The Global Voices Lingua project hopes to bring GV content to new linguistic audiences - Details

Also in:

Firenena:
Trinidad & Tobago
Lohahevitra:
Environment
Teny:
Malagasy

 

Atillah Springer dia mpanao gazety, mpitolona ary mpibilaogin'ny Trinité sy Tobago.Mpikambana ao amin'ny fihetsiketseham-panoherana iray ho fiarovana ny tontolo iainana ihany koa izy izay naharoaka tamin'ity taona ity ny ngezalahy amin'ny fitrandrahana viraty Alcoa hiala an'i Trinité.Mihevitra ny hamoha fanempoana viraty iray ao amin'ny faritra ambanivohitry Trinitad ny tarika amin'ny alalan'ny zavatra tena mampiahiahy.Ao anatin'ity podocast ity dia hiresaka amin'i Attilah aho momba ny fampiasan'ny antoko mpanohitra ny aterineto mba ampifandrindrana ny asany.

 Georgia Popplewell

 
icon for podpress  Standard Podcast: Play Now | Play in Popup | Download

3 hevitra

  1. Fabien RAZAKANDRAINIBE Miteny hoe:

    Ny anaran’ny tanàna sy olona koa azontsika hadika amin’ny teny malagasy. Koa ireto misy soso-kevitra :

    Atillah Springer ve tsy azo adika ihany koa hoe Atila Springera
    Trinitée = Trinite

    Mirary soa.

  2. jentilisa Miteny hoe:

    Tsy mety loatra ny mandika anarana ka, ireny no zavatra tsy tokony hiova indrindra.

  3. Toetra RAJA Miteny hoe:

    Mampisalasala ! Tiako kokoa ohatra raha Antananarivo no iantsoan’ny vahiny ny renivohitsika fa tsy Tananarive. Misy koa anefa tia manoratra hoe Londres kanefa dia London no fanoratry ny anglisy azy.
    Araka ny hevitro dia tokony hajaina ny anarany ofisialy araka ny teny ampiasaina ao amin’ilay firenena.

Hamela valiny