Marôka : Mety ho blaondy koa ny Berbera

Nanaitra ny fampahalalam-baovao maro ny nivoahan'ny sary nalain'ny torista Espagnôla tany amin'ny faritry ny tendrombohitra Rif any Marôka, sary tsy dia mazava loatra izay toa ahitana am-baben-dramatoa Marôkana iray, zazavavikely manana volo blaondy izay toa mitovitovy endrika amin'i Madeleine McCann, ilay zazakely izay nanjavona ary tsy mbola hita mandrak'ankehitriny.

Tsy sarin'i Madeleine McCann anefa ilay izy fa an'i Bouchra Benaissa izay zazavavy Marôkana roa taona eo ho eo, satria tsy vitsy tokoa mantsy ireo olona manana maso mazava loko sy volo blaondy any amin'iny faritra iny. Ary raha mbola zendana amin'izay mety ho fitoviana eo amin'izy roa vavy ny fampahalalam-baovao maro, ireo mpiblaogy Marôkana kosa dia tsy taitra sady mandinika.

Au début était le blog … izay diam-penin'i Naim dia milaza fa :

Décidément, les stéréotypes ethniques ont la vie dure. Il a suffi d'une photo floue prise par une touriste espagnole, tout près de Tetouan, d'une fillette marocaine pour que la machine médiatique, espagnole et puis internationale, se met en marche: Madeline McCann, petite anglaise de 4 ans disparue au Portugal depuis le 2 mai dernier, serait enlevée par un couple de Marocains. Pourquoi ce malentendu? La réponse est simple: la fillette marocaine photographiée sur le dos de sa maman était blonde comme Madeleine. Le mystère vite éclairci, la Maddie marocaine s'appelle en fait Bouchra Benaissa. Ses parents, Ahmed et Hafida, d'une extrême gentillesse, se sont même prêtés aux longues questions des gendarmes, et surtout à l'harcèlement des dizaines de journalistes internationaux, Anglais et Espagnols en tête, qui voulaient élucider ce « mystère ».

Tena tsy maty vonoina mihitsy ny peta-tavan'olona arak'izay mety ho fihaviany. Sary tokana, tsy dia mazava, mampiseho zazavavy Marôkana, izay nalaina torista tany akaikin'i tanàna Tetouan, dia ampy amaharan'ny fampahalalam-baovao Espagnôla sy iraisam-pirenena hoe : nendahina mpivady Marôkana hono i Madeleine McCann, ilay Anglisy kely efatra taona very tany Pôrtigala hatramin'ny 2 May 2007 lasa teo. Ahoana no mahatonga an'izany ? Tsotra ny valiny : satria blaondy toa an'i Madeleine ilay zazavavy am-baben-dreniny teo amin'ny sary. Vetivety anefa dia sarona ny fanalahidin'ilay mistery, i Bouchra Benaissa no anaran'ilay Maddie Marôkana [FANAMARIHANA: « Maddie » no anaram-bosotra fiantso ireo Madeleine any amin'ireo tany miteny Anglisy]. Tsotra be i Ahmed sy Hafida ray aman-dreniny, ary tsy nanasarotra izy ireo rehefa noadinadinin'ireo Zandary, sy ireo mpanao gazety iraisam-pirenena sesehena, izay samy te-hanazava ity « mistery » ity.

Dieny am-piandohana kosa, na dia mbola tsy fantatra aza fa tsy i Maddie ilay sary dia efa malina ny mpiblaogy Abdelilah Boukili :

Personally, I don’t think it can be Madeleine. The woman seems from the countryside. In Morocco people, especially those living in the countryside know each other. For her having a child speaking English can raise the curiosity of people in her area. She can have as an answer that the child is from a relation who lives in Europe as a substantial number of Moroccan immigrants originate from the north of Morocco. If that girl was really Madeleine, the women wouldn't show her in public. She can be easily spotted as Madeleine's case is still fresh in mind and among the search priority of the security services in Morocco. In general, the local authorities’ job is to know about any foreigner living in any areas. It has a network that regularly reports about anything special taking place in any area of the country. If the girl was Madeleine she couldn’t have gone unnoticed as it is too early for her to speak the local language fluently without reverting to English. As a consequence she can be the talk of the area where she is.

Raha ny tenako manokana aloha dia tsy mieritreritra fa i Maddie io amin'ny sary io. Ilay ramatoa mibaby azy ohatry ny avy ambanivohitra. Ny vahoaka Marôkana, indrindra ireo any ambanivohitra dia mifankalala avokoa. Ary hoan-dreniny, ny fitaizana zaza izay miteny Anglisy dia tsy maintsy ho nanaitra ny manodidina. Afaka namaly ihany izy hoe zanak'havana mipetraka any Erôpa io zaza io, satria avy amin'ny faritra Avaratry i Marôka ny ankamaroan'ireo Marôkana any an-dafy. Sady raha i Madeleine io zazavavy io dia tsy ho sahiny naseho am-pahibemaso. Mbola an-tsain'ny maro loatra no sady amin'ny lohalaharana amin'ireo sarin'olona tadiavin'ny Polisy Marôkana izy. Isan'ny andraikitry ny mpitondra fanjakana koa mantsy ny fahafantarana ireo vahiny monina n'aiza n'aiza faritra misy azy. Raha Madeleine io zaza io raha dia sarona vetivety monja satria mbola kely loatra izy ka tsy hahay fitenim-paritra ary tsy maintsy lasa firesaka tany an-toerana.

Bouchra Benaissa and family

I Laila Lalami dia nampitaha matoan-dahatsoratra ary nifidy izay tiany indrindra :

C’est celui du journal Le Matin: Les Espagnols découvrent l’existence de personnes blondes au Maroc.

Ny gazety Marôkana Le Matin : Izao vao mahafantatra ny fisian'ny olona Blaondy aty Marôka ny Espagnôla.
I Chergaoui koa dia mivazivazy ny tsy fahalalan'ireto Espagnôla:

La fausse piste marocaine dans l’affaire Maddie… a permis aux Espagnols de découvrir qu’il y a des Marocains aux cheveux blonds et aux yeux clairs, comme le soulignent mercredi plusieurs journaux espagnols.

Ny fanarahana ity raharaha Maddie ity aty Marôka … dia nahafahan'ireo Marôkana mianatra fa misy koa ireo Marôkana izay sady blaondy no mazava maso, arak'izay notsindrian'ireo gazety Marôkana maro tamin'ny Alarobia.

Ary hamaranana azy, mazava ny lohateny nofidian'i Ghasbouba hoan'ny lahatsoran'ny blaoginy « MNDBA: Marôkana na dia Blaondy aza » :

It is really a shame and a pity that little Bouchra and her family are harassed by media and authorities just because she “might” have looked like another European person. Her family was called by the authorities. Her parents had to prove she was their daughter. I find this really strange, for lack a better word.
I wonder if the same acts of harassment would happen if “another Maddy-like blond little girl” is ‘seen’ in any places in Rural Alzas, Basque, Arizona, or Wales.

Tena mahamenatra raha izay « mety » ho fitovian'i Bouchra aman'endrika Erôpeana fotsiny dia ampy hiteraka fahasahiranana hoan'ity mpianakavy kely ity, avy amin'ireo mpitandro ny filaminana aloha, dia avy amin'ireo mpanao gazety iraisam-pirenena indray. Nampanatsoin'ny fitondrana ireo ray aman-dreniny. Voatery nanome porofo ny maha-zanany azy koa izy ireo. Mahazendana ahy ihany izany zavatra izany, ary satria tsy hitako izay voambolana metimety kokoa anambarako azy no ampiasako izany fiteny izany. Manontany tena ihany mantsy aho hoe, mba inona loatra re izay zava-nitranga raha toa ka nisy « zazavavy-blaondy-toa-an'i-Maddie » hita tany ambanivohitr'i Alsace, na firenena Baska, na Arizona na koa firenena Galoa [Alsace, pays basque, Arizona, Pays de Galles ?

Tompon'ny sary: Gulf Times

1 hevitra

Hiresaka koa

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.