Mipariaka toy ny alondrano ireo lahatsary mikasika ny Andro Iraisam-Pirenena hoan'ny Rano

Zen water by darkpatator
Rano tony [Zen Water] sary nindramina tany amin'i darkpatator

Nanomboka tamin'ny fivoriamben'ny Firenena Mikambana mikasika ny Tontolo Iainana sy ny Fampandrosoana izay notanterahina tany Rio-de-Janeiro tamin'ny taona 1992, dia tapaka fa hankalazaina isan-taona, isaky ny faha-22 Martsa ny Andro Iraisam-Pirenena hoan'ny Rano [World Water Day | Journée Mondiale de l’eau]. Ho fanampin'izany, ankalazaina mandritra ity taona ity ny taona Iraisam-Pirenena ho fanentanana amin’ny fampiasana toeram-pivoahana sy fidiovana manara-penitra [International Year of Sanitation | Année Internationale pour l'assainissement] ary vahoaka marobe no indray nanao hetsika sy nandika lahatsary hitantarana izany, mba hanaitra ny rehetra amin'ny maha-sarobidy ny rano izay mety lany koa.

Voalohany indrindra, ny lohahevitra mikasika ny tolotra rano madio fisotro : dia misy ny Amman Imman: Tetikasa Aina ny Rano [Water is Life program] izay mifantoka amin'ny fampitaovana tolotra rano madio fisotro maharitra ny faritra isan'izay tena hay indrindra eran-tany. Any amin'ny faritra Andrefan'i Afrika, any amin'ny faritry ny lohasahan'i Azawak no ifantohan'ny asan-dry zareo, maharitra 9 volana isan-taona ny tsy fisian'ny rano any, any dia matin'ny hetaheta nohon'ny tsy fisian'ny rano ny mponina. Amin'ny lahatsary [Anglisy] io ambany io, Ramatoa Ariane Kirtley izay mpamorona ny fikambanana Amman Imman dia mitantara momba izy traik'efany any Azawak any amin'ny faritry Niger, ny antony nananganany ity fikambanana ity sy izay fomba nitarihany ireo mpianatra hanohana ny tetikasany.

Avy eo, Witnesses ´The HUB [Ivon'ireo Vavolombelona] izay manana sampana manokana mifantoka amin'ny fankalazana ny Andro Iraisam-Pirenena hoan'ny Rano : Mpanao lahatsary antsitra-po [VideoVolunteers] any Mumbai dia ahitana izay fiantefan'ny fandinihan'ny mpiara-monina ao amin'ny “bidonville” iray izay tetikasa hametrahana ny tolotra rano hoan'ny orinasa mahaleotena [izany hoe tsy am-panjakana intsony] izay nanana fiantraikany tokoa tamin'ireto mpijery izay niara-nanao rodobe tany amin'ny fivoriana momba ny rano izay nokarakarain'ny mpitondra fanjakana sy nitaky ny fitantanana mangalahala momba ny fifidianana izay ho orinasasy izay ho vidiny, fanatsarana ny tolotra rano no vokatr'izany. Ity lahatsary iray manaraka ity dia amin'ny teny Hindi izay miampy dikasoratra mivantana amin'ny teny Anglisy.

Avy any Meksikô ny lahatsary farany, mpanjifa maro avy any Jalisco no nanapariaka lahatsary izay mitory ny fandotoana ny renirano Lerma Santiago any El Salto sy Juanacatlan any amin'ny faritany Jalisco, Meksikô. Ny lahateny izay manazava ny lahatsarin'i Buitron2611 [Espagnôla] ahitana rano mirongotra rôtra maitso lokom-paty dia olona mitantara ampahibemaso mikasika ny fanjakana izay mivarotra tany amoron'io renirano voaloto io izay efa niteraka homamiadana hoan'ny olona sasany, na dia mandà mafy ny fisian'izay loza aza ny fanjakana. Ny lahatsarin'i Imdecagua [Espagnôla] dia tafatafa nifanaovana tamin'ny marary voan'ny homamiadana sy ny fianakavian'ireo izay matin'izany aretina izany, izy ireo dia samy miampanga daholo ny rano voaloton'ny renirano ho fototr'aretina homamiadana sy aretina hafa sedrainy. Iaraha-mahalala fa ireo orinasa any amin'io tanana'i Guadalajara dia mamalana ireo rano avy nampiasainy avy hatrany fa tsy misy fitsihifana sy fandiovana mialoha, any amin'ny renirano, mandrak'androany dia tsy mbola nisy hetsika natao hanarenana sy hanatsarana izany toe-javatra izany. Tena mahatsikaiky tokoa raha ny hatevin'ny rôtra izay nateraky ny “chutte d'eau” [waterfall] izay eo ampovoan-tanana, entin'ny rivotra ary dia mandrakotra ireo fiarakodia ary mampahatsiahy izay mety ho loza ara-pahasalamana amin'ny fipetrahana amoron-drenirano. Na dia ireo mpianatry ny sekoly ambaratonga faharoa aza [Espagnôla] dia namboatra lahatsary manokana hitantarany izay fomba ampiasan'ny mponina ity rano voaloto sady maimbo hanondrahana tanimboly sy hikarakarana sakafo. Arahin'ny lahatsary fohy napariaky aletapatio [Espagnôla] ahitana ny rôtra matevina izay mandrakotra ny renirano.

Raha maniry ny hahalala bebe kokoa momba ny rano sy hahita lahatsary manazava izay fomba mety hiarovana azy ianareo dia vangio ny vohikala 1h2o.org any no hahitanao ny fitarihan-drano, fiara hetsehin'ny herin'olombelona izay sady mitahiry no mitsihika sy manadio rano sy ny Lifestraw, izay fitaovana mandio ny rano eo am-pitsetsefana azy, vahaolana izay mampahatsiahy ahy ny hatsilon'ny sain'ny mpamorona izay tsikaritro teo aloha tany amin'ny Playpump, kilalao izay mampiasa ny hery ilalaovan'ny ankizy mba hampiakarana rano any amin'ny fitehirizana azy [avy any amin'ny vovo].

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.