Madagasikara : Ny fomba fiakanjoana ny “lamba”

Ny namana Ruth mipetraka any Antsiranana dia manazavazava izay fomba fiakanjoana sy fitafy ampiasana ny “lamba” any amin'ny tapany Avaratry ny nosy :

« Traditional dress in Northern Madagascar involves wearing the ‘lamba’. The word lamba simply means cloth or clothing but usually refers to the two matching pieces of fabric that women wear – one around the waist or chest and one around the head or shoulders […]
Vazahas can mainly only get away with wearing lambas at ceremonies otherwise you look a bit of a try-hard idiot. However, due to their usefulness, it is always good to have one in your bag And if you will be spending time amongst Malagasys it’s good to have one for bathing – a Vazaha woman, stripped off to her bikini for a wash, causes quite a stir. »

« Ny fomba fitafy any Avaratr'i Madagasikara dia mampiasa ny lamba [vakio hoe lamba oany]. Ny dikan'ny teny hoe lamba dia lamba [fitaovana ho enti-manjaitra] na koa akanjo anefa matetika io teny noenti-milaza ireo tapany roa sahala sy mitovy soratra izay entin'ireo vehivavy mitafy – [ny voalohany] mifatotra eo am-balahana na eo amin'ny tratra [ny faharoa] dia manarona ny loha na ny soroka […]
Amin'ny fotoana manokan'ny firavoravoana ihany ireo Vazaha no tena afaka mivoaka miakanjo lamba raha tsy izay dia ohatry ny mpanandrakandrana kaviavia no fijery azy ireo. Anefa satria tena maha-afak'olana ny lamba, dia tsara hatrany ny manana lamba fiandry ao anaty pôketra. Ary raha miarakaraka amin'ny Malagasy ianareo dia ilaina koa ny mampiasa ny lamba rehefa hilomano – Vazaha vavy, miala akanjo hanao “bikini” [akanjo filomanosana mizara roa: ambany fiaro hoan'ny valahina, ambony fiaro hoan'ny tratra] mba handro, dia tena [mahasintona mpitazana marobe sy] miteraka fisavorovoroana tokoa. »

Ndesanjo Macha

3 hevitra

Ajanony ihany

Hiresaka koa -> jentilisa

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.