The Global Voices Lingua project hopes to bring GV content to new linguistic audiences - Details

Also in:

Firenena:
Mozambique
Lohahevitra:
Environment
Teny:
Portuguese, Malagasy

 

Carlos Serra no mitatitra ity raharaha nahasaronana fanapahana ala tsy ara-dalàna izay nokasaina haondrana ivelan'i Mozambika ity. Tamin'ity indray mitoraka ity dia fiara vaventy fito nitondra hazo folo taonina isany no saron'ny Polisy Mozambikana tany amin'ny faritry Meconta. Ny fanapahana ala tsy ara-dalàna amin'ity firenena ity dia resaka tsy ankijanona eto amin'ity blaogy ity, hoy I Carlos, izay mampahatsiahy ny mpamaky :

E leia ou recorde as três cartas que, a propósito, escrevi ao presidente da República, Armando Guebuza, aqui, aqui e aqui.

“vakio na tsarovy ireo taratasy telo, izay sady nalefako tany amin'ny filoham-pirenena Armando Guebuza, ato, ato ary ato” [amin'ny teny Pôrtogey ireo rohy]

Hamela valiny