Masoarabo: Tsiditsidika blaogy Ejipsiana

Niasa fatratra ny blaogy Ejigypsiana, tsy jerena ny fiaraha-mientana nataon’ny gazety maro nitokona tsy nivoaka indray andro noho ny fanagadrana mpanao gazety Ejipsiana. Ny lohahevitra anio ary dia hiresahantsika momba ny fitokonana, ny fahatsiarovana ny 6 oktobra nanombohan’ny ady tamin’Isiraely ary ny nampidirana an-tranomaizina mpivavaka Shiite Ejipsiana iray. 

Nitokona ny gazety

Ny 7 Oktobra teo, gazety maro,indrindra ny tsy miankina amin’ny fanjakana, no nanapa-kevitra tsy hivoaka ho fanoherana ny fanagadrana mpanao gazety vitsivitsy nilaza vaovao, lazaina fa tsy marina, momba ny Filoha Ejipsiana Hosni Mubarak . Maro ny mpibilaogy Ejipsiana (ankevitry ny anjatony amin’izy ireo) no nanapa-kevitra ny tsy hamoaka na inona na inona ihany koa amin’io andro io.

 Maro no namoaka sarim-pamantarana ho fiaraha-mientana amin’ny mpanao gazety ejipsiana raha namoaka fehezan-kevitra fohy momba io fitokonana io kosa ny bilaogy hafa tahaka an’I Kareem El Beheiry ao amin’ny “Egyptian-Workers”(mpiasa Ejipsiana)

قررت مدونة عمال مصر اغلاق ابوابها اليوم تضامنا مع كل الصحف المحترمة المحجوبة اليوم الاحد وذلك لان المدونات هى نسيج من الصحافة الحرة
كما تقرر مدونة عمال مصر مقاطعة كل الجرائد القومية ” الحكومية ” لتخاذلها عن نشر قضايا المواطن المصرى ووقفوها بجانب الصحف التى تطالب بحرية الصحافة والتزامها بالتعليمات الحكومية فقط وتدعوكم المدونة لتفعيل المقاطعة بينكم وعلى رأس هذه الصحف الاهرام – الجمهورية


“Nanapakevitra hikatona ny mpiasa blaogy Ejipsiana androany ho fiaraha-mientana amin’ireo gazety manana ny hajany amin’ny alahady, satria heverina ho mifanahaka amin’ny fanaovan-gazety ihany ny fitorahana bilaogy. Tsy hividy ny gazety avy amin’ny governemanta koa izahay noho ny finiavana hanadino ny zavatra tena mahaliana ny olom-pirenena, sy ny tsy fiarah-mientana amin’ny namany mitaky ny fahalalaha-mpitenenana ary ny mbola hanoavan-dry zareo hatrany ny governemanta. Manasa anareo koa izahay tsy hividy ireo gazety ireo, ka ny lohalaharana amin’izany dia ny Al-Ahram sy ny Al-Gumhureya.”

Egyptian Workers Blog. 

Ny adin’ny 6 Oktobra 

 Raharaha hafa indray ny andro fahatsiarovana ny  Adin’ny enina oktobra teo amin’ny Ejipsa niaraka tamin’ny arabo sy Isiraely. Nanapa-kevitra hizara ho an’ny mpamaky ny rohy Arabic Web-Site miresaka manokana momba ny ady I Zeinobia

طبعا انتم جميعا تعلمون ان اليهود نجحوا فى تحويل الانتصار المصرى الى هزيمة عن طريق ماكينة اعلامهم التى لا تمل و ايضا تعلمون ان هناك بعض الاخوة العرب اللى بينظروا لحرب اكتوبر كما لو كانت للنكسة
لذلك لا يزال دورنا كمصريين ان ننشر الحقيق و لا نمل من دورنا كذلك حتى لو العالم لم يسمع لمئة سنة لان هذا دورنا و هذا اقل ما يكمن ان نقدمه لهولاء الرجال العظماء الذين لم يبخلوا اى يعطوا اغلى ما يملكوا لاستعادة كرامة هذا الوطن الجليل

Efa tsy atoro intsony ianao fa nahomby ny Isiraeliana tamin’ny namadihana ny fandresena Ejipsiana ho faharesena indray noho ny propagandy tsy mitsahatra nataony. Ary mahalala ianao, maro koa ny Arabo (mampiasa ny teny hoe Arabo izahay rehefa milaza firenena Arabo ankoatra an’i Ejipta, ary mampiasa azy ihany koa rehefa miresaka ny firenena ao amin’ny Helodrano manokana) no manana fijery tahaka ny Isiraeliana tahaka izany.


Anjarantsika Ejipsiana noho izany ny mamoaka ny marina ary tsy ho leo amin’ny famoahana izany ary na dia tsy hisy hihaino aza ao anatin’ny zato taona. Satria izay no kely indrindra azontsika atao ho an’ireo mahery fo ireo izay tsy nisalasala nanao sorona ny ainy hanafahana ny tanintsika sy ny voninahi-pirenentsika.

Zeinobia, Waqaee Masreyah

Tafakatra Famaranana ny Al Ahly

Tonga eto amin’ny taranja iray tena tiako aho, lahatsoratra mikasika ny El Ahly football team (ekipa baolina fandaka El Ahly), grrrrr. Nanoratra ny fandresen’i El Ahly ahafahany miatrika ny dingana famaranana amin’ny  Champions League Afrikana i Beit El Reyadah.

بالفعل ليس فقط الف مبروك لكل اهلاوي بل اقول الف مبروك لكل المصرين علي تأهل الاهلي للدور النهائي للبطولة الافريقية لمواجة فريق النجم الساحلي التونسي في نهائي البطولة و الذي بأذن الله سوف يفوز النادي الاهلي علية ويأخذ البطولة الافريقية ويحقق انجاز عالمي يضاف الي انجازاتة بأنة سوف يعتبر اول نادي في العالم يصعد لثالث مرة الي بطولة العالم للاندية


“Tsy fiarahabana ho an’ny mpanohana an’i El Ahly ihany, fa ho an’ny Ezipsiana rehetra mihitsy tamin’ny nifantenana azy ho amin’ny dingana famaranana amin’ny ligin’ny tompondaka Afrikana ka hihaona amin’ny ekipa Toniziana Etoile de Sahel. Ary handresy noho ny sitrapon’Allah ny El Ahly ka ho lasa ekipa voalohany tafakatra intelo ho amin’ny fiadiana ho tompon-daka erantany amin’ny baolina fandaka ho an’ny ekipa (tsotra) karakarain’ny FIFA.”

Beit El Reyadah. 

Federalisma ao Irak’

Lahatsoratra hafa mampiady hevitra ihany koa izay nosoratan’i Malek – AKA MaLcoLM X – mikasika ny federalisma ao Irak’.

عارف ان التدوينة دي حتزعل ناس ياما مني واعتقد ممكن تزعلني انا شخصيا من نفسي,بس مقدرش امنع نفسي اني افكر ,ولما الاقي نفسي محتاس طيب
فيها ايه لو اتقسم العراق فيدراليا؟
وليه عاملين دوشه كبيره على الموضوع ؟
الأهم من دا ان لو بالديمقراطيه العراقيين حيصوتوا بأغلبية واضحه”شيعة واكراد” للكونفيدرالية.
ايه الأزمه عندنا احنا؟


“Fantatro fa hahaporitra anareo ity lahatsoratra ity, ary efa nahaporitra ahy koa moa. Fa mitsakotsako azy ao an-dohako hatrany aho.
Inona moa ny olana amin’ny izarazarana an’I Irak ho firenena federaly ? Inona no mampitaraina ny vahoaka amin’izany? Ary ny tena fanonatniana ngeza dia hoe raha mifidy azy amin’ny fomba demokratika ny maro an’isa amin’ny Irakiana dia inona ny manahirana anareo amin’izany?”MaLcoLM X. 

Mpivavaka mafana fo Shiita nosamborina

 Ary farany, nisy Shiita Ezipsiana iray mafana fo nosamborin’ny polisy noho ny mahashiita azy fotsiny. Dia nanoratra ny momba io fisamborana io tahaka ny mpibilaogy hafa ihany koa i Rasha .

يقرأون الفاتحة فى الركعتين الثالثة والرابعة أولا يقرأونها ، يسّبحون فى الركعتين الثالثة والرابعة ، يقرون بالولاية للإمام علي فى الركعة الأولى من كل صلاة ، يذكرون الأئمة الأثنى عشر فى نهاية كل صلاة ، يؤدونها على الشقفة أو التربة الحسينية ، ينادون لها بـ “حى على خير العمل” كما يفعل السنة فى “الصلاة خير من النوم” .. يختمون صلاتهم بالدعاء بدلا من التسليم، فليس هناك خاتمة لها..
لاأعرف كيف استطاع المحقق فى إعتقال محمد الدرينى أن يوجه له تهمة التسبيح فى الصلاة؟
أن يسأله عن صلاته ، عن معتقداته ..ثم يتهمه بإزدراء الأديان


 

Manonona ny “Al Fateha” (toko ao amin’ny Quraan) ao amin’ny “Rakaas” (andininy) fahatelo sy fahaefatra mandritra ny vavaka na tsia. “Tasbeeh” (fiantsoana ny anaran’Andriamanitra) ao amin’ny “Rakaas” (andininy) fahatelo sy fahaefatra mandritra ny vavaka na tsia. Fiantsoana ny Imam Ali amin’ny “Rakaa” voalohany amin’ny vavaka na tsia. Fiantsoana ny anarana 12n’ny Imam aorian’ny vavaka na tsia. Mivavaka ambonin’ny karipetra na ambonin’ny El Turbah El Husaineyah. Manampy fehezanteny hoe “Hayy Ala Khair El Ammal” ao amin’ny “Azan” (fiantsoana hivavaka), Ny sonita ihany koa anie ka manampy fehezanteny hoe “Al Salah Khayron Men Al Nawm” amin’ny “Azan”. Manonona “Duaa” rehefa mamarana ny vavaka fa tsy hoe “Tasleem”.Tsy azoko mihitsy inona moa no iampangana an’i Muhammed El Durainy raha miteny hoe “Tasbeeh” izy amin’ny vavaka fanaony?
Nanadihady ny fomba fivavany sy ny finoany dia miampanga azy ho “Manitsakitsaka fivavahana”!
Manaporofo ny mahafasista azy hatrany ny fitondrana amin’izay tsy mitovy amin’izy ireo rehefa misy ny raharaha tahaka itony. Rasha, Ay Haga (Anything).

Tarek Amr

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.