Pakistana: fihetseham-po noho ny fahafatesan’i Bhutto

Nanaitra ny mpamaham-bolongana avy sy manoratra momba an’i Pakistana maro ny fahafatesan-dRtoa Benazir Bhutto. Raha azo lazaina ho mampiady hevitra ihany ny politikan’i Bhutto, dia teo amin’ny fotoana nanantenan’i Pakistana hiverenan’ny demokrasia banga nandritra ny taona maro indrindra no nitrangan’ny famoanoana azy ity.

Lahatsora-pihantsiana avy amin’ny tsy finoana, na fanahiana amin’ny fifidianana mihamanatomotra ny ao amin’ny Metroblogging Islamabad:

This is a sad day for Pakistan. Bhutto was not perfect, but at least she was for a democratic process. Democracy once again dies with her. Our condolences to the people of Pakistan from Metroblogging Mumbai.

Andro matroka ho an’i Pakistana ity andro ity. Tsy lavorary i Bhutto, saingy niroso ho amin’ny lalan’ny demokrasia kosa izy farafaharatsiny. Niaramaty taminy indray ny demokrasia. Maneho ny fiaraha-miory amin’ny vahoaka Pakistaney ny avy aty amin’ny Metroblogging Mumbai.

Abu Muqawam kosa mametraka fa zavatra iray ny misaona ny fahafatesan’i Benazir Bhutto, fa zava-dehibe ihany koa ny mitadidy ny endrikendriky ny politikany.

The folks on NBC, though, are making it sound as if Bhutto was some brave liberal alternative to the Musharraf regime, swallowing hook, line, and sinker this narrative that Benazir Bhutto was some kind of Pakistani Aung San Suu Kyi. Okay, folks, we all know she was eloquent, went to Harvard and Oxford and was a darling of the English-language media. But she was arguably the most corrupt woman in the history of South Asia.

Na dia toy ny mametraka an’i Bhutto ho toy ny olom-panafahana amin’ny fitondran’i Musharraf aza ny olon’ny NBC, toy ny haranjono (tadim-pitana, bararata ary bosoa) ny fampitahana azy ho karazana Aung San Suu Kyi (Mpanohitra Birmana) Pakistaney. Amin’ny olona, ekena, mahafantatra avokoa isika fa mahay mandahateny izy, nianatra tanyHarvard sy Oxford izy ary olo-malalan’ny fantso-mpampitam-baovao miteny anglisy. Saingy izy angamba no vehivavy malaza indrindra amin’ny fanaovana kolikoly ao amin’ny tantaran’i Azia atsimo.

Na dia maneho ny famadibadihany impito ny lelany ho olona mety hanasoa an’i Pakistana aza ny mpamaham-bolongana sasany dia manoratra kosa i Adil Nijam ao amin’ny All Things Pakistan fa tokony hobanjinina amin’izao fotoana izao kosa ny lafiny mahaolona eo anatrehan’ity toe-javatra mahonena ity.

At a human level this is a tragedy like no other. Only a few days ago I was mentioning to someone that the single most tragic person in all of Pakistan – maybe all the world – is Nusrat Bhutto. Benazir’s mother. Think about it. Her husband, killed. One son poisoned. Another son assasinated. One daughter dead possibly of drug overdose. Another daughter rises to be Prime Minister twice, but jailed, exiled, and finally gunned down.
Today, in shock, I can think only of Benazir Bhutto the human being. Tomorrow, maybe, I will think of politics.

Eo amin’ny sehatra mahaolombelona tsotra dia tsy misy voina sahala amin’ity. Vao andro vitsivitsy momba aho izany no nanamarika tamin’ny namana iray fa ny olona mampalahelo indrindra manerana an’i Pakistana – ary mety ho maneran-tany – dia i Nusrat Bhutto, renin’i Benazir. Hevero ange: nisy namono ny vadiny, voampoizina ny zananilahy iray, nisy namono ihany koa ny zanany lahy iray, maty noho ny fitrohana rongony tafahoatra angamba ny zananivavy iray. Izao indray ka saiky ho praiminisitra fanindroany ny zananivavy hafa
Anio, anatin’izao fahatairana izao, dia ilay Benazir Bhutto olombelona ihany no heveriko. Rahampitso angamba aho no hijery ny lafiny politika.

Fa hoy Chapati Mystery

In the nation whose history is dotted by military coups, assassinations and hangings of public figures, this is surely the bloodiest stain. She titled her autobiography, the Daughter of Destiny – but surely she deserved a fate other than the destiny of her father and Liaqut Ali Khan. It is truly a tragedy and a revelation of the chaos gripping the nation.

Amin’ny firenena voamariky ny fanonganam-panjakana ataon’ny miaramila, famonoana na fanantonana olo-malaza ny tantarany dia ity mihitsy no voampentin-dra indrindra. Nataony ho lohatenin’ny tantaram-piainany ny hoe Zanakavavin’ny Lahatra – saingy lahatra hafa kosa no mendrika azy fa tsy ny lahatra efa nolalovan’ny rainy sy Liaqut Ali Khan. Mampalahelo ny tantara ary fanehoana ny korontana mandady amin’ny firenena.

Pakistan Policy Blog no mitantara amin’ny antsipirihany ny namonoana an’i Bhutto sy ny amin’ireo naratra mafy. “Teo am-pialana ny zaridainan’ny Liaquat tao Rawalpindi, nikabariany nandritra ny fivorian’ny antoko ny filohan’ny Antokom-bahoaka Pakistaney, no nitifitra azy in-3 na in-5 ilay mpamono olona, tafiditra tany amin’ny tendany ny bala iray. Napoakan’ilay mpamono olona tamin’ny baomba amin’izay ny tenany. Naratra mafy ny lehiben’ny mpiambina mpanolo-tsaina an’i Bhutto dia i Rehman Malik sy ny namana akaiky an’i Bhutto dia i Naheed Khan. Nihoatra ny 30 ihany koa no maty.”
Raha mbola nanome akony momba ity toe-javatra mampalahelo ity ny mpamaham-bolongana maro, dia manahy kosa ny hafa fa mety hitondra any amin’ny herisetra sy ny fihetsiketsehana an-dalambe izy io. Nitantara izao ny Metroblogging Karachi fa nikatona ny birao ary niolomay nody ny olona. Misy mitantara moa fa heny any ivelany ny feombasy. Soratan’i The Pakistani Spectator fa “misy andian’olona tezitra any Rawalpindi tahaka ny any Faizabad, Saddar ary ny lalan’ny Murree, mandoro toeram-pivarotana sy fiara ary miantsoantso teny filamatra manohitra ny mpampihorohoro.”

Neha Viswanathan

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.