The Global Voices Lingua project hopes to bring GV content to new linguistic audiences - Details

Also in:

Firenena:
Burkina Faso
Lohahevitra:
History, Human Rights, Politics
Teny:
Malagasy

 

Ny mpiblaogy Ramata Sore dia mitatitra ny kabary fisaorana nataon'i Mariam Sankara vady navelan'ny filoha izay maty tamperin'asa nandritra ny fanonganam-panjakana roampolo taona lasa izay :

« c'est avec beaucoup d'émotion que j'ai foulé le sol de mon pays après ces 20 ans d'exil et que j'ai vu l'enthousiasme et la ferveur populaires avec lesquels vous avez commémoré le 20e anniversaire de l'assassinat du président Thomas Sankara […] j'ai l'agréable plaisir de vous adresser à toutes et à tous, mes remerciements et ma gratitude pour l'accueil plein d'enthousiasme que vous m'avez réservé ainsi que pour votre soutien qui me sont allés droit au coeur. »

« Tena feno fihetseham-po aho raha nandia ny tanindrazako taorian'ireo roampolo taona sesi-tany tany ivelany sy ny nahitako ny hafanam-ponareo vahoaka nandritra ny nankalazanareo ny fahatsiarovana ny faha-roampolo taonan'ny namonoana ny filoha Thomas Sankara […] fifaliana ho ahy ny manolotra ho anareo tsirairay, vavy sy lahy, ny fisaorako feno fankasitrahana tamin'ny fandraisana feno fitiavana nataonareo ahy sy ny fanohananareo izay nanoina tokoa ny foko. »

Jennifer Brea

Hamela valiny