Repoblika Ivon'i Afrika : Teknisiana Shinoa manampy amin'ny angovo

Ny blaogy Olivier Gabirault dia mitatitra ny fahatongavan'ny teknisiana Shinoa 6 any amin'ny Repoblika Ivon'i Afrika mba hanampy ny orinasa ENERCA izay tsy nanatanteraka fanavaozana milina fitrandrahana angovo hatrizay namoronana azy tamin'ny taona 1965 :

« Six techniciens chinois séjournent à Bangui dans le cadre d’un projet destiné à aider l’Energie centrafricaine (ENERCA), l’unique société nationale de production et de distribution de l’électricité, a renouveler les turbines de son usine de Boali, à 100 km à l’Ouest de Bangui […]
En plus de l’extension de la couverture électrique, les problèmes liés aux multiples coupures d’électricité seront résolus avec l’installation de ces nouvelles turbines […]
Le renouvellement des deux turbines de l’usine de Boali va coûter 117 millions de dollar (environ 5,5 milliards de FCFA) entièrement financés par la Chine. »

« Teknisiana Sinoa miisa 6 no mandalo ao Bangui mikasika ny tetik'asa izay hanampiana amin'ny fanavaozana ireo milina torbinina any Boali, 100km Andrefan'i Bangui, ny orinasam-panjakana Energie centrafricaine (ENERCA) izay hany orinasa tokana mpitrandraka sy mpamatsy ara-herin'aratra an’ Repoblika Ivon'i Afrika […]
Ho fanampin'ny fampivelarana ireo toerana hovatsiana ara-herin'aratra, ny fitrandrahana ireto milina torbinina vaovao ireto dia hanafoana koa ireo olana ateraky ny delestazy […]
Mitentina 117 tapitrisa dolara Amerikana (5,5 lavitrisa FCFA) ny fanavaozana ireo milina torbinina roa ireo, izay raisin'ny Shina manontolo ny famatsiana azy. »

Jennifer Brea

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.