Kazakhstan : Be mpijery ny lahatsarim-pangalatra

Ity lahatsoratra ity no nahitana ny fahasamihafan’ny fahazoana ny teny anglisy sy ny teny malagasy amin’izao fotoana izao, indrindra ny eny an-dalambe ka voatery namboarina ny filaza azy amin’ny teny malagasy. Ny teny hoe nipoaka manko ohatra sy ny teny hoe nitsefotra ary ny teny hoe nanapaka dia milaza tsy fahombiazana manontolo raha amin’ny teny malagasy. Tsy izany kosa izy eto na dia izany aza no anambarana azy ao amin’ny lahatsoratra teny anglisy satria fahombiazana kosa no tiana ambara. Hiditra amin’ny lahatsoratra amin’izay isika. Eo moa ny namana hafa hanitsy izay teny nadika mety ho diso.

Nanaitra sy nanakoako ary niavaka tokoa ny nivoahan’ny lahatsary (rakitsary) voalohany tsy nisy fanohanana avy amin’ny fanjakana ary volabe tokoa no tafiditra taminy. Niteraka adi-hevitra lehibe teo amin’ny tontolom-bolongana gazetin’olom-pirenena ihany koa io lahatsary nankinina tanteraka tamin’ny lafiny varotra io. Tantarana mpanao tanora lahy mpanao fanatanjahantena iray, nampidi-bola fatratra nandritra ny taompolo 1990 ity lahatsary “Racketeer” ity. Vanipotoana nisian’ny fitonganan’ny toekarena goavana tany Kazakhstan tokoa manko io vanipotoana io. Vokatr’izany fitotongan’ny toe-karena izany dia nandao ny sekoly ambony ranamana, niaraka tamina andian-jiolahy (gang) ka nandroba ireo mpandraharaha araka izay tratra.

Nilaza ary i Adam Kesher  fa nahombiazana tokoa ilay lahatsary. Tsy nisy tapakila azo novidiana intsony nandritra ny telo andro nanaraka ny andro nivoahany voalohany. « Tsy nieritreritra aho hoe niandry « tantara an-k(h)ira-na jiolahy » mahazatra ny lahatsary Rosiana fa araka ny fanaovantsika azy ny vahoaka. Mba efa tsara aloha raha mitady lahatsary avy eto an-toerana ihany ny mpanjifa ary te-hirehareha amin’izay efa vita ». Nalahelo ihany izy satria tsy dia te-hampiroborobo ny sarimihetsika Kazakh loatra ny mpikarakara eto an-toerana. “Tsy hisy lalan-kafa entina hanohanana ny orinasa eto an-toerana anefa. Nefa dia izany fanohanana izany no nataon’i Frantsa sy Korea Atsimo ary efa mby aiza moa ry zareo ankehitriny ? Raha lahatsary feno adin-jiolahy hatrany no tohanan’ny mpaninjara dia tsy ho azo ihodivirana intsony ny fahasimban’ny kolontsaina ”.

Tsara fijery kokoa i Megakhuimyak. “Mbola tsy nahita ilay lahatsary aho ary mety tsy te-hijery azy indray, fa ekeko kosa ny fivoahany ”  hoy izy, miresaka ny mahalahatsary manintona ny be sy ny maro azy arakolontsaina sy aratsosialy. “ Efa tsara aloha raha efa misy orinasa mpandefa lahatsary ho an’ny mpanjifa eto an-toerana, na dia tsy hifaninana any amin’ny fetiben’ny lahatsary any Venice na toeran-kafa aza izy ireny! Efa tsara ihany koa satria efa misy ny mpamokatra lahatsary tsy voatery hangataka any amin’ny minisitry ny kolontsaina intsony. Efa tsara ihany koa rehefa manana mpilalao voafantina isika fa tsy ny zanaky ranona na havan-dranona avokoa no ao anatiny!”, hoy izy.

Efa manana fehezam-pisainana mikasika ny fanaovan-tsarimihetsika Kazakh amin’ny ankapobeny kosa i Sarimov ary taorian’ny adihevitra dia maro tamin’izay nolazainy no voasoritra tany amin’ny vaovao. “Nodinihako avokoa ny lahatsary vita Kazakh nandritra ny 10 taona farany. Saika fandinihantena avokoa, manambara izay efa ao anaty ny ankamaroany. Mikasika ny any ambanivohitra ny lohahevitra mibahana. Nanapaka izay fahafantarana ny lahatsarim-piainana eto amin’ny firenena izay ny lahatsary dimy nivoaka faraparany teo. Fambara manaitra izany. Mitady fanaitairana eo amin’ny zavamisy kokoa ny mpilalao. Tsy lahatsary mihitsy ny karazam-pivezivezena eny rehetra eny (Nomad-type films) fa fampielezan-kevitra madiorano. Ary efa manana tantaran-javamisy vaovao sady tsara isika izao ”, hoy ny fehinteny nataony tamim-pifaliana.

Note: Amin’ny teny rosiana avokoa ny rohy rehetra.

 Adil Nurmakov

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.