatin’ity ohatra iray notsongaina ity, misy afaka mitondra sarisary mitombona ve ahafahantsika mahita kasinga hoe ny governemantantsika no manosika ny olona hitoraka Molotovs an’ireo fiarany mitondra polisy ary manao sorona ain’olona ka mandefa ny sasany tsotra izao ho eo anoloan’ny loza mba hahatsara jery (hahazoana isa) ?? Tsy hadisoana be vava izany? […] Ampy tena ampy. Amin’ny lafiny roa. Te hiaina anaty firindrana ankosotra isika mba ho endrika ivelany ihany. Tsy manampy velively na dia kely aza ireny asan-jiolahimboto sy heloka be vava ireny. Ny rehetra, na dia ireo antsoina hoe mpanohitra aza dia tokony hivoaka sy hanameloka ankarihary ireny heloka be vava ireny.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.