The Global Voices Lingua project hopes to bring GV content to new linguistic audiences - Details

Also in:

Firenena:
Tsy misy
Lohahevitra:
Business, Development, Economics
Teny:
Malagasy

 

Ny vondron’ny Banky Iraisampirenena [Banque Mondiale | World Bank] sy ireo mpiray antoka aminy dia manambara ny famoronana ny Fifaninanana natokana hoan’ireo Afrikana Zanaka Am-pielezana monina aty Erôpa, izay mitady famantsiam-bola hoan'ny tetik'asa fampandrososana kasainy hotanterahina any Afrika na Tsena hoan’ny Fampandrosoana hoan’ireo Zanaka Am-pielezana Afrikana any Erôpa [Development Marketplace for African Diaspora in Europe (D-MADE) Grant Competition].

Ireo tetikasa 10 ka hatramin’ny 15 voafidy dia samy hovatsiana hatramin’ny 40′000 $ raha be indrindra. Amin’ny Zoma 23 Novambra 2007, amin’ny 04:00 oran’ny Bruxelles ny fe-potoana farany andefasana ireo tetik’asa. Notaterin’ny Kenyan Pundit [Anglisy].

Ndesanjo Macha

3 hevitra

  • [...] [Hevitra nipoitra tam-pamakiana ny Global Voices @ teny Malagasy - mg.globalvoicesonline.org >>] [...]


  • Ho anareo any ivelan’i Afrika ange izany no tena ivantanan’ny resaka e!

  • Ny anarana ery ambonin’ny takeleka fangatahana ihany angamba no tsy maintsy avy aty ivelany fa ny fiaraha-miasa kosa dia heveriko fa tsara kokoa aza raha anaovana tàna-maro aminareo any an-toerana ihany :) Izaho aloha dia namporisika mba hisy fangatahana maro hitodi-doha aty Madagasikara fa dia ho hita miandalana eo ihany moa.

Manampy amin'ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

fanampiana

  • Fametrahana hevitra dia mila validation. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fihavanana amin'ny hevitra rehetra. Ny hevitra masiaka, na vetaveta, mamely olona manokana dia tsy ekena.