Madagasikara : Mandrava ny Rivodoza Ivan

Niditra an-tanety tany amin'ny faritra Avaratra Atsinanan'i Madagasikara tamin'ny [alina hifoha] Alahady 17 Febroary 2008 ny rivodoza Ivan, izay rivodoza sokajy faha-4 ankehitriny.

ivan
(sary nadika tamin'ny meteo france)

Na dia efa misy fihatsarana aza ny fiomanan'i Madagasikara hiatrika ny tonon-taonan'ny rivodoza, sady efa nisedra ny kotsan'ireo rivodoza maro ( i Fame no farany vao tsy ela akory izay), dia mbola rava noho ny fitangoronan'ireo tafio-drivotra sy ireo orambe mivatravatra ny faritra maro any amin'ny nosy.

Avylavitra no mitatitra fa nohon'ny fahatapahan'ireo lalam-pifandraisana sy ny serasera, dia olona 9 sahady no indray namoy ny ainy tany amin'ny nosy Boraha [Sainte-Marie] (dikateny Frantsay sy Anglisy) :

Omaly dia nisy vehivavy niantso maika ny rainy taty Antananarivo nilaza fa nianjeran-javatra ny hotely nisy azy ary dia nirodana ka tototra ao miaraka amin’ny olona valo hafa izy. Ary dia io rainy io kosa nandefa antso vonjy tao amin’ny RNM (Radio National Malagasy). Naverina tao amin’ny Radio io antso io sao mba misy afaka mamonjy azy ireo any an-toerana. Rehefa avy nandefa ny antso tao amin’ny Radio ity raim-pianakaviana dia niverina niantso an-janany tamin’ny telefaonina indray, nefa indrisy fa tsy nisy nandray intsony izay antso rehetra nataony.
Na izahay nihaino ny radio aza dia nangitakitaka sy nientana anaty ihany niandry izay tohin’ity tantara ratsy ity mndra-paharainan’ny andro.
Tapaka daholo ny fifandraisana tany an-teorana taorian’ilay antso nataon’ilay ray mahantra. Eny fa na ny BLU tokony ho nampiasain’ny BNGRC (sampana misahana ny vonjy taitra mandritry ny tranga toy izao) aza dia tsy nandeha. Koa lasa antso tany an-tany efitra ilay filàna vonjy nataony.
Nivoaka tamin’ny gazety rehetra androany maraina fa tapitra maty avokoa ireo olona sivy tototra tao amin’ity hotely tra-doza ity. Indrisy, mampalahelo.

Mialisoa indray manolotra jeri-manodidina sy famintinana ny toe-draharaha, raha mizotra mianatsimo i Ivan ankehitriny :

La partie Est de Madagascar est fortement touchée: Atsinanana, Analanjirofo, Alaotra Mangoro. Cette dernière avance un bilan provisoire d'un peu moins de 500 sinistrés ce matin, principalement dans le district d'Andasibe à cause de la crue des eaux. Aux dernières nouvelles relayées par la radio nationale grâce à son fameux “Ampitapitao” ( oui, l'émission existe toujours), la route nationale 2 qui joint la capitale à Toamasina est inondée, aucune navette n'est possible […] Le cyclone s'affaiblit mais la pluie persiste. Antananarivo boit la tasse ( comme vache qui pisse, me dit Anselme ) depuis samedi, vers 1h du matin. Aucune éclaircie en vue, la capitale est ses environs passent leur temps entre petite pluie et averses hargneux, coups de vents, coups de froid, boue et flaques. “L'eau monte à vue d'oeil”, me confie un riverain, “pas besoin d'averse, mais rien q'une fine pluie et dès demain, on y est”. Comme quelques uns de ses voisins, il est candidat aux premiers déménagements qui ont commencé depuis samedi soir du côté d'Anosizato.

“Tena voa mafy ireo faritra Atsinanan'i Madagasikara : Atsinanana, Analanjirofo, Alaotra Mangoro. Ity faritra farany ity dia mandroso ny isan'ireo tra-boina ho latsaka kelin'ny 500 tamin'ny maraina teo, ka ny ankamaroany dia nohon'ny tondra-drano any amin'ny manodidina an'Andasibe . Araka ny vaovao farany izay voaray tamin'ny alalan'ny fandaharana “Ampitapitao” (eny e, mbola mitohy foana hatramin'izao) ao amin'ny Radio Nasionaly Malagasy, dia tapaka nohon'ny fiakaran'ny rano ny lalana Nasionaly faha-2 mampitohy ny renivohitra amin'i Toamasina, tsy misy akory azo iampitana an-tongotra hanohizana ny dia eny am-pita […] Mihen-danja ny rivodoza saingy mbola mitohy tsy an-kiato ny filatsaky ny orana. Nanomboka tamin'ny Asabotsy 16 Febroary 2008, tamin'ny 01:00 ora maraina dia “misotro izay kapoaka tsy mitsaha-mihoatra” ny eto Antananarivo (toy ny omby mivalan-drano, hoy Anselme mibitsika amiko). Tsy misy fihatsarana azo antenaina atsy ho atsy, ny renivohitra sy ireo faritra manodidina azy dia ifandimbiasan'ireo erikerika sy orambe mivatravatra, tafio-drivotra, hatsiaka, fotaka, rano mihandrona. “Indray mipi-maso ny fiakatry ny rano”, hoy ny filazan'ity mponina iray manamorona renirano tamiko, “Tsy mila orambe akory, fa raha vao misy erikerika fotsiny izao rahampitso dia izay.” Toy ireo mifanolo-bodi-rindrina aminy dia loha-laharana amin'ireo maniry ny hifindra monina izy, ary efa nanomboka sahady izany teny Anosizato, dieny Asabotsy hariva.”

Jandre in Madagascar kosa dia manapariaka ireo sary maro nalaina avy teny amin'ny zanabolana ahitana an'i Ivan sady manazava fa satria heverina ho telo taona vao matoa sy afaka manome voany ny Lavanila dia mbola haharitra ela tokoa ny vokadratsin'ity rivodoza Ivan ity.

Tomavana koa dia mizara lahatsoratra ahitana ireo tatitra farany avy amin'ireo toerana fanaraha-maso ny toetr’andro mikasika ny fivoatry ny rivodoza Ivan any Madagasikara.

Hanolotra fanampim-baovao ara-potoana arak'izay azo atao ihany izahay. Anefa dia tianay ny manolotra etoana ny fankatelemana hoan'ireo namana avy ao amin'ny Rising Voices, dia i Nari Jibon sy ny Voces Bolivianas tamin'ireo teny mamy natolony ho fanohanana ireo vahoaka izay misedra ny rivo-doza ankehitriny sy ireo toro-lalana sarobidy izay narosony ny amin'izay fomba azo atao mba itazonana ireo tambanjotram-tseratsera hisokatra na ao anivon'ny nosy na aty ivelany.

1 hevitra

Hiresaka koa

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.