The Global Voices Lingua project hopes to bring GV content to new linguistic audiences - Details

Also in:

Firenena:
Cote d'Ivoire, Mozambique, Senegal
Lohahevitra:
Governance, Protest
Teny:
Portuguese, Malagasy

 

Carlos Serra monina any Maputo, Mozambika no manapariaka ao amin'ny blaogy diário um sociólogo [diarin'ilay mpandinika fiaraha-monina] ireo hetsika sy fikomiana ho fanoherana ny fisondrotry ny vidim-piainana, tamin'ity indray mitoraka ity dia tany Senegaly sy Côte d'Ivoire no nitrangan'izany, nohon'ny fidangan'ny fisondrotry ny vidin-tsakafo. Maminany ity mpandinika ny fiaraha-monina [sociologist | sociologue] sady mpiblaogy ity fa tsy izao hetsika izao no ho farany :

Recordo que manifestações do mesmo tipo realizaram-se recentemente nos Camarões, no Burkina Faso e no nosso país.
Prevejo que o fenómeno se vai generalizar no nosso continente.

“Tsaroako fa nisy hetsika sahala izay nitranga vao tsy ela tany Kamerona sy Burkina Faso ary aty amin'ny firenentsika [Mozambika].
Maminany aho fa amin'ny ho avy, dia hipariaka hihanaka amin'ny kontinantantsika [Afrika] manontolo ny toe-javatra toy izany.”

[Lahantsoratra efa notaterina teto ihany mikasika ireo hetsika sy fikomiana nohon'ny fisondrotry ny vidim-piainana any Afrika : Fanoherana ny fiakaran'ny vidin-tsakafo any amin'ny firenena maro]

1 hevitra

  1. Global Voices amin´ny teny malagasy » Haïti, Kôngô (R.D.K.), sy ny pôlitikan’ny kere Miteny hoe:

    [...] dia efa nipoiran'ny pitik'afo izay nandrehitra rotaka tany Haïti, sy Egypta ary Mozambika, tamin'ity volana ity toy ny fihasarotan'ny raharaha dia tsy hamela fotsiny ny kere [...]

Hamela valiny