Afrika : Fifaninanana famatsiam-bola natokana hoan’ireo Afrikana monina aty Erôpa

Ny vondron’ny Banky Iraisampirenena [Banque Mondiale | World Bank] sy ireo mpiray antoka aminy dia manambara ny famoronana ny Fifaninanana natokana hoan’ireo Afrikana Zanaka Am-pielezana monina aty Erôpa, izay mitady famantsiam-bola hoan'ny tetik'asa fampandrososana kasainy hotanterahina any Afrika na Tsena hoan’ny Fampandrosoana hoan’ireo Zanaka Am-pielezana Afrikana any Erôpa [Development Marketplace for African Diaspora in Europe (D-MADE) Grant Competition].

Ireo tetikasa 10 ka hatramin’ny 15 voafidy dia samy hovatsiana hatramin’ny 40′000 $ raha be indrindra. Amin’ny Zoma 23 Novambra 2007, amin’ny 04:00 oran’ny Bruxelles ny fe-potoana farany andefasana ireo tetik’asa. Notaterin’ny Kenyan Pundit [Anglisy].

Ndesanjo Macha

3 hevitra

Hiresaka koa

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.