Oktobra, 2007

Tantara tamin'ny Oktobra, 2007

Borkina Fasô : Manampy ireo Borkinabe hiady ny fanampenam-bava ireo blaogy

  31 Oktobra 2007

Any Borkina Fasô, tsy fandanian'andro fotsiny ihany ny fitorahana blaogy fa tena manandanja tokoa. Satria ireny no mba maso sy sofina entin'ireo olona aman'arivony eto amin'ny Aterineto [manaraka ny toe-draharaha any an-toerana]. Nandritra ny fankalazana ny fahatsiarovana ny faha-20 taonan'ny namonoan'ny sasany an'i Thomas Sankara, filoha amperin'asa fahizay, izay notanterahina...

Egypta : Fahafahana hoan'ny Vehivavy

  30 Oktobra 2007

Ny mpiblaogy Egypt Guy monina any Egypta dia mizara ity sarimihetsika nototonsain'i Ahmed Sharif, teratany Egyptiana ity mba hamelana ireo Vehivavy ho tompon-tsafidy amin'ny lafiny ara-pivavahana. Amira Al Hussaini

Alzerìa : Feno rano eny rehetra eny

  30 Oktobra 2007

Vakio ny lahantsoratry ny mpiblaogy Alzeriana Nouri sy ny antony namalian'ny rain'ny namany azy hoe : « there's water everywhere, but not a drop to drink! » « feno rano eny rehetra eny, saingy tsy misy vongan-drano iray akory hosotroina ! » [FANAMARIHANA: « mangetaheta ambony lakana » angamba no...

Oganda : Bilaogera nikopak’elatra noho ny tahotra

  30 Oktobra 2007

Efa nosoratana teto amin’ny Global Voices ny hevitra feno fihantsiana nataon’ny bilaogera sy mpanolotra fandaharana amin’ny onjam-peo Ogandey Dennis Matanda momba ny kolontsaina afrikana, ny (filoha) Idi Amin ary ny momba ny fiverenana hisian'ny fanjanahantany indray izay efa nosoratana teto amin’ny Global Voices. Dia mbola niteraka resabe ihany ny fanaony...

Myanmar : Ny Aterineto sy ireo Mpanokantena

  29 Oktobra 2007

Ny blaogy Sacred Media Cow dia manazava fa ny figejan'ny fitondrana jadona ara-miaramila ny Aterineto dia mety ho nanampy tsy an-pidiny ireo Mpanokantena Birmana : « The little fragments of information that did manage to get through got elevated to a level of ennunciative power that would not have existed...

Barbada : Miblaogy koa ny ao amin'ny Tahirim-Bola Iraisam-Pirenena FMI

  29 Oktobra 2007

Ny Tahirim-Bola Iraisam-Pirenena FMI na Fonds Monétaire International | International Monetary Fund dia manana blaogy ary heverin'ny blaogy Living in Barbados fa : « this recent step into the blogosphere, and its subcategory the econoblogsphere will be interesting to watch. » « Hahaliana ny hanara-maso ny fivoatr'ity dingana vaovao ao...