Egypta: Fenoina taratasy mankany amponja

“Ho fiaraha-mientana amin'ny FreeKareem.org (fanafahana an'i Kareem izay migadra), dia nanentana ny olona tamin'ny alalan'ny mailaka ny Vaomieran'ny fiarovana ny mpamaham-bolongana (mpitoraka blaogy) ho fanohanana an'ilay mpamaham-bolongana Egyptiana mbola migadra Kareem Amer,” hoy ny filazan'ny Vaomieran'ny fiarovana ny Bilaogera. Ity hetsika  izay hotontosaina, manomboka ny 7 ka hatramin'ny 21 Aprily, ity dia famporisihana ny be sy ny maro manerana izao tontolo izao handefa taratasy sy karatra paositaly ho an'i Kareem. Hatramin'ny nanamelohana azy tamin'ny volana febroary tamin'ny taona lasa higadra efa-taona amponja manko dia efa nahatratra 1500 ny isan'ny taratasy voarainy avy amin'ny mpanohana azy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.