Madagasikara: Ny Teny Malagasy sy ny Lingua-n'ny Global Voices

Nisy hiran'ny tarika malaza malagasy Mahaleo nametraka tao amin'ny serasera.org:

“Aoka aho,
Mba ho tompon-tsafidy,
Mba tsy havela hihidy,
Ty vavako miteny” rahafahafahana, Mahaleo. (Mg)

Araky ny asehon'ity andininy iray ity dia manana fombafomba ny teny malagasy. Kabary no atao voalohany rehefa misy fivoriam-pianakaviana na hetsiketsika. Kanefa maneritery ny toe-karena mba hampiasa ireo teny be mpampiasa kokoa eo amin'ny sehatra fanantoloana (teny anglisy sy frantsay), ary ilaina ny hijanonan'ny teny malagasy eo anivon'ny maha-Malagasy. Misy rahona mantsy fa tsy ho taitra intsony amin'ny teny malagasy ny taranaka mandimby, ary resahina matetika ito olana ito eo amin'ny mpandinika ny resaka sosialy.
Hoy i Michele Rakotoson:

Je me demande s’il n’y a pas rupture entre nous et cette fameuse « deuxième génération ». Ils sont plus dans Internet, les soirées festives et dansantes ou les sports. Par rapport à la langue malgache « tenindrazana », celle-ci est littéralement « langue des aïeux » et n’est même pas celle des parents ni des enfants. (Fr)

Manontany tena aho sao dia misy fisarahana amintsika sy ity taranaka faharoa. Ny Internet, ny alim-pandihizana sy ny fanatanjahan-tena no tena manaitra azy ireo. Ity teny malagasy “Tenindrazana”, dia tsy tenin'ny ray amandreny sy ny ankizy intsony akory.

Olona 17 tapitrisa no miteny malagasy. Araka izany dia teny faha-55 eto an-tany ny Malagasy, fa kosa iray amin'ireo macrolanguages 69. Ny antony hiarovana sy hanandraina ny teny vitsy mpiteny dia tsy noho ny isan'ireo mampiasa azy akory, fa kosa noho ny tantara. Ny teny Malagasy dia isan'ny fomba fisehoan'ny firaisan-kina eo amin'ny Malagasy samihafa fihodirana. Toa ny kolontsaina malagasy rehetra hafa dia mampiseho ny fahasamihafan'ny fihavian'ny Malagasy izy. Satria tokoa mantsy anisan'ny teny Malayso-Polyneziana ny teny Malagasy, ary nampiana teny avy amin'ny Bantoa, Swahili, Arabo, Frantsay ary Anglisy ihany koa.

Nanana ny toerany teo amin'ny tantara malagasy ny teny malagasy raha nitady fahaleovan-tena tena izy tamin'ny Frantsa ny firenena. Isan'ny lalana voalohany navoakan'ny governemanta dia ny hametraka ny teny Malagasy hoe tenin'ny fampianarana.

Araka izany, ny namoronana ny Global Voices amin'ny teny malagasy dia ny mba handrenesana ny feon'ireo tsy mbola re ary mba hisy ny fifanankalozana eo amin'ny kolontsaina mety tsy nifandray loatra teo aloha.
Hoy ny Lingua Global Voices Translation Project :

“ It will open lines of communication with non-English speaking bloggers and readers of GV. [..] Mostly, Lingua translators are helping bridge worlds and amplify voices”.

“Hamoha lalam-pifaneraserana eo amin'ny mpitoraka bilaogy tsy miteny anglisy sy ny mpamaky an'ny GV. [..] Indrindra fa ny mpandika tenin'ny Lingua dia manampy manisy tetezana tontolo samihafa ary manandratra feo ho azy ireo”

Mino koa izahay fa izy ity dia ao anatin'ny fampianarana Rising voices-n'ny Global Voices izay

“aims to help bring new voices from new communities and speaking new languages to the conversational web”.

“miezaka mitondra feo vaovao avy amin'ny fokonolona vaovao ary miteny vaovao eo amin'ny tafatafa tranonkala”.

Araka izany, mety hanosika ny Malagasy hizara ny momba azy ny famakiana ny Global Voices amin'ny teny malagasy.
Ity Global Voices amin'ny teny malagasy moa dia vokatry ny resaka teo amin'i Mialy, mpanoratra GV, sy Alice Baker, GV Lingua Editor. Tsy very teo amin'ny mpitoraka bilaogy Malagasy ny vesany ary betsaka tokoa izy ireo no nanolotra tena :  Jentilisa, Hery, Harinjaka, Joan sy ny hafa koa mety ho avy tsy ho ela.
Manantena koa izahay fa ny gazety nasionaly any Madagasikara dia hanampy hampiseho an'ity Global Voices amin'ny teny malagasy ity olona maromaro kokoa.

2 hevitra

Hiresaka koa

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.