Bangladesh: Cinema, politika, fahasalamana, saripika ary tantaram-pirenena

Lahatsary:

Miezaka mamoaka lahatsary mendrika azon’ny mpianakavy Bangladeshi jerena miaraka ny orinasa Bangladeshi mpamokatra izay antsoina amin’ny anaram-bositra hoe Dhallywood. Saingy noho ny hatsaran’ny sary mivoaka avy any Hollywood sy Bollywood, izay tafiditra tsara anaty tsena Bangladeshi sy ny hamoran’ny kapila mangirana VCD/DVD piraty dia tra-pahasahiranana i Dhallywood nandritra ny folo taona farany. Ho fanajana ny lalànan’ny sivana izay mifehy ny fiaraha-monina betsaka Miozolmana dia nitady lalankafa hanintonana mpijery amin’ny alalan’ny fampilendalendana sy ny sehatra somary mahery vaika amin’ny alalan’ny lokon’afisy ny mpanatontosa lahatsary ao Dhallywood.
Indro i Shafiur ao amin’ny imperfect world 2008( izao tontolo izao tsy lavorary) mizara amintsika ny afisy 8 amin’ny voangony efa mahatratra any amin’ny 500 any ho any hananantsika hevitra amin’izay atolotry Dhallywood amin’izao fotoana izao.

Politika

“The rule of law is essential for society to live without fear. For it to apply, it must start at the top.”

“Zava-dehibe hahazoa-miaina ivelan’ny horohoro ny fampanjakana ny lalàna anaty fiaraha-monina. Tsy maintsy miainga avy any ambony ny fanajana azy raha tiana ny hampiharana ny lalàna.”

Ny Mpanao gazety mpaka sary malaza erantany Shahidul Alam no manazavazava ny eo ambony amin’ny alalan’ny sary andrana miresaka momba ny lalàna mihatra ankehitriny (na ny fahabangany) eto Bangladesh. Tsindrio eto raha hijery sary.

Fahasalamana

Vao nielipatrana tany amin’ny Bangladeshis rehetra tany ny taratasy imailaka miresaka ny fitsaboana tsizarizary niteraka fahafatesana marary iray tao amin’ny toera-pitsaboana tany Dhaka. Life in Eskaton no nanoratra ny endriky ny toerana mampalahelo sy mahaontsa ananan’ilay toeram-pitsaboana sy ny fikarakarana tsy mandeha amin’izay laoniny misy ao.
Mbola mizara tantara hafa amintsika ka ny fizahana toem-pahasalaman’ny rainy natao tany (amin’ny hopitaly tany) Dhaka no resahiny. Mila fitandremana manko ny mikarakara ny olonamarary fo. Nahatsipalotra ny soratra nipetraka tamin’ny tabilao ny reniny ka nanaitra ny dokotera mba hijerena haingana ilay fanadihadiam-pahasalamana.
Hoy izy nanontany hoe:

Lucky for us, my mother is a sensible woman. And a person who could read English instructions being used as decorative items inside the hospital. What if it was some innocent man from a rural area who can’t read? How can one accept negligence of this magnitude from doctors who appear so smart and intelligent?

Nanam-bitana izahay fa manam-pahaizana ny reniko. Sady olona nahay namaky totolalana tamin’ny ny teny anglisy izay mandravaka ny anatin’ny hopitaly. Inona moa izany no hitranga raha olona avy any ambanivohitra tsy mahay mamaky teny no teo ? Ahoana no hanekena ny fanadinoana na tsi-firaharahiana ataona dokotera izay heverina ho mahay sy mahomby amin’ny zavatra ataony ?

Sary

Indreo asehon’i Russell John ao amin’ny BP Blog (Bolongana ofisialin’ny mpaka sary Bangladeshi ) ny rakitry ny sary 110 izay aranty ao amin’ny Sidr Aid Photography Exhibition 2008 izay tontosaina ao Dhaka.

Tantara

Misy resaka mampiady hevitra nataon’ny taranaky ny mpanao politika roa tompo-mariky ny fanafahana an’i Bangladesh dia ny rain’ny firenena sady praiminisitra teo aloha Sheikh Mujibur Rahman sy ny filoha teo aloha ny Jeneraly Ziaur Rahman momba ny fanambaram-pahaleovantenan’i Bangladesh. Misy ny boky voasoratra nandritra ny nitondran’i BNP (tarihin’ny vadin’i Zia dia i Khaleda Zia) ary misy koa ny an’ny vondron’ny Awamy (entin’ny zanaka vavin’ny Sheikh Mujib dia ny Sheikh Hasina) izay samy manana ny fijeriny momba ny tantaram-pirenena.

Nanao fikarohana lalindalina ka namoaka ny zavanitranga tokoa ny mpamaham-blongana Mashuqur Rahman sy mpanoratra ny tantaran’ny mpitolona ho amin’ny fahafahana M. M. Rahman Jalal . Aza fady anie mba vakio ny lahatsoratra hahitanao ny marina.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.