The Global Voices Lingua project hopes to bring GV content to new linguistic audiences - Details

Also in:

Firenena:
Brazil
Lohahevitra:
Cyber-Activism, Fifidianana
Teny:
Malagasy

 

Tian'i Pedro Dória [pt] hirotsaka ho Ben'ny tanàna'i Rio de Janeiro ny depiote Fernando Gabeira [pt] ary mandresy lahatra ny tontolon'ny mpiblaogy (tontolom-bolongana na blogosphere) sy ny mpamaky rehetra izy hivondrona hampisongadina ny anarany. “Efa tonga ny fotoana hanaovana fampielezan-kevitra amin'ny aterineto amin'izay. Mety ho tratra ny tanjona rehefa maromaro isika no milofo ho amin'izany. Andao isika hamoaka ny lohahevitra, hiady hevitra eo. Tsy maintsy hisy ny mpandrindra (hanindry ny bokotra) hananga-tsaina (araka ny fahazoan'ny mpandika teny malagasy azy dia toy ireny mpitsara anjorony mpanangatsaina rehefa mahita fahadisoana amin'ny lalao baolina kitra ireny hanao izay hamafana ny lahatsoratra na ny adi-hevitra). Dia afa-manoratra aminy avokoa ny rehetra”.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fihavanana amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalana, vetaveta, mamely olona manokana.