Hatrizay hatrizay, efa aman'arivorivon-taonany lasa izay, Bahrain dia tanim-pilaminana izay ifangaroan'ny mponina maro samy hafa finoana, sy fiaviana. Tao amina tanàna tranainy iray, i Ràn'i Kristy (Ar), mpiblaogy iray avy ao Bahrain dia nahita sary iray izay mampiseho fiainana mirindra anatina fahasamihafàna.
Fiainana mirindra anatina fahasamihafàna ao Bahrain.

I Ràn'i Kristy, dia nametraka io sary etsy ambony io, ary nanamarika fa :
استوقفتني هذه الصوره لما تحمل من معاني مخبئه وراء هذه الحشد من المباني المتراصه التي كثيرا ما كنت امر عليها دون ان اتنبه لدلالتها .
- الدائره الاولي علي اليسار هي لجامع الفاروق للطائفه السنيه .
- المساحه المفتوحه هي مقبره ومسجد تابع للطائفه الشيعيه .
- اما الدائره الصغيره التي ترونها فهي عباره عن حائط يحمل صليب الكنيسه الانجيليه .
Nanaitra ahy io sary io noho ilay marika miafina ao ambadiky ny tranobe. Im-betsaka aho no nandalo teo amin'io toerana io fa tsy takatro hatrizay ny tena heviny.
- Ilay faribolana voalohany etsy ankavia dia maneho ny môsken'i Al Farooq izay ho an'ny vondrom-pinoana sonita.
- Ilay toerana malalaka indray dia ny fasana sy môsken'ny vondrom-pinoana siita.
- Ilay faribolana kely kosa dia ny tamboho mitazona ny vokovokon'ny fiangonana anglikana.
Izany dia ahafahana mitaratra ny haavon'ny fahaizana miara-miaina ao amin'izany faritra izany ; efa ho maherin'ny 100 taona moa izay no nisian'izany drafitra izany tao. Tao amin'ny sombin'izao tontolo izao ihany, izy ireo no tafahaona.












Fanamelohana ho faty ireo tantsaha malagasy noho ny aditany...
-
Misotra ny Jentilisa aloha nandika ity post ity mailaka dia maila...
-
Manaraka izany, tena manomboka mampiahiahy tokoa ankehitriny ity ...
-
Tsy maintsy manambara ny hevitro aho etoana ! Araka ny fijeriko n...
Tohiny »