The Global Voices Lingua project hopes to bring GV content to new linguistic audiences - Details

Also in:

Firenena:
Brazil
Lohahevitra:
Hevitra, Media
Teny:
Portigey, Malagasy

 

Cardoso [pt] izao manko no iray amin'ny mpamaham-bolongana nasaina hamahavaha ny momba ny “Firohotana ho amin'ny blaogy (bolongana) - izao ve ny fotoana hanekena azy ho fantsona fampitam-baovao?” izay hanatontosana any Brezila amin'ny volana marsa ny fihaonambe faratampony iraisam-pirenena mikasika ny fifandraisana niomerika. Nolazainy fa tena zava-dehibe tokoa ity fihetsiketsehana ity satria:

 

“blogs are being recognized as “something” (what this something is depends on each one), and the advertising market wants to hear us. I hope that, after this, the relationship between [advertising] agencies and blogs will be based on RESPECT, not on intimidation, as it occasionally happens to be”.

Efa ekena ho “zavatra” aloha ny blaogy/bolongana (miankina amin'ny tsirairay aloha ilay atao hoe zavatra e!), ary te-handre antsika ihany koa ny tsenan'ny haivarotra. Manatena aho fa rehefa vita io fihaonam-be io, dia hiorina eo ambonin'ny FIFANAJANA amin'izay ny fifandraisana misy ao amin'ny sampana mpikarakara ny dokambarotra sy ny blaogy/bolongana, fa tsy amin'ny alalan'ny fifampitahorana tahaka izay misy tsindraindray eny ihany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fihavanana amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalana, vetaveta, mamely olona manokana.