The Global Voices Lingua project hopes to bring GV content to new linguistic audiences - Details

Also in:

Firenena:
D.R. of Congo
Lohahevitra:
History, Politics
Teny:
Malagasy

 

Azo ambara fa ampitenenin'ny mpiblaogy Alex Engwete ny tantara raha nadikany amin'ny teny Frantsay ny fijerin'i Che Guevara an'i Laurent Kabila fahizay [fony izy mbola mpiady anaty akata, taloha elaben'ny nanonganany an'i Mobutu sy naha lasa filohan'ny Repoblika Demokratikan'i Kôngô azy], ho mpitarika tolona revôlisionera :

« Il se permet de laisser les choses traîner en longueur sans se préoccuper d’autre chose que des querelles intestines, et il est aussi très adonné à la boisson et aux femmes. »

« Tsy mampaninona azy [Kabila] ny mamela asa tsy vita hijanona ela fa aleony mifantoka ihany amin'izay ady an-trano, izy koa dia tena revo amin'ny zava-pisotro [mahamamo] sy ny filam-behivavy. »

Jennifer Brea

2 hevitra

  1. Mialy Andriamananjara Miteny hoe:

    Ary taitra aho fa noheveriko hoe Kabila no nolazainy mitovy amin’i Guevara. Hay ve i Guevara no mitsikera azy e.

  2. tomavana Miteny hoe:

    Toa mpanao « fotoan-dZaïrois » angaha i Kabila fony ry zareo niara-nitolona tany Zaïre fahiny, ka angamba io no nahasorena i Che rehefa « tsara petrapetraka » foana ;)

Hamela valiny