Tanzania: Adihevitra Momba Ny Volonkoditra Sy Firazanana Mahaolompirenena.

Tovovavy Tanzaniana iray rehefa voahosotra ho Oliravina Vodacom Tanzania 2007 no niresadresaka tamin’ny mpanoratra ny Bongo Celebrity  Blog no latsa-bava nanao hoe: 

“It’s sad that people have raise such an issue. I don’t see why they should, because I am not the only Asian born in this Country. In fact both my parents were born here in Tanzania. My mother in Pemba and my father in Morogoro. I was born here in Dar and grew up in Mwanza so what does that make me? Definitely not an American nor a British not even an Indian. I am proudly Tanzanian and I know no other country but Tanzania. May be I am Afro Indian (Indo-African) but I am still a born Tanzanian.”

“Mankaloiloy ahy ny mahita ny fiitatry ny adihevitra ho lasa lavitra sahala amin’izao. Tsy hitako izay antony mahatonga izany, satria tsy izaho irery no aziatika teraka teto amin’ity firenena ity. Raha ny marina aza dia teraka teto Tanzania avokoa ny ray aman-dreniko. Ny reniko tany Pemba ary ny raiko tany Morogoro. Izaho teraka teto Dar ary lehibe tany Mwanza ka fitaizana inona izany no namolavola ahy? Mazava loatra fa tsy ho Amerikana na Anglisy na Karana akory aza. Mirehareha amin’ny mahatanzaniana ahy aho ary tsy mahalala firenena hafa ankoatra an’I Tanzania.Mety hoe Karana Afrikana (Afrikana Karana) aho saingy teraka Tanzaniana na dia izany aza.”


Nahazoana tsikera mavaivay avy amin’ny solotenan’ny olo-tsotra sasany manko ary nampiroborobo ny karajia momba ny kasinga itovian’ny mpiray firenena ho kasinga mampiavaka azy amin’ny firenenkafa ireo bilaogy amin’ny teny swahili ihany koa ny fandresen’I Richa. Andaniny ireo mifikitra amin’ny fananan’I Tanzania kolontsaina sy volonkoditra maro dia manohana tanteraka amin-joto-po an’I Richa. Ankilany kosa ireo mametraka ny hamaintin’ny hodiny ho kasinga lehibe indrindra amantarana ny Tanzaniana dia misalasala raha afaka ny hisolo tena an’I Tanzania ny olona iray Aziatika fihaviana ary manontany tena hoe mety ho maodelin’ny hatsarantarehy Tanzaniana ve izy sa tsia? 

Raha nanoratra ny vaovaom-pandresen’i Richa i Muhidin Michuzi dia nirongatra ny filazan-kevitra henjana manohitra toy ny hoe: 

It is not a secret, I am not happy with her victory and her race is the reason. I knew she had a great chance to win, because we always stoop before white people, now at the Miss world pageant when they say she is from Tanzania, they won’t understand us. We had all the reasons to leave this one (Richa) and choose a black girl, so that we can be proud of our colour. I am veeeeeeeeery angry.

Tsy afeniko fa tsy faly amin’ny fandreseny aho ary dia ny volokodiny no anton’izany. Efa tsinjoko ihany fa ho mora ny handreseny satria mora miheeerika ery isika raha vao mahita fotsy hoditra. Jereo izao fa rehefa tonga ny fifaninanana Oliravina manerantany dia hivanaka ny rehetra rehefa ilazany hoe avy aty Tanzania izy. Izay indrindra no tokony hanalana an’ikalakely (Richa) ity ary hifidianana tovovavy mainty, amin’izay isika afaka hirehareha amin’ny volokoditsika. Tena teeeezitra aho an!

Let us stop lying to ourselves, an Indian is an Indian, why can’t they intermarry with Wa-Swahili (Black Africans), we can’t even see them mingle with Waswahili … There are Waswahili (black people) in India but they can never become cabinet ministers or members of parliament, they cannot even be amongst the best 100 (pageant qualifiers). Forget it. The time has come whether we like it or not, Tanzanians should have priority and it is not a matter of racism but it is an issue of identity as Africans. England has people from all over the world but an Englishman has more rights in England… Wake up Tanzanians…

Aza mamita-tena intsony, rehefa Karana dia Karana, Nahoana moa ry zareo no tsy mifanambady amin’ny mainty. Tsy mahita azy ireny miaraka amin’ny mainty mhitsy aza isika. Mba misy mainty koa anie any Inda fa tsy mba tafiditra na oviana na oviana anatin’ny kabinetrana minisitera izy ireny na mba tafiditra any amin’ny antenimiera na tafakatra ho eo amin’ny 100 kanto indrindra amin’ny fifaninanana izay atao. Adinoy ny amin’iny. Tonga ny fotoana fa na tiantsika na tsy tiantsika, tokony ho ny Tanzaniana ihany no laharam-pahamehana ary tsy resaka fanavakavaham-bolokoditra izany fa fanehoana ny mahaafrikana. Ahitana ny olona manerana izao tontolo izao ao Angletera fa ny Anglisy no manan-jo kokoa…

 Mijoroa ry Tanzaniana ô!

Rehefa nanontaniana ny adihevitra natsangan’ny tsy manaiky ny safidy noho ny volonkoditra ny mpikarakara ny fifaninanana Atoa Lundenga, dia tsy nametraka olana mihitsy araka ny voasoratra ao amin’ny Haki’s Blog: 

You know every good thing must be criticised, now we, as the Miss Tanzania pageant Committee say, any girl who qualifies and is a Tanzanian, even if she is a caucasian, but a Tanzanian, she has chance to participate”

Ny zavatra tsara rehetra tsy maintsy voatsikera, noho izany, izahay komity mpikarakara ny Oliravina Tanzaniana dia manao hoe ny tovovavy rehetra voafantina ka Tanzaniana, na dia Kaokaziana aza izy nefa Tanzaniana dia afaka mandray anjara avokoa.

Betsaka ihany koa ireo manohana an’Atoa Lundenga araka izay voasoratra ao amin’ny Michuzi’s blog: 

Why don’t we complain about members of parliament of Asian and Arabic origins??? Mohamed Dewji, Rostam and Arfi from Mpanda, people elected them after seeing that they are fit to lead. Father of the Nation, Mwalimu Nyerere gave important posts to Jamal, Dereck Byceson and Al Noor Kassam. Those are Indians and a European who served in the cabinet. People of Kinondoni constituency loved Bryceson and they did not see his colour. Now we are starting to discriminate people, saying: he is an Indian, she is a caucasian … What matters is that if a person is a Tanzanian, he/she has all the rights regardless of his colour. If we start with Asians today, tomorrow we will start discrimination against ourselves – saying you are a Kurya, a Sukuma or Mhaya…

Nahoana isika no tsy nitaraina raha misy Arabo na Aziatika fihaviana mpikambana amin’ny Antenimiera??? Ry Mohamed Dewji, ry Rostam ary ny Arfi avy ao Mpanda, nifidy azy ireo ny vahoaka rehefa hitany ny fahamendrehany. Nahoana moa ny Rain’ny firenena Nwalimu Nyerere no nanome andraikitra lehibe an’i Jamal, Dereck Byceson ary I Al Noor Kassam? Karana ny Eoropeana niasa tao amin’ny kabinetra ireo. Ny vahoaka ao amin’ny faritry Kinondoni dia mankasitraka an’I Bryceson ary tsy miraharaha izay volokodiny. Ankehitriny indray isika no manomboka manavakavaka rehefa miteny hoe iry Karana na itsy Kaokaziana. Inona moa ny olana rehefa Tanzaniana izy? Manana ny zo rehetra izy fa aza jerena amin’ny volokodiny. Raha manavakavaka ny Aziatika isika androany, rahampitso isika mihitsy no hifanavakavaka ary dia hisy hiteny hoe ianao Kurya, na Sukuma na Mhaya…

Nanoratra avy any Inda I Ndabagoye ka nanadihady ny adihevitra momba ny fanavakavahambolokoditra taorian’ny fahatairany raha nahita ny hevitra nipoitra tao amin’ny Bongo Celebrity Blog. Mampahatsiahy ny teny reny tao amin’ny fampisehoana iray tany New Delhi hita tao amin’ny Apache Indian ny alina mialoha indrindra ny fifaninanana izy manao hoe:

“…Racism is still rampart and is not a trivial issue, anybody who has actually not seen it can cannot comment on it….”

“…Mampikatona ny fanavakavaham-bolokoditra fa tsy mba lohahevitra kivalavala. Tsy manankolazaina ny amin’izany izay rehetra tsy niaina izany.”

Ary dia nohazavainy moa ny heviny: 

I am against racism because I know how it feel to be discriminated against as Apache said, early on during the struggle in South Africa I did not fully understand people like Steve Biko because I had never experienced the pain of racism. You can board a train and people will just wake from their seats because they just don’t want to sit with a Kaluu (Kaluu is same as the word Nigger in India). It is not a good feeling at all.

Now this has started way back home… what kind of society are we building ? The world is flat and there is a great deal of social interactions. Is blackness a prerequisite of being a Tanzanian?

Toheriko ny fahavakavaham-bolokoditra satria fantatro ny fahatsapako rehefa avakavahana, hoy Apache. Fony nitolona ny tany Afrika Atsimo no mbola tsy azoko tsara ny nataon’ny olona tahaka an’I Steve Biko satria mbola tsy nigoka ny mangidy noho ny fanavakavaham-bolokoditra aho tamin’izany fotoana izany. Afaka mitaingina masinina ianao fa hihatakataka lavitra ny seza ipetrahanao ny olona noho izy ireo tsy misy te-hiara-mipetraka amina Kaluu ( Kaluu no mitovy dika amin’ny teny hoe Nigera na Mainty any Inda).Ankehitriny  mitady hiorina aty amintsika ny toy izany…Fiaraha-monina manao ahoana ity aorintsika ity? Mandry fehizay izao tontolo izao ary miezaka ny mifandray ny tontolo samihafa. Ny fahamaintisana ve no fepetra voalohany mametraka ny mahatanzaniana?

 

J. Nambiza Tungaraza

1 hevitra

Hiresaka koa

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.