The Global Voices Lingua project hopes to bring GV content to new linguistic audiences - Details

Also in:

Firenena:
Brazil
Lohahevitra:
Aterineto & Fifandraisan-davitra
Teny:
Malagasy

 

I Gabriela Zago izay voatery miblaogy avy any amin'ny Cyber any Brezila nanomboka tamin'ny Talata nohon'ny fahatapahan'ny tambanjotra Aterineto tao an-tranony, dia mitantara fa ny tolotry ny orinasa Brasil Telecom dia vao mainka miha-ratsy :

« Pelo telefone, informaram que os fios de conexão haviam sido furtados, mas que o problema seria resolvido até o dia seguinte (quinta-feira, feriado da Proclamação da República). »

« Nampandrenesina ara-telefaonina izahay fa nisy nangalatra ny tady varahina mampita ny Aterineto [misondrotra be ny vidin'ny varahina ankehitriny], anefa ny andro manaraka io dia ho hita ny vaha-olana (izany hoe, ny Alakamisy, izay andro tsy fiasana nohon'ny Fanambarana ny maha-Repoblika azy) »

[Notanterahin'i Deodoro da Fonseca ny 15 Novambra 1889 ny Fanambarana maha-Repoblika an'i Brezila, taorian'ny fanonganan'ny tafika ny mpanjaka Breziliana Petera faha-II]

Paula Góes

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fihavanana amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalana, vetaveta, mamely olona manokana.