Kôngô (RDK) : Tsy iny lozam-piaramanidina tany Kinshasa iny no « ho farany »

Du Cabiau à Kinshasa, dia blaogina Belza monina any Kôngô (RDK) ary toy izao  no zavatra notateriny momba ilay lozam-piaramanidinina izay vao nitranga tamin'iny herinandro lasa teo iny tany Kimbanseke, izay kartie isan'ny mahantra sy be mponina tokoa any Kinshasa.

Dimampolo raha kely indrindra ireo olona namoy ny ainy ary amam-polony maro ireo izay naratra. Ary voarohirohin'iny voina iny ny Ministry ny fitaterana ka dia niongana nohon'ny « tsy nahafehezany mihitsy ny fanavaozana takiana amin'ny serasera ara-piaramanidina ».

I Du Cabiau à Kinshasa kosa dia mihevitra fa efa nampoizina ihany iny loza iny :

Cet accident était mille fois prévisible. Étant donné l'absence quasi totale d'infrastructures terrestres (route, rail…), l'essentiel des échanges à l'intérieur de la RDC se fait par avions. Pour un pays très pauvres, le trafic aérien est très intense. Il y a des dizaines de petites compagnies privées et donc des centaines de tombeaux dans les airs. Chaque jour, nous voyons des ancêtres surchargés décoller à l'horizontale au dessus des habitations. Ce crash n'est pas le premier… il ne sera pas le dernier

Tena efa nampoizina in'arivokeliny raha kely iny lozam-piaramanidina iny. Iaraha mahita ny tsy fisian'ireo fanamboarana ireo zotra an-tany (làlana, làlamby …), hany ka fiaramanidina no anatanterahana ny ankamaroan'ny serasera eto RDK. Tsy azo heverina ho araky ny maha firenena mahantra azy fa tena mifanjevo tokoa ireo fiara-manidina eny amin'ny lanitra eny. Amam-polony mahery izao ireo orinasam-pitaterana an'habakabaka, izany hoe aman-jatony ireo loza mihantonkantona eny amin'ny rivotra eny. Isan'andro vaky izao izahay no mahita ireny fiaramanidina izay efa tena vizaka ireny anefa mbola miainga sy manidina eo ambonin'ireo trano fonenan'ny olona. Ka tsy iny lozam-piaramanidina no voalohany … ary tsy ho iny mihitsy no ho farany .

I Alex Engwete izay mpiblaogy Kôngôle dia manamarika fa rehefa misy voina ihany vao mahasarika ny mason'izao tontolo izao i RDK :

CNN montre des images de l'avion carbonisé à Kinshasa. Des images sensationnelles catastrophiques dont raffolent les géants médiatiques… et qui les tirent de leur indifférence systématique de la RDC.

Naparitak'i CNN ny sarin'ilay fiaramanidina nirehitra tany Kinshasa. Sarina voina izay mahaliana ireo ngezalahin'ny fampahalalam-baovao … hany ka mahasarika azy aty RDK izay tsy ahoany akory andavan'andro.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.