Namakafaka lalina i Aloisio Milani [pt] fa “mety ho foto-dalàna sady azo heverina no azo ampiharina amin'ny fampanjakana ny filaminam-bahoaka ny fidiran'ny tafika an-tsehatra anivon'ny tanàna breziliana efa miaina herisetra isan'andro, noho ny fisiana fikambanana jiolahy voalamina any an-toerana, ny fahombiazan'ny miaramila misatro-manga (n'ny Firenena Mikambana)”. Nahare loharanom-baovao avy amin'ny tafika, (ny fivorian'ny) Minisitry ny fiarovana, ny fikambanana tsy miankina maro samihafa ary ireo manam-pahaizanaizy, ary havoakany tsikelikely mandritra ity herinandro ity ny andian-dahatsoratra sy nyresadresaka nataony.
- Firenena:
- Brazil, Haiti
- Lohahevitra:
- Hevitra, Development, Governance, Zon'olombelona, Ady & Fifandirana, Fifandraisana iraisam-pirenena
- Teny:
- Portigey, Malagasy














