“Ho fiaraha-mientana amin'ny FreeKareem.org (fanafahana an'i Kareem izay migadra), dia nanentana ny olona tamin'ny alalan'ny mailaka ny Vaomieran'ny fiarovana ny mpamaham-bolongana (mpitoraka blaogy) ho fanohanana an'ilay mpamaham-bolongana Egyptiana mbola migadra Kareem Amer,” hoy ny filazan'ny Vaomieran'ny fiarovana ny Bilaogera. Ity hetsika izay hotontosaina, manomboka ny 7 ka hatramin'ny 21 Aprily, ity dia famporisihana ny be sy ny maro manerana izao tontolo izao handefa taratasy sy karatra paositaly ho an'i Kareem. Hatramin'ny nanamelohana azy tamin'ny volana febroary tamin'ny taona lasa higadra efa-taona amponja manko dia efa nahatratra 1500 ny isan'ny taratasy voarainy avy amin'ny mpanohana azy.
- Firenena:
- Egypt
- Lohahevitra:
- Freedom of Speech, Protest
- Teny:
- Malagasy












Fanamelohana ho faty ireo tantsaha malagasy noho ny aditany...
-
Misotra ny Jentilisa aloha nandika ity post ity mailaka dia maila...
-
Manaraka izany, tena manomboka mampiahiahy tokoa ankehitriny ity ...
-
Tsy maintsy manambara ny hevitro aho etoana ! Araka ny fijeriko n...
Tohiny »