Tantara misongadina
Yemen: Tsy Azo Samborina i Saleh
Nankatoavin'ny antenimiera ihany omaly ny lalàna manome alalana an'i Ali Abdullah Saleh tsy ho azo samborina sy gadraina famelan-tsazy tanteraka ho an'ny filohan'i Yemen teo aloha Ali Abdullah Saleh...
Vohitr'i Ségou: Fitsidihana Amin'ny Lakana Ny Reniranon'i Niger Ho Fampahafantarana Ny Aterineto
Mandray lalana mahaliana ny tetikasa Ségou Villages Connection any Mali, iarahana aminà tetikasan'ny UNESCO ho fitandroana ny lova [fr]. Boukary Konaté, mpandray anjara iray nahazo fanohanana avy amin'ny Rising Voices 2011, amin'izao fotoana izao dia miampita ny Reniranon'i Niger anatinà lakana Maliana nentin-drazana, mifindrafindra vohitra iray hafa isanandro mba hampianatra ireo ankizy sy ireo mponina ny fomba fampiasa ny Aterineto.
-
Fifaninanana Lahatsary: Dizitaly Mifamàka amin'ny Andavanandro
26/01/2012
-
Frantsa: Birao Famoahana Gazety Mpandrabiraby Nodorana Taorian'ny Nanarabiany ny Sharia 26/01/2012
-
Madagasikara: Tsy Navela Hody Ny Filoha Teo Aloha Ravalomanana
26/01/2012
-
[Lahatsary] Sary Avy Amin'ny Tetikasa “Andavanandrom-piainan'ireo Vehivavy Ao Minya”
26/01/2012
-
Madagasikara: Dia Ahoana Ny Manaraka Rehefa Tsy Tafody Ny Filoha Teo Aloha?
25/01/2012
Tantara farany
28/01/2012
Brezila: Hetsika Mitaky Zo Hahazo Kianja Tsy andoavam-bola Mandritra ny Fetibe
Ny Fetiben'i Salvador [karnavalina], ao Brezila, no iray amin'ny lehibe indrindra manerantany. Leon'ny resaka ara-barotra tafahoatra sy ny fanovana ny kianjam-bahoaka lasa an'olotsotra vonjimaika kosa ny mponina ao an-tanàna. Nidina an-dalambe ry zareo tamin'ny 14 janoary rehefa nifanentana sy nifandamina tamin'ny alalan'ny Facebook sy Twitter mitaky ny hanalana ny fanorenan'ireo orinasa tsy miankina hiala amin'ny arabe.
Sodana Atsimo: Krizy Amin'ny Maha-olona Ao Amin'ilay Firenena Vaovao Indrindra
Herintaona latsaka hatramin'ny nanambarany ny fahaleovantenany tamin’ny Jolay 2011 hanjary ho ny firenena vaovao indrindra eran-tany , dia mbola mitohy miatrika ny krizy amin'ny maha-olona hatrany i Sodana Atsimo, indrindra taorian’ny herisetra ifanandrinan'ny foko samihafa any an-toerana.
Jordania: Avia Avia Fanala ô!
Ela ny ela tonga ao Jordania ihany rehefa ela niandrasana ilay vahiny fotsy, rehefa nandalo indroa ny hatsiaka maina dia tonga izy saingy nitsonika vetivety. Mbola tsy niangona akory dia...
27/01/2012
Kolombia: Hira Amin'ny Gadona Salsa Manakiana Ny Rafi-Pitaterana Aotobisy Haingam-pandeha
Hira amin'ny gadona salsa sy lahatsary iray no mitantara ny mafy iaretana izay ahafantaran'ireo mpampiasa azy ny fandehanana lavitra amin'ireo rafi-pitateram-bahoaka Transmilenio ao Bogota.
Gresy: Fanakianana Ireo Mpanao Politika Nandritra Ny Fankalazàna Ny Theophany
Tao Gresy, ny 6 Janoary dia androm-pirenena fankalazàna ny Theophany. Isan-taona, ny governemanta sy ireo mpiasam-bahoaka dia mandray anjara amin'ilay fankalazàna, ka aorian'izany no ananan'izy ireo fotoana hanaovana fanambaràna amin'ny fomba ofisialy. Kanefa, noho ny fahasahirànana ara-toekarena, politika ary sosialy lalovan'i Gresy, ny fankalazàna tamin'ity taona ity dia voamariky ny fanehoan-kevitra mivaivay noho ny tsy hafaliana sy ny fanakianana ireo mpanao politika..
Malezia: Manome Tsiny Ny Google Translate Ny Minisitra Noho Ny Hadisoana Hita Ao Anatin'ny Vohikala
Aza mitafy “akanjo manaitra ny maso” ary tadidio ny fanamiana fitondra amin'ny “adin'ny Mongoose” amin'ireo lanonana ofisialy. Ampahany amin'ireo hadisoana mahatsikaiky amin'ny dikanteny Anglisy tany anatin'ny vohikalan'ny Minisiteran'ny Fiarovana any Malezia ireo voalaza ireo, izay laha lohateny vaventy tamin'ny herinandro lasa teo. Efa noesorina ireo hadisoana ireo nefa tsy talohan'ny nahafahan'ireo mpampiasa aterineto nifanakalo resaka momba izany tany amin'ireo tambajotra sosialy maro samy hafa.
26/01/2012
Torolàlana momba ny Crowdsourcing ao Amerika Latina
Crowdsourcing, antsoina ihany koa hoe “fiaraha-miasan'ny besinimaro,” dia tetikasa ahafahan'ireo rehetra afaka miserasera mampita fampahafantarana na vaovao mahasoa ho an'ny rehetra. Ao Amerika Latina, nitsangana ny tetikasa crowdsourcing marobeho fanomezana fahafaham-po...
Manohitra Ireo Volavolan-dalàna Enti-Manohitra Ny Piraty Ny Fikambanambe Eran-tany Ao Amin'ny Aterineto
Ny 18 Janoary dia andro iray goavana eo amin'ny Aterineto. Ireo vohikala mpiara-miasa, manomboka any amin'ny Google ka hatrany amin'ny Twitpic, miaraka amin'ny fiaraha-monina sivily sy ireo olon-tsotra, dia nifanome tanana anatina hevitra iraisana iray: hanohitra ny lalàna Amerikana roa izay mety hisy fiantraikany goavana eo amin'ny fahalalahana miteny ao amin'ny aterineto eran-tany.
Zambia: Guy Scott Filoha Lefitra Fotsy Hoditra Sy Ny Ambaran'ny Lalampanorenana
Manontany ny maha ara-dalàna ny fanendrena ilay Zambiana fotsy hoditra notendrena ho filoha lefitra voalohany hatramin'ny nahazoany ny fahaleovantenany,dia ny Dr Guy Scott, ny antoko nitondra teo alohaMMD, ka mandrahona ny hitondra ny...
25/01/2012
Sodana : Ilay Mafana Fo Avy Ao Sodana, Alim Boushi, Navoaka Ny Fonja
Raharaha iray izay navoitran'ireo bilaogera avy ao Sodana sy ireo mpandefa bitsika tato ho ato, milaza ny toetoetry ny famoretana misy ao Sodana amin'izao fotoana, ilay fisamborana ny mafana fo politika avy ao Sodana sady Injenira Mohamed Hassan Alim, antsoina hoe Boushi.































EKENA FA nisy ny hadisoana nataon-ndRavalo, nefa na eo aza izany dia tokony hamela azy...