Emgee ao amin’ny Qatar Living (miaina i Qatar) no manome rohy amin’izay tantarain’i Al Jazeera izay milaza fa:
“Nisy fiaramanidina mpiady Amerikana iray tra-doza tao amin’ny tobim-pamaharana tao al-Udeid any Qatar. Nanana olana ara-teknika ilay mpandatsaka baomba B1 teo ampidinana ary nipoaka raha vao nikasi-tany tao amin’ny toby miaramila izay miala tokony ho 35km avy eo Doha renivohitra tamin’ny Zoma alina.”