“Moroni Blues” tantara an-kira Kômôriana

Ny namana Vola, izay mpiblaogy Malagasy monina any Parisy, Frantsa no mitatitra ny fampisehoana izay natrehiny, tantara an-kira mitondra ny lohateny hoe “Moroni Blues”, diam-penin'ny mpanoratra Kômôriana Soeuf Elbadawi. Tsahivina fa i Moroni no renivohitry ny vondro-nosy Kômôriana :

C'est l'histoire d'une ville – Moroni, où les grandes familles installées depuis des siècles voient d'un mauvais oeil les nouveaux arrivants.
C'est l'histoire d'un pays – l'archipel des Comores, où l'on a peu d'affection pour les habitants de l'île voisine.
C'est l'histoire de quatre hommes qui constatent le poids écrasant de la tradition. Peut-on espérer épouser la fille que l'on aime, même si on ne vient pas du même village ? […]
le repli communautaire est la chose la mieux partagée au monde […]
Après tout, chez nous, on n'a pas de familles de sultans qui refuseraient que leur progéniture se lie avec les personnes des bas quartiers

“Tantara mikasika tanàna iray antsoina hoe Moroni, izay onena'ireo fianakaviana efa ela nietezana ka tsy mankasitraka ireto mpiavy.
Tantaran'ny firenena iray antsoina hoe vondronosy Kômôriana, izay tsy mifandraindray loatra ireo mponina amin'ny nosy samihafa.
Tantarana lehileha efatra izay mahatsapa ny vesatry ny fomban-drazana. Mba misy fanantenana ihany ve ny hampakarana izay olo-tianao na dia tena samihafa aza ny fihaviana ? […]
ny fanaovana ny “isika samy isika” no zavatra hita fa ifanjarana indrindra amin'ireo fiaraha-monina maneran-tany […]
Soa ihany aza fa tsy mba any amintsika no ahitana izany hoe fianakaviana Andriana ka handa ny fanambadian'ny zanany amin'izay zanaka avy any amin'ny fianakaviana ambany saranga”

2 hevitra

Hiresaka koa

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.