Tsikaritry White African ny sarintanin’ny fandrakofan’ny zanabolana an’I Afrika: “Tao amin’ny
Africa in the Acacia Atlas -2005 ity sarintany ity izay vokatry ny International Research Development Center (IDRC). Mahaliana dia mahaliana tokoa ity sarintany ity fa milaza zavatra maro dia maro mikasika ny fifandraisan’i Afrika amin’ny zanabolana, ny aterineto ary amin’ny finday [anisan’ny hita ao ny an’ny Malagasy rey olona a !] koa mazotoa mijery. »Ndesanjo Macha
Tanora miady amin'ny fasisma anjatony no nivory tao ampovoan-tanànan'i Moskoa. Misaona ny namonoan'ny neo-nazi an'i Ivan Khutorskoy, mpikatroka ao amin'ny “Antifa,” hetsika rosiana manohitra ny fasisma ry zareo. Nolazain'ny [ENG] mpamaham-bolongana chtodelat fa ity no vono nihatra aman'aina fahaenina tamin'ny mpikambana amin'ny “Antifa” tao Rosia tao anatin'ny taona vitsivitsy. Azonao jerena ato [RUS] ny saripikan'izany fivoriana izany izay nalain'i lj-user ottenki_serogo.
“Mpivarotra eto Zimbaboe, miray hina” hoy ny lohateny lehibe tao amin'ny blaogin'i Kutabana. “Izao no tatitra avy amin'ny olona iray monina ao Harare : Anio tolakandro manodidina ny tamin'ny 2 sy sasany, dia nahita mpivarotra nifanjevo aho, nanary ny entam-barotr'izy ireo ary nihazakazaka namonjy ny ainy. Akaikin'ny Greenwood Park no nitrangan'izany.”
White African [Afrikana fotsy] manapariaka mikasika ny Grid [griazy] izay rohy mampifandray ireo finday any Tanzania sy ny Hello Africa [Manakory Afrika] lahatsary manadihady izay fomba ampiasan'ny mponina any Afrika ny finday.
Aparitaho ny feo, fa milaza vaovao izao tontolo izao. Renao ve?
linguabadge-mg