Myanmar: Niverina tao Mandalay ny tafika

DVB.no [Birman] no nitoraka vaovao [ny 27 septambra 2007] momba ireo miaramila ao amin’ny vondrotafika  faha 33 izay mbola nahafahan’ny mpitokamonina hanohy ny fihetsiketsehana tao Mandalay, tanàna lehibe faharoa ao Birmanie.

Vaovaon’ny 27 sept efa eo an-toerana ao Mandalay ny vondrotafika faha 33.

Misy miaramila vitsivitsy ao amin’ny vondrotafika faha 33 mandohalika ary miangavy ny mpitokamonina hampitsahatra ny fihetsiketsehana.

Nisy mpitokamonina avy tamin’ny trano fitokana-monina, tafiditra ao koa ny sekoly monastika « ThaTaNa » nilahatra ary voasakan’ny vondrotafika faha 33 teo amin’ny lalana faha 42.

Betsaka ny mpitokamonina no niteny hoe « afaka mitifitra ianareo fa izahay kosa hanohy ny lalana » dia notohizany indray ny filaharana.

Nandohalika ny miaramila, nitomany nefa namela ny mpitokamonina hilahatra ihany nony farany, hoy ny tatitry ny nahita maso tao Mandalay.

Toy izao kosa ny fitantarana nampidirin’ny mpibilaogy Kaduang tamin’ny zavanitranga omaly [26 septambra 2007] tao an-drenivohitra Yangon ( Rangoon)

Raha mbola nanadrana nisakana anay ry zareo dia nisy fiaraben’ny miaramila nipoitra avy tao amin’ny Mpitondra ny tsipikan’i Myanmar ary nitifitra tamin’ny basiny. Nisy olona vitsivitsy voa tamin’izany. Voatery nihanika tamboho aho ary niafina tao an-tsekoly. Nisy nilaza fa olona roa no maty teo ampitsambikinana tamboho. Nifanena tamina namana iray hiafina tao an-tsekoly aho. Nipoaka imbetsaka, nanondro ny lanitra na ny mpanao fihetsiketsehana, ny basy. Mbola tsy nirava ny sekoly nandritra izany fotoana izany. Betsaka ny ray aman-dreny no tonga haka ny zanany nefa tsy nitsahatra ny tifitra. Tena ratsy loha ry zalahy !

Dia nametraka sary maromaro ny mpibilaogy avy eo.

Nitondra sary maromaro kokoa ilay mpampiasa Flickr naigankyatha.
Indreto kosa dika avy amin'ny blaogy miteny birmana: 
 

Hoy Soe Moe:

Nanara-baovao nandritra ny andro izy ary tsaroany nihaniakatra tao aminy ny fankahalana sy ny fahatofohana rehefa nanaraka ny zavamisy manontolo izy. Nanafika ny trano fanokanatena ny miaramila halina ary nandrava zavatra maro sy nisambotra ankeriny ireo mpitokamonina (na mpanokatena ihany koa). Nanenjika ny olom-pirenena tsy manam-piadiana ry zareo androany tolakandro ary nitifitra azy ireo. Mpanao gazety mpaka sary Japoney iray no anisan'ny maty androany. Sintoniny hiaraka aminy avokoa izay lavo teny amin'ny arabe rehetra nefa tsy misy hita any amin'ny hopitaly ireny. Mandainga amin'ny isan'ny maty ny vaovao eto an-toerana. Diavolan-dra ny andron'ny omaly ary androany kosa no andron-dran'ny 27 septambra 2007.

KaDaung – Rangoon- hafatra via  CBox

- Misy feom-basy re tany Okekala avaratra tanelanelan'ny fokontany fahasivy sy fahaenina. Dimy no isan'ny maty ary anisan'izany ny mpianatra 15 taona niverina avy any an-tsekoly.

– Hazainy izay mandositra any anelakela-trano ary raofiny ka tsy omeny ny havany izay maty.

– Nisy nitatitra an-telefonina fa nisy fitifirana koa teny an-tetezan'i TharKayTa ka maro no tavela tamin'izany.

– Tsy misy razana any amin'ny hopitaly. Faohin'ny miaramila avokoa ny maratra rehetra.

-Tifitra roa teo amin'ny valahana ankavanana sy teo amin'ny tratra havanana no nahafaty ilay vahiny fa tonga tany amin'ny hopitaly ihany ny razana.

Nay Nay Naing –  27 Sept 2007 andron-dra mandriaka

Milaza avokoa ny olon-drehetra fa andron-dra androany 27 septambra raha diavolan-dra kosa omaly. Anisan'ny ratsy indrindra ny toe-draharaha androany. Tamin'ny sasakalin'ny 26 dia maro tamin'ny olo-tsotra sy ny mpitokamonina avy ao amin'ny NweKyarYan no lavo nandatsaka ny rany tamin'ny tany.

Araka ny vaovao navoakan'ny CNN dia nihoatra ny folo no maty noho ny tifitra ka anisan'izany ilay mpaka sary Japoney. Handainga indray (ny miaramila) fa nanao tifi-danitra ry zareo na dia hita izao aza fa nikendry olona. Ahoan'iza moa na handainga aza izy ireo fa tsy hisy hino izay lazainy rehefa mivandravandra eo imason'ny rehetra ny marina. Manaja ny nanao ny ainy tsy hozavatra tamin'ny fakana sary sy sarimihetsika aho ary mampita izany any amin'ny fampahalalam-baovao iraisam-pirenena; Mandrotsa-dranomaso, ontsa sy malahelo kosa amin'ireo maty ary miombom-po amam-panahy amin'ny fianakavian'ny maty. Na izany na tsy izany, mampahery tokoa ny mandre fa tsy mihemotra eo anatrehan'ny toe-draharaha ny mpanohitra ary hanohy ny tolona araka izay tratry ny heriny. Dia mirary fahombiazana ary e!

Vaovao nankotrihana:

Ny ankamaroan'ny vaovao (voamarina sy tsahotsaho tsy voamarina) dia ao amin'ny faritra natokana hilazana hevitra any amin'ny blaogy na ao amin'ny Cbox. Hatramin'ny nikatsoan'ny vavahadibe bolgspot dia ny Cbox indray no ampiasain'ny mpivoivoy Birmana mba ho voatoraka ny  fijoroana vavolombelona sy ny fanadihadian-dry zareo noankotrihina (avy amin'ny teny hoe ankehitriny io an!)

Maro ny vaovao hita ao amin'ny Cbox indrindra fa ny an'i Niknayman. Vao nisy naka adiresy ihany koa ao amin'ny Cbox. Jereo http://burmanews.cbox.ws/ ho an'izay afaka mandika teny (ho amin'ny teny anglisy) ho hitan'izao tontolo izao. Mitady mpandika teny ho amin'io adiresy vaovao io ahafana mametraka azy ho hitan'ny be sy ny maro.  

Vaovao farany : http://niknayman.cbox.ws/

Vaovao nadika ho amin’ny teny anglisy avy amin’i cbox ao  Niknayman. Izao no vaovao nohamarin’ny loharany samihafa :

* BaganNet (ISP) tapaka avokoa ny antso an-tarobia sy ny finday

* Manolokevitra ny mpanao gazety sy ny mpaka sary ny Synrg3 hitandrina fatratra.  « arahin’ny miaramila maso fatratra ny toerana ahafahana maka sary rehetra. Hamarininy avokoa ny tambazotra informatika ao amin’ny Hotel Traders sy Sarkura.

*Ny iraka manokan’ny Firenena Mikambana ao Rangoon dia nametraka telefona miasa 24 amin’ny 24 ora raha misy ny tampoka, indrindra fa mandritra ny fotoana tsy ahafaha-mivezivezy. Ny laharana antsoina amin’izany dia ny 01 554 597 na ny 01 554 625

*Ahiahiana amin’izao fotoana izao fa ireo miaramila namono ilay Japoney omaly sy ireo mpanao fihetsiketsehana dia voafonja noterena hisolo ny tena miaramila, raha jerena ny fitaovana nentiny (tsy nanao baoty). Vaovao tsy voamarina aloha.

Nosintonina ary nadikana mpivoivoy tsy nitonona anarana  tamin’ny blaogy Birmana ny rohy sy ny lahatsoratra.

Preetam Rai

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.